Niditra Tao Amin'ny Media Sosialy Hisian'ny Fanohanana Manerantany Ny Hetsika ‘Afaho i Papoazia Andrefana’

Let West Papua Vote Interbational Campaing. Picture by Free West Papua Campaign Twitter. Available to the Public

Loharanon-tsary: Hetsika Afaho i Papoazia Andrefana

Ny hetsika ‘Afaho Papoazia Andrefana’ dia mangataka amin'ny mpiserasera handefa sary manohana ny diezy #LetWestPapuaVote.

Faritanin'i Indonezia i Papoazia Andrefana ankehitriny, saingy misy ny hetsika ao anatiny sy ivelan'ny firenena mitaky ny fametrahana ny fahaleovantenany. Ny hetsika ao amin'ny media sosialy mampiroborobo ny diezy #LetWestPapuaVote dia mikendry ny hahazo fanohanana ara-potoana avy amin'ny fiarahamonina iraisam-pirenena amin'ny fivorian'ny Parlemantera Iraisam-pirenena ho an'i Papoazia Andrefana (IPWP) ao amin'ny Antenimieram-pirenen'i Angletera amin'ny 3 May.

Manazava ny hetsika:

This meeting is very important, as it will mark the official call for an internationally supervised vote in West Papua by the end of the decade.

Tena zava-dehibe io fivoriana io, satria hanamarika ny antso ofisialy hanaovana fifidianana arahin'ny iraisam-pirenena maso ao Papoazia Andrefana ao anatin'ny folo taona.

Tantara fohy momba ny tolon'i Papoazia Andrefana

Nozanahan'i Holandy tamin'ny taona 1898 i Papoazia Andrefana. Rehefa afaka 62 taona, nanomboka nanomana ny fahaleovantenan'i Papoazia Andrefana ny ny governemanta Holandey. Tamin'ny 1961, nanambara ny fahaleovantena ny vahoakan'i Papoazia Andrefana ary nanangana ny sainam-pirenenan'izy ireo vaovao – “Kintana Fitarikandro”.

Nanafika an'i Papoazia Andrefana avy eo ny miaramila Indoneziana. Tamin'ny 1969, natao ny latsa-batom-bahoaka izay solontena 1 000 nofantenin'ny miaramila Indoneziana no nanapa-kevitra fa hijanona ho anisan'ny faritanin'i Indonezia i Papoazia. Nantsoina hoe ‘Lalànan'ny Safidy Malalaka’ izany na nolazain'ny Papoàna nasionalista ho “Lalànan'ny Tsy Nisy Safidy’ aza.

Voampanga ho manao fihoaram-pahefana maty paika amin'i Papoazia Andrefana i Indonezia. Misy ny tatitra momba ny fandefasana miaramila mafonja hifehy ny faritra izay niteraka fanitsakitsahana mahery vaika ny zon'olombelona. Mandritra izany fotoana izany, noraisina ho vondrona mpampihorohoro ny hetsika fahaleovantena. Hentitra dia hentitra ny fanarahamaso ny fandrakofam-baovao momba an'i Papozia Andrefana hany ka vitsy ny vaovao mikasika ny tena zava-misy momba ny olona ao amin'ny faritany. Iray amin'ireo faritany manana harena voajanahary ao Indonezia i Papozia Andrefana, na dia manana taha avo amin'ny fahantrana aza.

Satria mbola mitohy ny ‘fibodoan'i” Indoneziana an'i Papoazia Andrefana, nihitatra ny hetsika manohana ny tolona ho amin'ny fahaleovantena. Mpahay lalàna sy parlemantera sasantsasany  manerantany no nanohana ny hetsika mandrisika an'i Indonezia mba hikarakara latsa-batom-bahoaka hafa mikasika ny zon'i Papoazia Andrefana hanapa-kevitra ho an'ny tenany.

#LetWestPapuaVote (Avelao Handatsa-bato i Papoazia Andrefana)

Mandrisika ny mpiserasera haoaka sary ao amin'ny media sosialy ny fisantarana andraikitra ankehitriny tarihin'ny ‘HetsikaAfaho Papoazia Andrefana ao Aostralia ‘ ahafahana manery bebe kokoa ny governemanta Indoneziana. Ireto ambany ireto ny sary avy amin'ireo olona efa nanatevin-daharana ny hetsika:

Source: Free West Papua Campaign Australia / Facebook

Sary: Hetsika “Free West Papua”Aostralia / Facebook

Source: Free West Papua Campaign Australia / Facebook

Sary: Hetsika “Free West Papua” Aostralia / Facebook

Source: Free West Papua Campaign Australia / Facebook

Sary: Hetsika “Free West Papua” Aostralia / Facebook

Source: Free West Papua Campaign Australia / Facebook

Sary: Hetsika “Free West Papua” Aostralia / Facebook

Source: Free West Papua Campaign Australia / Facebook

Sary: Hetsika “Free West Papua” Aostralia / Facebook

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.