- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hitondra Fahasahiranana Ho An'olona Maro Ao Kazakhstan Ny Facebook

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Kazakhstan, Fanampenam-bava, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia
Stock photo from Pixabay. Licensed for reuse.

Angon-tsary [1] avy amin'ny Pixabay. Nahazoana alalana mba hampiasaina indray.

Lahatsoratra niarahana niasa tamin'ny EurasiaNet.org [2] nosoratan'i Aigerim Toleukhanova [3] ity manaraka ity. Naverina navoaka rehefa nahazoana alàlana.

Mpikatroka ara-politika roa ao Kazakhstan no taitra nahalàla [4] tamin'ity taona ity fa mety hiteraka fahasahiranana ireo hafatra amin'ny Facebook. Ary tsy izy ireo irery izany.

Nanao tatitra [5] ny tambajotram-baovao Pavlodar-Online tamin'ny 30 Martsa teo, fa ny lehiben'ny orinasa iray mpamokatra zvatra simika dia nanenjika mpanao gazety iray eo antoerana, Alexander Baranov, aminà fitakiana onitra 10 tapitrisa tenge (29.000 Dolara) noho ny fanalàna baraka tao amin'ireo lahatsoratra teny amin'ny vovonan'ny media sosialy.

Yerlan Kusanov, tale taloha tao amin'ny Pavlodar, monina any Neftehim Ltd, nilaza tao anatin'ny fitarainany fa ampiasain'i Baranov ny pejiny Facebook mba hilazàna fa nandao ny asany ilay tompon'andraikitra taorian'ny loza nitranga tao amin'ny orinasany. Araka ny fitantaran'i Kusanov tao anaty lahatsoratra, nanamafy i Baranov fa mpiasa telo no maty ary roa hafa no niharan'ny fahamaizana lalina raha niasa tao Neftehim. Nampangain'i Kusanov koa i Baranov noho ny nampidirany ilay orinasa mpamoaka vokatra simika ho manao asa tsy ada-dalàna.

Milaza i Kusanov fa tsy afaka intsony hahita asa noho ny fanozongozonana ny lazany naterak'ireo lahatsoratr'i Baranov.

Tao anaty fihainoana voalohany, nihetsika mba haka pikantsarin'ny fafàna misy ireo hafatra mandratra heverina ho porofo ny mpisolovava an'i Baranov, nilazany fa nisy fahasamihafana teo amin'izy ireo sy ny dikany tena niandohàny.
Fantatra fa amin'ny volana Aprily ny fihainoana hafa.

Fahiny dia niantefan'ny tsikera [6] i Kazakhstan noho ilay faritan'ireo mpisolovava mpiaro zo ho toy ny onitra tafahoatra momba ny fanalàm-baraka, matetika miantefa any amin'ireo mpanao gazety.

Manamafy ireo mpiandany amin'ny onitra henjana napetraka ho an'ny fanalàm-baraka, fa natao hitsinjovana ny tsirairay amin'ireo teny fanalàm-baraka heverina ho henjana sy mamoa-doza ilay lalàna. Marobe no mino fa mandray vola amin'ny fomba tsy ara-dalàna ny sasany amin'ireo mpanao gazety ao Kazakhstan mba hanoratàna zavatra manohintohina ny asa fandraharahan'ireo mpifaninana aminy.

Ny asa Facebook tsy misy fitandremana ihany koa dia manokatra varavarana ho amin'ny fanenjehana ireo mpampiasa azy amin'ny resaka heloka bevava.

Ao amin'ny tanàna atsimon'i Kyzylorda, vehivavy iray no nandoa onitra efa ho 64.000 tenge (185 dolara) vokatry ny nampiasany ny pejiny Facebook mba hilazàna fa nisy heloka bevava nitranga tao amin'ireo efitrano fonenana manodidina azy.

Nitatitra [7] ny Kazinform, masoivohom-baovao an'ny fanjakàna,  fa  toa fosafosa misavovona avy amin'ny olona iray hafa mpoifanolo-bodirindrina no navoakan'ilay vehivavy.
Tratry ny hadisoana faritan'ny lalàna izay manao ny fanaparitahana vaovao tsy marina ho tsy ara-dalàna sy mety hanelingelina ny filaminam-bahoaka ilay mpanitsakitsaka lalàna.