- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Inona No Nosiahan'ny (Tweet) Afrika Tamin'ny Taona 2015

Sokajy: Afrika Mainty, Mediam-bahoaka, Teknolojia
A screenshot of a graph showing how Africa tweets.

Pikantsary tamin'ny fanehoana an-tsary mampiseho ny fomba fandefasan'i Afrika Sioka.

Nanadihady sioka hita ara-jeografika 1,6 miliara sy diezy malaza 5.000 tao amin'ny kaontinanta Afrikanina tamin'ny tatitra fahatelo “How Africa Tweets (Ahoana Ny Fisiokan'i Afrika) [1]” ny Portland, sampam-pifandraisana iray ao Londra.

Ahitana tranga mampihetsi-po 12 mikasika ny fomba fitantaran'ny Twitter ny lohahevitra tahaka ny fampihorohoroana any Afrika, ny Ebola, sy ny fampandrosoana ara-toekarena ao amin'ny kaontinanta ny tatitra.

Nampiasa ny fitaovana fanadihadiana media sosialy Sysomos [2] ny orinasa mba hanangonana sy hanadihadiana ireo diezy malaza 5.000. Na izany aza, tsy nahavita nanangom-baovao momba an'i Sodàna Atsimo sy ny Repoblikan'i Congo izy noho ny tsy fahampian'ny tahirin-kevitra tao amin'ny media sosialy.

Nampiseho ny fikarohana nataonay teo aloha fa mihoatra lavitra noho ny sehatra ho an'ny fifandraisana ara-tsosialy na ny vazivazy ny Twitter ao Afrika. Ity fikarohana fahatelo ity, dia mampiseho fa mivoatra ny sehatra ary anjakan'ny adihevitra matotra momba ny politika sy ny fitondram-panjakana, “voalaza tao anatin'ny fanambarana an-gazety i [3] Mark Flanagan, Mpiara-miasa Voalohany amin'ny Portland mikasika ny Paikady Ara-votoaty sy Nomerika”.

Valin'ny karoka:

Nizara ny fehin-kevitra tao amin'ny Twitter tami'nny diezy #HowAfricaTweets [4] ny sioka sasany.

Noresahina tao amin'ny media sosialy talohan'ny fanambarana ofisialy nataon'ny fikambanana ara-pahasalamana (OMS) na ny olon-kafa ny tranga voalohany [nandrenesana indray] ny Ebola

Ny Afrikanina no naneho hevitra miavala indrindra momba ireo tranga vitsivitsy iraisam-pirenena tao amin'ny Twitter, anisan'izany ny Fanjakana Islamika,

Gabon dia firenena miteny Frantsay ao Afrika Afovoany, saingy nisy ifandraisany tamin'ny tranga tao Nizeria ny telo tamin'ireo siokany folo malaza indrindra.

#howafricatweets [11]
Diezy dimy malaza indrindra tao Oganda
1. #Uganda [12]
2. #UgandaDecides [13]
3. #News [14]
4. #Latest [15]
5. #MUFC [16]

Ny nosy kelin'i Komoro no nanana taha avo indrindra tamin'ny sioka isan'olona amin'ny 0.77 manerana ny kaontinanta.

Nahazo fanehoan-kevitra tsara amin'ny ankapobeny ny tatitra. Na izany aza, Mwesigwa Daniel, mpandray anjara amin'ny True Africa [19] nisioka hoe:

Ny tatitra #HowAfricaTweets [6] dia sombiny hafa amin'ny laza mora vidy. Marobe ireo adino.

Demba Kandeh, mpanoratra [21]ato amin'ny Global Voices nahita hoe:

@reedkramer [22] @PortlandComms [23] @twitter [24] voka-pikarohana mahaliana; tahaka ny mampitaha paoma amin'ny laoranjy, #AfricaIsNotACountry [25] #HowAfricaTweets [6]