- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Grand Prix Formule 1 Tao Bahrain Niafara Tamin'ny Loza: Ali Abdul Ghani, 17 Taona, Maty Vokatry Ny Fisamboran'ny Mpitandro Ny Filaminana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Bahrain, Fanatanjahantena, Fanoherana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana, Zon'olombelona
Bahraini Ali Abdul Ghani, a teenager killed in Bahrain

Bahraini Ali Abdul Ghani, tanora iray maty tao amin'ny tananàn'i Shakhura nandritra ny fifantohan'ny median'izao tontolo izao tamin'ny Fifaninanana Hazakazaka Formule 1 nitranga tsy lavitra ny toerana

Taorian'ireo afomanga, ireo fiara mamirapiratry ny fifaninanana ary ireo fankalazana ny Loka Lehibe Formula 1 [1] tao Bahrain, zazalahy iray 17 taona, Ali Abdul Ghani, no namoy ny ainy. Raha i Nico Rosberg, ilay mpandresy tamin'ny hazakazaka, nankalaza ny fandreseny, ilay tovolahy, izay teny ampihazakazahana, ary voaheloka higadra dimy taona an-tranomaizina kosa efa mety efa tapitra aina.

fihetseham-po tsy mampino nakàna fandresena tao Bahrain #F1 [2]#BahrainGP [3]

Naratra mafy [6] ilay tovolahy raha nandositra ireo mpitandro filaminana sy ireo olona misaron-tava nikasa ny hisambotra azy. Nitranga izany tao amin'ny tanàna iray manakaiky ny Toeram-pihazakazahana Iraisam-pirenena ao Bahrain nisy ny hetsika goavana izay natao tao ny 31 Martsa lasa teo.

Nibitsika ny kaonty Twitter-n'ny Minisiteran'ny Atitany ao Bahrain fa:

Voasambotra ilay olona voaheloka hifonja nandritra ny 5 taona nandositra. Naratra vokatry ny fianjeràna avy eny amin'ny tranobe tao Shahrakan raha niezaka handositra. #Bahrain [7]

Tsy namelabelatra misimisy kokoa izy. Omaly, nolazaina ny fahafatesan'i Abdul Ghani ary androany an'arivony no nanao filaharambe tao an-tanànan'i Shahrakan, toerana  nandevenana azy.

Tao amin'io lahatsary io, vahoaka anaty hatezerana no nihogahoga teny ampanaovana diabe nankahatra ny fandraràn'ny manampahefana tsy hahazo manao fihetsiketsehana.

Manjohy ny toerana fandevenana an'i Ali Abdulghani ireo vahoaka mangataka fanadihadiana sy fandraisana andraikitra#Bahrain [7] #alwefaq [9]

Nitatitra fisianà fisamborana ihany koa ny vondrona Al Wefaq taorian'ny fandevenana

Sayed Ahmed Alwadaei, izay miasa amin'ny fikambanana BIRD momba ny zon'olombelona ao UK, koa niantso fanadihadiana iray:

VAOVAO FARANY: #Bahrain [7] Grand Prix nomarihan'ny fahafatesana tanora:  mitaky fanadihadiana ireo ONG

Saingy tsy mahomby i Bahrain mikasika ny fanomezan-danja ireo zon'olombelona sy ireo raharaham-pitsarana. Ny ONG misy an'i Alwadaei, ary koa ireo efatra hafa, nilaza tao anaty fangatahana niarahana nalefan [15]‘izy ireo fa:

Nitranga nandritra ny Hazakazaka Formule 1 ny fahafatesan'i Ali ary nanambana ny hampitombo fiarovanamanerana ny firenena ireo tompon'andraikitra. Izy no faharoa maty nandritra ilay hetsika, taorian'iSalah Abbas, raim-pianakaviana manan-janaka dimy novonoin'ny mpitandro filaminana nandritra ny alina mialoha ny hetsika hazakazaka tamin'ny taona 2012 rehefa avy nampijaliana sy notifirina. Hita teo ambony tafontrano iray ny fatiny. Na teo aza ireo fampanantenana nataon'ireo tompon'andraikitra ny hanokatra fanadihadiana, tsy nisy mihitsy voatonona fa tompon'antoka tamin'ny fahafatesan'i Salah.

Ahitana antsipirihany manaitra nomen'ireo vavolombelona nanatri-maso nahita ireo ratra nahazo azy ilay fanambaràna.

Na ny taratasy fanamarinana ny fahafatesan'i Abdul Ghani aza dia tsy nilaza ny antony nahafaty azy:

Jereo ny antony nahatonga ny fahafatesana ao anatin'ity taratasy fanamarinam-pahafatesana avy amin'ny Hopitaly Fiarovan'i Bahrain ity izay manitsakitsaka ny fenitra.

Matetika voavelivelin’ [19]ireo fikambanana mpiaro  zon'olombelona ary koa ny Firenena Mikambaban ity firenena bitika ao amin'ny Gôlfa ity noho ny tsy fahavitàny mamaha ireo olana ara-politika sy zon'olombelona ao aminy, izay nipoaka nivadika ho korontana arahana famoretana natao tamin'ireo hetsi-bahoaka mpandàla ny demokrasia tamin'ny taona 2011.

Nabeel Rajab, mpiaro zon'olombelona, dia nibitsika fahamarinana iray hafa mampahonena mikasika ilay tantara:

Ali, 18 taona, maty raha teo am-piezahana handositra ny ny fisamborana azy ary herinandro vitsy taorian'ny namotsorana ny reniny #Bahrain [7]

Nihanaka haingana tao amin'ny Twitter ireo sary mikasika ilay hetsi-panoherana tao an-tanàna , ny tena niavaka, dia ny fanondroana an'i John Kerry, Sekreteram-panjakana Amerikàna, izay tokony hanao asa fitsidihana an'i Bahrain tamin'io herinandro io.

#KerryInBahrain [22] @JohnKerry [23] #Bahrain [7] androany alina

Nofantsihan'ireo Amerikàna mpandàla ny Demaokrasia sy ireo Mpiaro Zon'Olombelona ny fifandimbiasam-baovao avy amin'ny lehiben'ny manampahefana ao Bahrain hiaraka tamin'ireo bitsika mitaky aminy hiteny ireo olana henjana toy ny fampijaliana, ny fanesorana zom-pirenena ary ny famonjàna ireo mpitarika politika avy amin'ny mpanohitra

Tokony havoitran'i @johnkerry [23] ny olana mikasika ny #fampijaliana [26] ao #Bahrain [7], izay ahitana herisetra ara-nofo sy fanokana-monina. #KerryInBahrain [22]