Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Nosy Sanafir Sy Tiran Mahabe Resaka, “Namidin” i Sissi Filoha Ejiptiana Amin'i Arabia Saodita

The Strait of Tiran and Tiran Island. Photograph by Marc Ryckaert. Source: Wikipedia. Used under CC BY 3.0

Ny vavaranon'i Tiran sy ny Nosy Tiran. Sary an'i Marc Ryckaert. Loharano: Wikipedia. Nampiasàna ny  CC BY 3.0

Natolotr'i Ejipta ho an'i Arabia Saodita ny fizakàna ireo nosy Sanafir sy Tiran ao amin'ny Ranomasina Mena,  taorian'ny namerenany namaritra ny faridranomasiny, tao anaty fanambaràna iray izay nahatezitra Ejiptiana marobe nandika ny fihetsiny ho “tsy mifanaraka amin'ny lalàm-panorenana”.

Nandritry ny fitsidihan'ny mpanjaka Saodiana, Salman, an'i Ejipta mpifanila vodirindrina aminy no nanaovana ilay fifanarahana. Miisa 24 ireo fifanarahana nifanaovan'i Arabia Saodita sy Ejipta sonia nandritra ilay fitsidihana, isan'ireny ny faridranomasina vaovao izay nanolorana ireo nosy ireo ho an'i Arabia Saodita.  Amin'izany rehetra izany, voalaza fa ireo fifanarahana vaovao ireo dia hanentana ny resaka toekarena ary hampitombo avo roa heny ny fampiasambolan'ny Saodiana ao Ejipta, 30 lavitrisa dolara amerikana ho lasa hatramin'ny 60 lavitrisa dolara amerikàna. Anatin'ireny ny tetezana iray hampitohy an'i Arabia Saodita sy Ejipta mamakivaky ny Ranomasina Mena, mandalo amin'ireo nosy ireo izay iampangàna ny filoha Ejiptiana Abdul Fattah El Sisi ho nivarotra azy tamin'i Arabia Saodita.

Mpanohitra nosamborina

Vao maraina androany, olona 11 no voalaza fa nosamborina tao afovoan'i Kairo noho ny fanoherany ilay fihetsika. Araka ny Egyptian Streets:

Niteraka hatezerana teny anaty media sosialy ny fanapahankevitr'i Ejipta hanambara ireo nosy roa ireo hoe tanin'i Arabia Saodita. Lasa tenifototra resahana be indrindra ao amin'ny Twitter ny  #Tiran_Sanafir (#تيران_صنافير) ao Ejipta, miaraka amin'ireo bitsika efa maherin'ny 28.000 nalefa mifandraika amin'ilay fanapahankevitra. Nampangain'ny sasany amin'ireo mpampiasa media sosialy ny filoha Sisi ho ‘nivarotra ny firenena amin'i Arabia Saodita’, raha ny hafa indray nanohana ilay fanapahankevitra, tamin'ny filazana fa efa nomanin'ny governemanta teo aloha ny ‘hamerina ireo nosy ireo amin'i Arabia Saodita’.

“Tsy araka ny lalàm-panorenana” ny famotsorana ireo nosy ireo hoy ny mpisolovava

Nametraka fitoriana momba io fihetsika io ireo mpisolovava, isan'ireny ilay mpifaninana ho filohampirenena fahiny Khaled Ali, tamin'ny filazana fa “tsy araka ny lalàm-panorenana” ny fanapahankevitr'i Sisi hamotsotra ireo nosy Sanafir sy Tarin ao amin'ny Ranomasina Mena ireo, tsy nahazoana ny fankatoavan'ny Parlemanta.

Manazava i Ali tao anaty sata iray ao amin'ny Facebook,

رفعت اليوم دعوى قضائية ضد التنازل عن الجزيرتين، وهذه ليست قضية شخصية، ولهذا:
(١) القضية متاحة لكل من يرغب من المواطنين للإِنْضِمام إليها من خلال محاميه الخاص أو من خلال الاتصال بى أو بزملائى الأساتذة المحامين( د/ يوسف عواض ، محمد عادل سليمان، مالك عدلى، زياد العليمى)
(٢)القضية تحتاج إلى جهد بحثى وقانوني كبير على المستوى التاريخي والجغرافي والدولى والاستراتيجى والدستوري، لذلك ندعوا كل من لديه القدرة على تقديم المعاونة البحثية فى هذه القضية ألا يبخل علينا بعلمه أو بما تحت يديه من وثائق

Nampiditra raharaham-pitsarana iray manohitra ny famotsorana ireo nosy ireo aho androany, ary tsy raharahan'ny tena manokana izy ity. Izany no antony mampisokatra ny varavarana ho an'ireo olompirenena rehetra te-hanatevina laharana ilay raharaha, na amin'ny alàlan'ny mpisolovava azy ireo, na amin'ny fanatonana ahy avy hatrany, na ireo mpiasamiasa amiko. Mitaky fikarohana goavana be ity raharaha ity, ary ezaka araka ny lalàna, mifototra amin'ny ara-tantara, ara-jeografika, iraisampirenena, stratejika ary ny lalàm-panorenana. Manasa ny rehetra izahay araka izany, izay rehetra aminareo afaka mandray anjara amin'ilay fikarohana takian'ity raharaha ity mba hifampizara vaovao na izay antontan-taratasy ananany

Tany anaty sata iray tany aloha tany, nanazava izy :

يجب أن يتحول غضب التنازل عن جزيرتي تيران وصنافير من الإدانة والشجب فقط إلى مطلب شعبى واضح، وأقترح أن نرفع معاً مطلب تعليق التوقيعات والتصديقات لحين عرض الأمر على إستفتاء شعبى إستنادا لنص المادة ١٥١ من الدستور
‫#‏الاستفتاء_هو_الفيصل‬
‫#‏عواد‬

Tokony hiofo ho fitakiambahoaka mazava tsara ilay fanamelohana nateraky ny hatezerana avy amin'ny famotsorana ireo nosy Sanafir sy Tarin. Sosokevitro ny hiarahantsika mametraka fitoriana iray hampiatoana ny fanaovana sonia [ilay fifanarahana momba ny fari-dranomasina] mandra-pisian'ny fitsapankevibahoaka iray hatao mifanaraka amin'ny andininy faha 151 ao amin'ny lalàm-panorenana.

Ejiptiana ireo nosy ireo talohan'ny niforonan'i Arabia Saodita tamin'ny 1932

Hafa ny filazan'ireo mpisera ety anaty aterineto, raha ny governemanta Ejiptiana kosa misisika ny maha-teo ambany fiandrianan'i Arabia Saodita ireo nosy ireo hatrizay.

Ampongatr'i Taqadom Al-khatib, Ejiptiana mpikaroka ao amin'ny Anjerimanontolo Free ao Berlin  ity sarintany tranainy ity, nataon'i Carl Christian Franz Radefeld, izay mampiseho ny nosy Tiran teo ambany fiandrianana Ejiptiana tany amin'ny taonjato faha-18 :

Ity sarintanin'i Ejipta nataon'i Carl Christian Franz Radefeld (1788 – 1874) ity, manondro an'i Tiran ary milaza fa teo ambany fiandrianana Ejiptiana izy io.

Mizara sarintany hafa ihany koa izy hanaporofoana ny fomba fijeriny .

Sarintany iray ahitàna an'i Sinai nandritry ny fidiran'i Napolean tao  Ejjipta tamin'ny 1798, ka ao anatiny ilay Alemàna mpahay ny faritra atsinanana, Werner Wildermuth, dia manoratra momba ireo nosy Ejiptiana ao amin'ny Ranomasina Mena

Sarintany iray mampiseho ny sisintanin'ny fanjakàna Ejiptiana (1872-1915) ka tamin'izay dia teo ambany fiandrianana Ejiptiana i Hijaz satria mbola foko no nonina tao ary tsy mbola firenena

Lawyer Gamal Eid manampy hoe :

°Ireto ny sasantsasany amin'ny torohay ho an'ilay mpivarotra sy ireo nakombona ny vavany :
1. Misy antontan-taratasy Ejiptiana tamin'ny 1906 manaporofo fa an'i Ejipta ny nosy Tiran sy Sanafir
2. Tamin'ny 1906, ireo Emirà Najd, Hijaz sy Asir ihany no nisy
3. Tamin'ny 1932 no niforona i Arabia Saodita.

Ary zarain'i Hala ity sarintany ity mampiseho an'i Ejipta nandritry ny fanjakàn'i Khedive Ismail, 80 taona talohan'ny namoronana an'i Arabia Saodita :

Ity ny sarintany iray misy an'i Ejipta fony teo ambany fanjakàn'i Khedive Ismail. 80 taona talohan'ny fanorenana an'i Arabia Saodita

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.