Praiminisitr'i Polonina Maniry Fandraràna Mafimafy Kokoa Ny Fanalànjaza, Ka Dia Nofenoin'ny Vehivavy Famaritana Mazava Tsara Ny Atao Hoe Fadimbolana Ny Kaontiny Amin'ny Media Sosialy

Meme with the slogan: “Not your brooch!” It's a Polish idiom meaning “Mind your own business”. Prime Minister Beata Szydło is widely known for her taste is huge, extravagant brooches.

Sary manàla azy mivaky hoe, “Tsy Vangovangonao!”— fomba fiteny Poloney midika hoe “Ny Anao Jerena/Ny asanao atao.” Diso fantatra loatra amin'ny haben'ny fitiavany sy ireo vangovangony matevina be ny Praiminisitra Beata Szydło. Sary manàla azy nataon'i Michał Rafał Gortat, Sary an'i Piotr Grzybowski, fampiasàna nahazoana alàlana.

Herinandro latsaka izay, niteny ny fanohanany ny toldalàna iray tao amin'ny parlemanta ho fandraràna tantera ny fanalànjaza ny Praiminisitra Poloney Beata Szydło, mpikambana ao amin'ny governemanta nasionalista natsangan'ny Antoko Lalàna sy Rariny. Ireo lalàna Poloney amin'izao fotoana izao mifehy ny dingana arahana dia efa heverina be ho anisan'ny henjana indrindra ao Eoropa, manome alàlana fotsiny ihany “raha toa ilay vohoka ka vokatry ny herisetra voaporofo, fifamotoran'ny niteraka sy ny nateraka, na fanolanana, na misy loza mitatao amin'ny fiainan'ilay vehivavy, na misy tsy fahatomombanana tanteraka hatrany am-bohoka ny zaza”.”

Novalian'ireo mpanakiana an'i Szydło ety anaty serasera ny fanohanany ny handraràna henjankenjana kokoa ny fanalànjaza, tamina hanihany kidaladala tety anaty media sosialy. Taorian'ny sasakalin'ny 4 Aprily, tamin'ny fampiasàna ny dika roa amin'ilay fiteny hoe “fotoana” (izay misy amin'ny teny Poloney,  toy ny amin'ny teny Anglisy koa), nipoitra ny hetsika Facebook iray antsoina hoe “Fotoana Mavesatra Ho An'ny Governemanta”, mandrisika ireo vehivavy handefa hafatra amin'ny antsipirihany ny famaritany ny fotoanany (fadimbolana) tao amin'ny pejy Facebook ofisialin'ny Praiminisitra, ary hanoratra taratasy ho azy sy hiantso an-telefaona ny biraony. “Te-hanaraka maso akaiky ny tranonjaza, ny fihary atodinaina, ary ny vohoka entintsika ny governemanta Poloney. Tsy tsara ve raha miasa saina be loatra tahaka izany ry zareo? Aleo hamoraintsika ny asan'izy ireo: Ndao ampahafantarina ny Praiminisira Mrs Beata Szydło ny mikasika ny antsipirihany amin'ny tsingerin'ny tsirairay amintsika, ” hoy ny nosoratan'ireo mpikarakara tao amin'ny pejin'ilay hetsika.

Namaly tambabe ireo Poloney. Ohatra, iray fotsiny amin'ireo hafatra avy ao amin'ny pejy Facebook ofisialiny no nahazo fanehoankevitra mihoatra ny 45 arivo, maro no voamarika amin'ny tenifototra #TrudnyOkres (“FotoanMavesatra”). Betsaka ny ohatra manaraka:

Malina Prześluga-Delimata: Szanowna Pani Premier Beato, informuję, że mój cykl przebiega w porządku. Okres dostałam punktualnie (cykl trwa 31 dni), pierwszego dnia bolało tak jak zawsze (na czworakach do domu i termofor) ale potem poszło gładko i już jestem po:) Dni płodne mam za jakieś 5-6 dni, ale wyjeżdżam z Polski na tydzień i nie będziemy się z mężem widzieć przez całą owulację. Dziękuję, że rząd tak bardzo interesuje się mną i moim potencjałem rozrodczym, fantastycznie jest wiedzieć, że za moment będę mogła zrzucić odpowiedzialność za mój rozród na kogoś innego. Będę informować na bieżąco. #TrudnyOkres

Malina Prześluga-Delimata: Ry Beata, Praiminisitra malala, mampahafantatra [anao] aho fa mandeha tsara ny fadimbolako. Tonga ara-potoana ny fotoanako (31 andro no faharetan'ny tsingeriko). Ny andro voalohany, maharary toy ny mahazatra (nandady aho niverina nody ary nampiasa ” thermophore”),  saingy nihanalefaka ilay izy hatreo ary efa tapitra izy izao 🙂 Hanomboka afaka 5-6 andro ny fotoana maha-lonaka ahy, saingy handao herinandro an'i Polonina aho ka tsy hahita ny vadiko mandritra izany fotoana izany! Isaorana ny governemanta tamin'ny fahalinany be amin'ny fahafahako miteraka, tena zavadehibe ny mahalala fa io andraikitra goavana be amin'ny fahafahako manome taranaka io dia lasa raharahan'olona hafa no niafaràny. Manome vaovao anao eo ihany aho #FotoanaMavesatra

Urszurla Łobodzińska: Szanowna Pani Premier! Spóźnia mi się okres. Może to już ten czas! Nie mam żadnych dochodów i będę samotną matką, więc kwalifikuję się na program 500+. Czy to znaczy, że 500 zł będzie mi wypłacane co miesiąc od momentu połączenia się żeńskiej i męskiej komórki rozrodczej? Czy, jeśli poronię 500 zł zostanie mi wypłacone za wszystkie miesiące ciąży? #TrudnyOkres

Urszurla Łobodzińska: Ramatoa Praiminisitra Malala, tara ny fotoanako. Angamba tonga izao ny fotoana? Tsy manana fidirambola aho sady reny mananontena ka angamba mba afaka misoratra amin'ilay fandaharanasa 500+ ve ? Midika ve izany fa mety hahazo ny 500 zl ho ahy aho isambolana mandritry ny fitondràna vohoka, manomboka amin'ny fikambanan'ireo tsirinaina lahy sy vavy? Raha toa ka afa-jaza aho, mety hemerina ny vola naloa nandritry ny volana nitondrako vohoka ve? #FotoanaMavesatra

Fandaharanasan'ny governemanta ilay 500+ , anomezana vola ho an'ireo ankohonana manana zaza mihoatra ny iray—tsy ijerena izay sàtany ara-bola— 500 zl fanampiny (manodidina ny 135 USD) isambolana. Tsy afaka misoratra hahazo azy io ireo tokantena mitaiza irery ny zanany. Ilay tolodalàna mandràra ny fanalànjaza dia mamaritra ny fotoana ikambanan'ny atodinaina lahy sy vavy ho toy ny fotoana fanombohan'ny atao hoe olombelona (miaraka amin'izay tohiny sy vokany rehetra araka ny lalàna ampiharina amin'ny famonoana olona).

Marcin Kozłowski: Szanowna Pani Premier!
Czy troska Rządu i Episkopatu o narządy rozrodcze obywateli obejmuje też mężczyzn? Czy powinniśmy przesyłać na ręce Pani Premier okresowe raporty z rodzaju noszonej bielizny (podobno za ciasne slipy mogą prowadzić do obniżenia płodności) i rozliczać się z niewykorzystanych prawidłowo do prokreacji plemników? Czy formularz protokołu zniszczenia towaru będzie odpowiedni? I czy wystarczy wysyłać go mailem czy raczej tradycyjną pocztą na adres Kancelarii Premiera oraz Sekretariatu Konferencji Episkopatu Polski za potwierdzeniem odbioru? #TrudnyOkres

Reply: Magda Ostaszewska: To są bardzo ważne pytania. Myślę, że powinien Pan je wysłać oficjalnym listem za potwierdzeniem odbioru. Termin odpowiedzi na zapytanie obywatela wynosi zdaje się 30 dni.

Marcin Kozłowski: Ramatoa Praiminisitra, tafiditra amin'io fijerena lalina ny taovam-pananahan'ny olompirenena, nasehon'ny governemanta sy ny Fitondran'ny fiangonana io koa ve ny lehilahy? Tokony hanomboka hametraka any aminareo karazana tatitra momba ny atinakanjo ampiasainay ve izahay (lazaina mantsy fa mety hahamomba ny fanaovana atinakanjo tery loatra), tsy tokony horaisina ho tomponandraikitra ve izahay amin'ny tembo tsy nampiasaina ho amin'ny fampitomboana taranaka? Ho azo ampiharina ve ny endrika  “fanimbàna entambarotra”? Afaka alefanay mailaka ve ilay izy sa amin'ny fomba tranainy, ny paositra? Tokony ho any amin'ny biraonao no alefa sa angamba any amin'ny adiresin'ny Fitondrana ny fiangonana, miaraka amin'ny rosia fanamarinam-paharaisana? #FotoanaMavesatra

Reply: Magda Ostaszewska: Fanontaniana tena mavesadanja ireo. Everiko ianao, andriamatoa, fa tokony handefa azy ireny amin'ilay fomba tranainy, asiana rosia fanamarinam-paharaisana. Manodidina ny 30 andro eo ho eo ny fotoana famaliana.

Anna Dryjańska: Szanowna Pani Premier, w ramach ułatwienia Pani zarządzania moją macicą, pragnę udostępnić Pani aplikację na smartfona, w której zaznaczam kiedy mam okres. Dzięki temu będzie Pani cały czas na bieżąco. W razie potrzeby udostępnię dane również ginekologom z episkopatu. Proszę o kontakt na priv. ♥ #trudnyokres

Ry Praiminisitra malala, mba hahamoramora ny asanao amin'ny fitantanana ny tranonjazako, tiako ny mizara aminao ny fampiasa entiko anamarihana isak'izay mihetsika ka tonga fotoana aho. Mba mifanaraka amin'ny  fotoana rehetra hatrany ny zavatra azonao amin'izay. Azoko zaraina koa izy io ho an'ireo mpahay momba ny resaka fananahana ao amin'ny Fitantanana ny fiangonana. Mandefasa fotsiny hafatra manokana ho ahy. ♥ #FotoanaMavesatra

Avy aminà hetsika mitovitovy amin'izany, nataon'ireo vehivavy tany amin'ny fanjakan'i Indiana any Etazonia no nitsirian'ny hevitra ho an'ilay fanentanana, dia ireo vehivavy izay nanomboka niventy mafy teo amin'ny biraon'ny Governora Pence, tamin'ny faran'ny herinandro lasa ny antsipirihany ny antson'izy ireo momba ny fadimbolany, hanoherana tolodalàna iray mandràra ny fanalànjaza.

Tsy ampy andro iray akory, na teo aza ny ezak'ilay pejy hamafa ireo fanehoankevitra naharikoriko, an'aliny ireo fanehoankevitra no tavela teo amin'ny pejin'ny Praiminisitra Beata Szydło (ary mitombo hatrany ny isan'izy ireny), nahasarika avy hatrany ny sain'ireo media Poloney. Nisidina ambony ihany koa tao aminìny Twitter ny tenifototra #TrudnyOkres (FotoanaMavesatra), nahitàna mpampiasa anjatony namaritra ny fahasarotan'ny fadimbolan-dry zareo tamin'ny fitanisàna ny kaonty ofisialin-dramatoa Szydło tao amin'ny Twitter.

Nanoratra i  @a_meba mpampiasa Twitter hoe :

Ry @BeataSzydlo/@EpiskopatNews malala: Aholankolan'ny fanaintainana mandrakariva aho, saingy nandritra ity fotoana ity dia tsy nahatsapa na inona na inona. Nanota ve aho?

@Julian82Nowak nanoratra hoe :

Toa hoe ho #FotoanaMavesatra ny an'ny governemanta aoriana kely ao

@Hydrochoreus nanoratra hoe :

 #FiovànaTsara iray* niafara tamin'ny #FotoanaMavesatra [“ny fiovàna tsara iray” dia teny faneva amin'ny fampielezanevitry ny parlemantera avy amin'ny Lalàna sy Rariny hiatrehany ny fifidianana]

Feno sary isankarazany fanalàna azy mivezivezy be ary tsy misy anarana aty anaty serasera, isan'ireny ity ohatra manaraka ity :

Bloody mondays!!!

Ny tanjona faran'ity hetsika ity ve? Nolazain'ireo mpikarakara fa ho fanampiana ny praiminisitra hitsakotsako sy hitelina ny teny navoakany daholo izany rehetra izany. : “Aleo omentsika azy ireo izay tena notakian-dry zareo: fifehezana tanteraka ny resaka taova fananahana ary fanarahana maso tanteraka ny maha-vehivavy antsika. Ary hanaovana izay mba hiainan-dry zareo ny tena FOTOANA IRAY MAVESATRA .”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.