- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Niditra Tao Amin'ny Media Sosialy Hisian'ny Fanohanana Manerantany Ny Hetsika ‘Afaho i Papoazia Andrefana’

Sokajy: Indonezia, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona
Let West Papua Vote Interbational Campaing. Picture by Free West Papua Campaign Twitter. Available to the Public [1]

Loharanon-tsary: Hetsika Afaho i Papoazia Andrefana

Ny hetsika ‘Afaho Papoazia Andrefana’ dia mangataka [2] amin'ny mpiserasera handefa sary manohana ny diezy #LetWestPapuaVote.

Faritanin'i Indonezia i Papoazia Andrefana ankehitriny, saingy misy ny hetsika ao anatiny sy ivelan'ny [3] firenena mitaky ny fametrahana ny fahaleovantenany. Ny hetsika ao amin'ny media sosialy mampiroborobo ny diezy #LetWestPapuaVote dia mikendry [4]ny hahazo fanohanana ara-potoana avy amin'ny fiarahamonina iraisam-pirenena amin'ny fivorian'ny Parlemantera Iraisam-pirenena ho an'i Papoazia Andrefana (IPWP) ao amin'ny Antenimieram-pirenen'i Angletera amin'ny 3 May.

Manazava ny hetsika:

This meeting is very important, as it will mark the official call for an internationally supervised vote in West Papua by the end of the decade.

Tena zava-dehibe io fivoriana io, satria hanamarika ny antso ofisialy hanaovana fifidianana arahin'ny iraisam-pirenena maso ao Papoazia Andrefana ao anatin'ny folo taona.

Tantara fohy momba ny tolon'i Papoazia Andrefana

Nozanahan'i Holandy tamin'ny taona 1898 i Papoazia Andrefana. Rehefa afaka 62 taona, nanomboka nanomana ny fahaleovantenan'i Papoazia Andrefana ny ny governemanta Holandey. Tamin'ny 1961, nanambara ny fahaleovantena ny vahoakan'i Papoazia Andrefana ary nanangana ny sainam-pirenenan'izy ireo vaovao – “Kintana Fitarikandro”.

Nanafika an'i Papoazia Andrefana avy eo ny miaramila Indoneziana. Tamin'ny 1969, natao ny latsa-batom-bahoaka izay solontena 1 000 nofantenin'ny miaramila Indoneziana no nanapa-kevitra fa hijanona ho anisan'ny faritanin'i Indonezia i Papoazia. Nantsoina [5] hoe ‘Lalànan'ny Safidy Malalaka’ izany na nolazain'ny Papoàna nasionalista ho “Lalànan'ny Tsy Nisy Safidy’ aza.

Voampanga ho manao fihoaram-pahefana maty paika amin'i Papoazia Andrefana i Indonezia. Misy ny tatitra momba ny fandefasana miaramila mafonja hifehy ny faritra izay niteraka fanitsakitsahana mahery vaika ny zon'olombelona. Mandritra izany fotoana izany, noraisina [6] ho vondrona mpampihorohoro ny hetsika fahaleovantena. Hentitra dia hentitra ny fanarahamaso ny fandrakofam-baovao momba an'i Papozia Andrefana hany ka vitsy ny vaovao [7] mikasika ny tena zava-misy momba ny olona ao amin'ny faritany. Iray amin'ireo faritany manana harena voajanahary ao Indonezia i Papozia Andrefana, na dia manana taha avo amin'ny fahantrana aza.

Satria mbola mitohy ny ‘fibodoan'i” Indoneziana an'i Papoazia Andrefana, nihitatra ny hetsika manohana ny tolona ho amin'ny fahaleovantena. Mpahay lalàna [8]sy parlemantera [9]sasantsasany  manerantany no nanohana ny hetsika mandrisika an'i Indonezia mba hikarakara latsa-batom-bahoaka hafa mikasika ny zon'i Papoazia Andrefana hanapa-kevitra ho an'ny tenany.

#LetWestPapuaVote (Avelao Handatsa-bato i Papoazia Andrefana)

Mandrisika ny mpiserasera haoaka sary ao amin'ny media sosialy ny fisantarana andraikitra ankehitriny tarihin'ny ‘HetsikaAfaho Papoazia Andrefana ao Aostralia ‘ ahafahana manery bebe kokoa ny governemanta Indoneziana. Ireto ambany ireto ny sary avy amin'ireo olona efa nanatevin-daharana ny hetsika:

Source: Free West Papua Campaign Australia / Facebook [10]

Sary: Hetsika “Free West Papua”Aostralia / Facebook

Source: Free West Papua Campaign Australia / Facebook [11]

Sary: Hetsika “Free West Papua” Aostralia / Facebook

Source: Free West Papua Campaign Australia / Facebook [12]

Sary: Hetsika “Free West Papua” Aostralia / Facebook

Source: Free West Papua Campaign Australia / Facebook [13]

Sary: Hetsika “Free West Papua” Aostralia / Facebook

Source: Free West Papua Campaign Australia / Facebook [14]

Sary: Hetsika “Free West Papua” Aostralia / Facebook