- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Japana Sy Ny Serizy Mamelana Mahafinaritra Ao Aminy

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Mediam-bahoaka, Saripika, Tontolo_iainana, Vaovao Tsara
Cherry blossom viewing in Japan

Fanilo manazava ao amin'ny Doanin'i Kanegasaki ao Tsuruga, Fukui. Sary avy amin'i Nevin Thompson.

Faran'ny volana marsa sy fanombohan'ny volana avrily no fotoana famelan'ny serizy maro dia maro ao Japan.

Antenaina hamony fatratra ny serizy mamelana amin'ny faran'ny volana marsa sy fanombohan'ny volana avrily, izay tena manamarika tokoa ny fanombohan'ny taona Japoney.

A photo posted by しぃ 。 (@shiinyanko77) [1] on

Amin'ny volana avrily no fanombohan'ny taom-pianarana, ary eo ihany koa ny mpiasa vaovao no manomboka ny asa. Ny famelan'ny serizy no heverina hiarahabana ny rehetra ho nahatratra ny taona vaovao. Vao haingana teo, noho ny fikorontanan'ny toetrandro, lasa mamelana herinandro na tapablana mialoha ny hazo serizy.

This is #Yoshino #吉野 in NARA [2]

A photo posted by JapanGram 🇯🇵 いいね!ニッポン。 (@this_is_japan) on


Niara-niasa ny famelan'ny serizy sy ny toetrandro tamin'ny 2016. Ao anatin'ny fotoana vitsivitsy, mitsahatra amin'ny ataony avokoa ny rehetra hamelatra labasy manga amin'ny tany ary hankafy ny famelan'ny serizy eo am-pihinanana, am-pisotroana, ary matetika eo am-pihirana araka izay tratra.

Yoshino [3], ao amin'ny prefektioran'i Nara ao atsimo, no iray amin'ny toerana malaza indrindra (sy sarotra andehanana indrindra) ijerena ny famelan'ny serizy. 

A photo posted by Asuka(明日香) (@_asuka_asuka_) [4] on


Kirihitra hazo serizy ambony sy ambanin'ireo havoana mahatonga ny toerana ho mahavalalanina.

A photo posted by @mao_saori [5] on


Karazana hazo serizy samy hafa no nambolena araka ny haavon-toerana ao Yoshino, ka mahatonga ny hazo serizy mamelana amin'ny fotoana samihafa amin'ny lohataona.

#yoshinoyama #吉野山 😍🌸 [6]

A photo posted by Lena 🍫🍰🍮🍵 (@lleffox) on


Raha mamelana amin'ny volana marsa sy avrily ny ankamaroan'ny hazo serizy manerana an'i Japan, dia tsy manomboka mamelana kosa ny any amin'ny faritra mangatsiaka kokoa any avaratra atsinanana, izay lavalava kokoa ny ririnina, raha tsy amin'ny faramparan'ny volana avrily.

Inty ny “hazo malahelo” serizy [7] malaza akaikin'ny tanànan'ny mpanjono ao Obama [8], tokony ho roa ora ao avaratr'i Kyoto.

A photo posted by Masato Kawakatsu (@masattoh) [9] on


Nampilaharana hazo serizy, izay hazavaina amin'ny alina ny famoniny, ny tokotanin'ny tranomanda ao afovoan-tanànan'i Fukui [10] manaraka ny morondranomasin'i Japan. 

A photo posted by tkeuchi_ryoutarou (@riyo_take) [11] on


Zaridainan'i Ueno [12] ao Tokyo angamba no toerana malaza indrindra fijerena ny famelan'ny serizy ao amin'ny faritra manodidina an'i Tokyo, raha tsy manerana an'i Japan. Isaky ny lohataona, olona an'hetsiny no mitsidika ny zaridainan'i Ueno hijery an'izany serizy mamelana izany.

A photo posted by yuka (@yuka_tokyoadvisor) [13] on


Mamelatra labasy manga amin'ny tany ny fianakaviana na vondrona mpinamana hihinana, ary amin'ny ankapobeny hiala voly ambanin'ny serizy mamelana. Maro ny toeram-piasana no hanomana “fivoahana an-tsaha” ijerena serizy mamelana fotsiny. 

A photo posted by viachesiva (@viachesiva) [14] on


Masiaka ihany amin'ny ankapobeny ny toetrandro. Raha avy ny orana dia midika fiafaran'ny fotoana famelan'ny serizy haingana dia haingana izany, satria entin'ny orana ny vonin'ny hazo. Saingy andro tsara aloha no mihaodihaody manodidina.

A photo posted by Ichina Kurita (@ichina.k) [15] on

The Asuwa River in Fukui City.

Ny reniranon'i Asuwa ao an-tanànan'i Fukui

Raha fohy dia fohy ihany ny faharetan'ny famelan'ny serizy, dia io no fotoana ankafizin'ny maro amin'ny Japoney indrindra ao anatin'ny taona. Mifantoka amin'io vanim-potoana fohy io ny olon-drehetra sy ny zava-drehetra.

A photo posted by @xiaoqiume [16] on