
Bahraini Ali Abdul Ghani, tanora iray maty tao amin'ny tananàn'i Shakhura nandritra ny fifantohan'ny median'izao tontolo izao tamin'ny Fifaninanana Hazakazaka Formule 1 nitranga tsy lavitra ny toerana
Taorian'ireo afomanga, ireo fiara mamirapiratry ny fifaninanana ary ireo fankalazana ny Loka Lehibe Formula 1 tao Bahrain, zazalahy iray 17 taona, Ali Abdul Ghani, no namoy ny ainy. Raha i Nico Rosberg, ilay mpandresy tamin'ny hazakazaka, nankalaza ny fandreseny, ilay tovolahy, izay teny ampihazakazahana, ary voaheloka higadra dimy taona an-tranomaizina kosa efa mety efa tapitra aina.
amazing feeling to win in Bahrain #F1#BahrainGPpic.twitter.com/gJxZnrjuXx
— Nico Rosberg (@nico_rosberg) April 4, 2016
fihetseham-po tsy mampino nakàna fandresena tao Bahrain #F1#BahrainGP
Naratra mafy ilay tovolahy raha nandositra ireo mpitandro filaminana sy ireo olona misaron-tava nikasa ny hisambotra azy. Nitranga izany tao amin'ny tanàna iray manakaiky ny Toeram-pihazakazahana Iraisam-pirenena ao Bahrain nisy ny hetsika goavana izay natao tao ny 31 Martsa lasa teo.
Nibitsika ny kaonty Twitter-n'ny Minisiteran'ny Atitany ao Bahrain fa:
Fugitive sentenced to 5 years in jail arrested. Injured in fall from building in Shahrakan while trying to escape. #Bahrain
— Ministry of Interior (@moi_bahrain) March 31, 2016
Voasambotra ilay olona voaheloka hifonja nandritra ny 5 taona nandositra. Naratra vokatry ny fianjeràna avy eny amin'ny tranobe tao Shahrakan raha niezaka handositra. #Bahrain
Tsy namelabelatra misimisy kokoa izy. Omaly, nolazaina ny fahafatesan'i Abdul Ghani ary androany an'arivony no nanao filaharambe tao an-tanànan'i Shahrakan, toerana nandevenana azy.
Tao amin'io lahatsary io, vahoaka anaty hatezerana no nihogahoga teny ampanaovana diabe nankahatra ny fandraràn'ny manampahefana tsy hahazo manao fihetsiketsehana.
Masses join the funeral procession of Ali Abdulghani demanding investigation and accountability#Bahrain #alwefaq
pic.twitter.com/XS7p6X2IOu— AlwefaqEN (@AlWefaqEN) April 5, 2016
Manjohy ny toerana fandevenana an'i Ali Abdulghani ireo vahoaka mangataka fanadihadiana sy fandraisana andraikitra#Bahrain #alwefaq
Nitatitra fisianà fisamborana ihany koa ny vondrona Al Wefaq taorian'ny fandevenana
Sayed Ahmed Alwadaei, izay miasa amin'ny fikambanana BIRD momba ny zon'olombelona ao UK, koa niantso fanadihadiana iray:
BREAKING: #Bahrain Grand Prix marked by teenager's death: NGOs call for investigation: https://t.co/XDhCuMz8TN pic.twitter.com/hQelnKxAEd
— Sayed Ahmed Alwadaei (@SAlwadaei) April 4, 2016
VAOVAO FARANY: #Bahrain Grand Prix nomarihan'ny fahafatesana tanora: mitaky fanadihadiana ireo ONG
Saingy tsy mahomby i Bahrain mikasika ny fanomezan-danja ireo zon'olombelona sy ireo raharaham-pitsarana. Ny ONG misy an'i Alwadaei, ary koa ireo efatra hafa, nilaza tao anaty fangatahana niarahana nalefan‘izy ireo fa:
Nitranga nandritra ny Hazakazaka Formule 1 ny fahafatesan'i Ali ary nanambana ny hampitombo fiarovanamanerana ny firenena ireo tompon'andraikitra. Izy no faharoa maty nandritra ilay hetsika, taorian'iSalah Abbas, raim-pianakaviana manan-janaka dimy novonoin'ny mpitandro filaminana nandritra ny alina mialoha ny hetsika hazakazaka tamin'ny taona 2012 rehefa avy nampijaliana sy notifirina. Hita teo ambony tafontrano iray ny fatiny. Na teo aza ireo fampanantenana nataon'ireo tompon'andraikitra ny hanokatra fanadihadiana, tsy nisy mihitsy voatonona fa tompon'antoka tamin'ny fahafatesan'i Salah.
Ahitana antsipirihany manaitra nomen'ireo vavolombelona nanatri-maso nahita ireo ratra nahazo azy ilay fanambaràna.
Na ny taratasy fanamarinana ny fahafatesan'i Abdul Ghani aza dia tsy nilaza ny antony nahafaty azy:
فتش عن سبب الوفاة ف هذه الشهادة التي أصدرها المستشفى العسكري ل #على_عبد_الغني شهادة مخالفة للاعراف المرعية #Bahrain pic.twitter.com/FCNlm4dV4M
— يوسف ربيع (@yussufrabie) April 5, 2016
Jereo ny antony nahatonga ny fahafatesana ao anatin'ity taratasy fanamarinam-pahafatesana avy amin'ny Hopitaly Fiarovan'i Bahrain ity izay manitsakitsaka ny fenitra.
Matetika voavelivelin’ireo fikambanana mpiaro zon'olombelona ary koa ny Firenena Mikambaban ity firenena bitika ao amin'ny Gôlfa ity noho ny tsy fahavitàny mamaha ireo olana ara-politika sy zon'olombelona ao aminy, izay nipoaka nivadika ho korontana arahana famoretana natao tamin'ireo hetsi-bahoaka mpandàla ny demokrasia tamin'ny taona 2011.
Nabeel Rajab, mpiaro zon'olombelona, dia nibitsika fahamarinana iray hafa mampahonena mikasika ilay tantara:
18 years old Ali died as he is trying to escape the arrest and few weeks after the release of his Mother #Bahrain pic.twitter.com/ivjTdluuw4
— Nabeel Rajab (@NABEELRAJAB) April 4, 2016
Ali, 18 taona, maty raha teo am-piezahana handositra ny ny fisamborana azy ary herinandro vitsy taorian'ny namotsorana ny reniny #Bahrain
Nihanaka haingana tao amin'ny Twitter ireo sary mikasika ilay hetsi-panoherana tao an-tanàna , ny tena niavaka, dia ny fanondroana an'i John Kerry, Sekreteram-panjakana Amerikàna, izay tokony hanao asa fitsidihana an'i Bahrain tamin'io herinandro io.
#KerryInBahrain @JohnKerry #Bahrain tonight pic.twitter.com/LXZXWKxdYu
— Bahrain (@mowalee) April 4, 2016
#KerryInBahrain @JohnKerry #Bahrain androany alina
Nofantsihan'ireo Amerikàna mpandàla ny Demaokrasia sy ireo Mpiaro Zon'Olombelona ny fifandimbiasam-baovao avy amin'ny lehiben'ny manampahefana ao Bahrain hiaraka tamin'ireo bitsika mitaky aminy hiteny ireo olana henjana toy ny fampijaliana, ny fanesorana zom-pirenena ary ny famonjàna ireo mpitarika politika avy amin'ny mpanohitra
.@johnkerry should raise issue of #torture in #Bahrain, which includes sexual assault & solitary confinement. #KerryInBahrain
— ADHRB (@ADHRB) April 1, 2016
Tokony havoitran'i @johnkerry ny olana mikasika ny #fampijaliana ao #Bahrain, izay ahitana herisetra ara-nofo sy fanokana-monina. #KerryInBahrain