
Polisy sy tantsaha mifanatrika andro iray mialoha ny fanapartiahana ny hetsi-panoherana. Loharano: Kilab Multimedia / Facebook
Roa no maty ary maro ny naratra taorian'ny nanaparitahan'ny polisy ny barazy natsangan'ny tantsaha mitaky fanampiana vary sy sakafo tao Cotabato Avaratra, faritany iray miorina any amin'ny faritra atsimon'i Philippines.
Tamin'ny herintaona, efa nampitandrina ny manampahaizana manokana fa hisedra haintany mahery vaika ny faritra maro ao Philippines vokatry ny toe-draharaha ara-toetrandro ateraky ny El Niño. Nandrisika ny governemanta izy ireo hiomana sy hanao ezaka fanalefahana hanampy ny tantsaha sy ireo sokajin'olona hafa marefo.
Ary rehefa manomboka mihamaina ny velaran-tany midadasika noho ny El Niño, dia maro amin'ny tantsaha no mahita fa tsy afa-mamokatra voan-tsakafo ampy ry zareo hamidy. Niakatra amin'izay ny tahan'ny hanoanana any amin'ny faritra ambanivohitra.
Iray amin'ny faritany mizaka indrindra ny voka-dratsin'i El Niño ny ao Cotabato Avaratra. Efa nanambara ny maha-toerana trà-doza azy ny governemantam-paritany ao aminy tamin'ny Janoary 2016, izay ahafahany mahazo vatsy hiatrehana ny loza sy ireo endrika fanampiana hafa avy amin'ny governemantam-pirenena.
Roa volana taty aoriana, nitaraina ny tantsaha tao amin'ny faritany fa mbola miandry ny anjara vary sy sakafo hafa avy amin'ny governemanta ao an-toerana ry zareo. Tamin'ny 28 marsa; mihoatra ny 5000 ny tantsaha nanapa-kevitra ny hihetsika amin'ny alalan'ny fanaovana fanoherana eny amin'ny lalan-dehibe. Nivoady izy ireo ny hijoro sy hitazona barazy iray mandra-pamoakan'ny governemanta vary amin-gony 15000 lasaka. Nangataka ihany koa ry zareo ny hamoahana avy hatrany ny vatsy hiatrehana ny loza hanampiana azy ireo hiavo-tena sy hanalefahana ny fangirifirian'izy ireo.
Rehefa tsy nahomby taminny fandresen-dahatra ny tantsaha hampitsahatra ny fihetsiketsehany ny governemanta ao an-toerana dia nibaiko ny polisy tamin'ny voalohany Aprily hanaisotra ny sakana, hanaparitaka ny fivoriana, ary hisambotra ireo mpitarika mpanao fihetsiketsehana. Herisetra no nanaraka izany, izay nitarika ny fahafatesan'ny tantsaha roa. Ny fanombanana tamin'ny voalohany no nilaza faharatrana 116 raha 87 ny isan'ny nanjavona. Hita taty aoriana ny sasany tamin'ireo notaterina ho nanjavona fa nosamborin'ny polisy.
Nalaza an-tserasera avy eo ny diezy #BigasHindiBala (Vary fa tsy bala) rehefa navitrika tamin'ny firesahana momba ny raharaha ny mpiserasera. Voatsikera ho nampiasa basy ny polisy nandritra ny fanaparitahana ny mpanao fihetsiketsehana satria fanitsakitsahana ny lalàna izany. Maro no nanontany hoe nahoana no tsy maintsy nanao herisetra ny governemanta raha nangata-tsakafo fotsiny ny tantsaha.
Nilaza ny manapahefana tao an-toerana sy ny polisy fa nibodo ny lalana tamin'ny fomba tsy ara-dalàna sy nanelingelina ny vahoaka ireo mpanao fihetsiketsehana ireo. Nanampy ny polisy fa fiarovan-tena manoloana ireo mpanao fihetsiketsehana tsy ara-dalàna ihany no nataon-dry zareo. Nikiry ny governora niteny fa efa vonona ny vary fa tsy maintsy arahina ny fombafomba fakana azy raha te-hahazo azy avy amin'ny governemanta monisipaly ry zareo.
Rehefa nitsipaka ny fangatahan'ny tantsaha ny governemanta, dia nisy ny fanentanana hanome hanome vary, izay nahatonga ireo olon-tsotra, vondron'olona ary fikambanana isan-karazany hanome fanampiana ireo tantsaha nanao fihetsiketsehana.
Mbola tsy nilaza na inona na inona momba ity raharaha ity ny filoham-pirenena hatramin'ny nisian'ny fanaparitahana tamin'ny voalohany avrily. Saingy nanambara ireo eo ambany fahefany fa hisy ny fandalinana tsy mitongilana amin'ny toe-draharaha. Nanontany ampahibemaso anefa izy ireo fandrao nisy tokoa ireo mpanetsiketsika avy amin'ny elatra havia nanamboatra ny sain'ny tantsaha hanatevin-daharana ny fihetsiketsehana.
Na izany aza, mbola tsy voavaly ny fanontaniana any an-tsain'ny maro: Mety ve ny mitifitra tantsaha noana mangataka sakafo fotsiny avy amin'ny governemanta?

Police nitifitra ny mpanao fihetsiketsehana izay nahafatesana tantsaha roa. Nampiasaina ihany koa ny fiara mpamono afo handravana ny fihetsiketsehana. Loharano: Kilab Multimedia / Facebook

Taorian'ny fanaparitahana ny fihetsiketsehana, nitady fiarovana tao amin'ny toerana midadasiky ny Fiangonana Methodista Mitambatra ry zareo. Loharano: Kilab Multimedia / Facebook

Nanomboka tonga ny vary fanampiana ho an'ny tantsaha izay naparitaka tao Cotabato Avaratra. Loharano: Kilab Multimedia / Facebook

Nanatontosa fihetsiketseham-panoherana teo anoloan'ny foiben'ny polisy ny mpiasa ao Manila hanameloka ny fandravana an-kerisetra ny fihetsiketsehana tao Kidapawan. Loharano: Kilusang Mayo Uno (Hetsika voalohany Mey) / Facebook