- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Famoretana Ny Media Ao Maldives Nitondra Ho Amin'ny Fanakatonana An-Terisetra Sy Fisamborana Mpanao Gazety

Sokajy: Azia Atsimo, Maldiva, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona, GV Mpisolovava
Journalists in Maldives demonstrate for media freedom on April 3, 2016. Photo shared on Twitter by Zaheena Rasheed (@ZaheenaR). [1]

Mpanao gazety tao Maldiva manao fihetsiketsehana ho an'ny fahalalahann'ny media tamin'ny 3 Aprily 2016. Sary nozarain'i Zaheena Rasheed (@ZaheenaR) teo amin'ny Twitter

Nisambotra mpanao gazety miisa enina ambin'ny folo [2] ny mpitandro ny filaminana tamin'ny 3 Aprily 2016 nandritra ireo hetsika fanoherana ny governemanta taorian'ny fanakatonana ilay trano fanontàna gazety tranainy ndrindra teo amin'ny firenena. Nampiasa herisetra [3] ireo polisy mpandrava korontana ary fitsifotra misy dipoavatra sy fisavàna vatana [4] tamin'ireo mpanao gazety lahy sy vavy, izay niasa avy amin'ireo fikambanana media maromaro eo an-toerana.

Miatrika ireo fandrahonana atao amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety i Maldiva #TadiavoMoyameehaa #vonoynylalànamombanyfanalàmbaràka Atsaharo ny asa fanenjehana ny Haveeru, Raajje TV

Ireo mpanao gazety ao #Maldives [9] milaza fa notifirin'ireo polisy tamin'ny fitsifotra misy dipoavatra izy ireo (Sary avy amin'i @ppl_powers [10])

Mpanao gazety tokony ho 50 eo ho eo no nivory teo akaikin'ny biraon'ny filoha ny Alahady teo, nanao fihetsiketsehana mikasika ny hamaroan'ireo olana anisan'izany ny fampiharana lalàna vao haingana [13] hanakatona ny gazety Haveeru, lehibe sy antitra indrindra eo amin'ny firenena, noho ny ady fifandirana eny amin'ny fitsaràna momba ny fizakàna azy. Maro amin'ireo mpanao gazety voasambotra no miasa ao amin'ny Haveeru. Nilanja sora-baventy [14] izy ireo ary niredona ny “Ajanony ny fanakantsakanana ny fahalalahan'ny asa asa fanaovana gazety.”

Nandefa ny lisitr'ireo mpanao gazety voasambotra i Mohamed Hamdhoon [15] tao amin'ny Facebook.

Screenshot of Haveeru Online English site [16]

Pikantsarin'ny Tranonkala Haveeru amin'ny fiteny Anglisy

Ao anaty Facebook, manoratra mikasika ny maha-manandanja ilay gazety ny mpanao gazety Ali Naafiz [17]:

Fikambanana iray antitra kokoa noho ny efa ho ny antsasaky ny isan'ny mponina no maty. Ilay tahiry goavana indrindra voasoratra teto amin'ny firenena no norovitina. Ilay lasa ho ny “ivontoerana fanofanana” an'ireo mpanao gazety ato amin'ny firenena no nopotehana. Ny fotopiveloman'ireo olona am-polony no voatohintohina. Ary ambon'ny zavatra rehetra, an'arivony maro no voasakana tsy hahazo ny loharanom-baovaon'izy ireo voalohany. Raha tsy mahakasika ny eo amin'ny fitondrana io, dia manontany tena aho ny inona no hiasany saina? ‪#‎Haveeru‬Aho ‪#‎MijoroMarakaAminHaveeru‬Aho

Mangataka koa Angatahan'ireo mpanao gazety koa ny governemanta mba hiverina hihevitra ny volavolan-dalàna vao avy nankatoavin'ny parlemanta izay hmadika ny fanalàm-baraka ho heloka bevava [18] – na dia efa nesorina tsy ho isan'ny heloka bevava aza ny fanalàm-baraka tamin'ny taona 2000. Manahy izy ireo fa ny lalàna dia ho ampiasain'ireo mpanohitra ara-politika ny mpanao gazety mba hanakanana ireo tatitra mikasika ny fiampangàna henjana mahakasika ny kolikoly sy ny tsy fivadihan'ireo manampahefan'ny governemanta amin'ny andraikiny.

Ireo olana hafa dia ahitàna ireo faneriterena vao haingana nanjo ny fandrakofana vaovao ataon'ny media [19] mikasika ny dingana arahan'ny fitsaràna heloka bevava, sy ny tsy fahavitàn'ny governemanta miaro ireo mpanao gazety. Tsy nisy ezaka azo tsapain-tanana mikasika ny fanadihadiana ny fanjavonana misterin'i Ahmed Rilwan tamin'ny taona 2014 [20], mpanao gazety iray, mpitoraka bilaogy ary mpiaro zon'olombelona izay efa niara-niasa tamin'ireo tambajotra mpampita vaovao tsy miankina marobe.

Taorian'ny fepetra amin'ny tany misahotaka napetraka tamin'ny 4 Novambra 2015, nampangain'ny Reporters Sans Frontieres ny andiana fanafihana [21] natao tamin'ireo mpanao gazety, fahitalavitra ary tambajotra fampitàm-baovao. Voakilasy ho faha-112 amin'ny firenena 180 i Maldiva teo amin'ny Fandaharana ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety nataon'ny RSF ho an'ny taona 2015. [22]

Teo amin'ny Twitter, nanondro ireo fanovàna ao anatin'ireo masoivohon'ny filazambaovao eo amin'ny firenena, izay toa manome fahefana ho an'ny antokon'ny mpitondra hifehy bebe kokoa ny fahitalavitra sy onjampeo ireo mpiaro ny fahalalahan'ny media:

 

mpikatroka efatra avy amin'ny governemanta sy mpanao gazety an-tsoratra iray tsy tonga hatraiza no handamina ireo mpandefa vaovao ao #Maldiva manomboka anio.

Fitohizana famoretana atao amin'ny media malalaka ao Maldiva, manendry mpikatroka mafana fo avy ao anatin'ny antoko ao amin'ny Kaomisiona momba ny Fahitalavitra sy ny Onjampeo ny fitondrana jadona

Niteraka hatezerana teny anaty media sosialy ihany koa ilay famoretana ary niditra an-tsehatra tamin'ny media sosialy ny olona mba hizara ireo sary sy lahatsary momba ireo hetsipanoherana.

Poa-tsatroka ho an'ireo mpanao gazety mahery fo izay miady ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety #TsyHelokeBevavaNyFanaovanaGazety [28]

Tsy norosoana sakafo antoandro na nomena sakafo hafa ireo voafonja fa rano mafana ho sotroina fotsiny. # [28]TsyHelokeBevavaNyFanaovanaGazety [28]

Manohy ny fanoherana ireo mpanao gazety, andro faharoa na nisy aza ny fisamborana tamin'ny Alahady

Ajanony ny herisetra atao amin'ny haino aman-jery

# [28]TsyHelokeBevavaNyFanaovanaGazety [28] #VonjeoMaldives [33]

# [28]TsyHelokeBevavaNyFanaovanaGazety [28] #Maldives [9] @Travel [36] @IBT2016 @BBCBreaking [37] @evattey [38]

Afaho i @sampathmasiw [40] @MrLeevaan [41] mpanao gazety amin'ny @Raajje_tv [42] nosamborina # [28]TsyHelokeBevavaNyFanaovanaGazety [28]

Navotsotra [45] daholo ireo mpanao gazety rehetra nogadraina ora maro. Anisan'ireo ny mpanao gazetin'ny Haveeru Ali Naafiz [46]. Taorian'ny fanafahana azy, nanoratra tamin'ny facebook izy.

Raha ny hovoatsifotra ranonà dipoavatra eo akaiky eo, sy fandaniana efa ho ora 12 any amponjan'ny polisy tsy misy na inona na inona hohanina afa-tsy ny fitakiana sy ny fifampizaràna efitra tery mirefy 8m amin'ny 5m ho an'olona 17 no anjaranay mba handrenesana ny feonay, izaho, ho ahy irery, mbola vonona ny hamerina indray. Misaotra anareo tsiraray tamin'ny fanohanana sy ny firariantsoa. ‪#‎Haveeru‬Aho ‪#‎MijoroMarakaAminHaveeru‬Aho.

Nihaona tamin'ny sasantsasany tamin'ireo mpanao gazety nanao hetsipanoherana ny ambasadaoron'ny Etazonia ary nibitsika mikasika an'io hoe:

Nankasitraka ny fahafahana nihaona tamin'ireo #Mpanao gazety Maldiva [9] voasambotra nandritra ny fanoherana tamin'ny Alahady

Tamin”ny taona 2008, nanjary demokrasia misy antoko maromaro ny firenen'ny Nosy Maldiva, taorian'ireo taona maro nisian'ny fitondrana didy jadona, i Maldiva izay fantatra amin'ny maha-toerana falehan'ny mpizahatany azy. Na izany aza, nihamafy ny korontana ara-politika hatramin'ilay voalaza  fa fanonganam-panjakana nanongana ny filoha voafidy ara-demokratika voalohany indrindra teo amin'ny firenena, Mohamed Rasheed.

Nisy zavatra tsara ve nentin'ireo fanoherana vao haingana nataon'ireo mpanao gazety ireo? Angamba. Na dia tsy mazava aza ireo antony tao ambadika, dia olona roa no voasambotra ny Talata teo [49] mifandray amin'ny fanjavonan'i Ahmed Rilwan Abdulla, izay tsy hita nandritra ny 606 andro.