Twitter Mandritra Ny Taona maro: Ny Fanontàn'ny RuNet

Dmitry Medvedev opened his Twitter account at the network's HQ in Silicon Valley in June 2010. Image from kremlin.ru.

Nanokatra ny kaonty Twitter-ny tao amin'ny tambajotra HQ tao Silicon Valley i Dmitry Medvedev ny volana Jona taona 2010. Sary avy amin'ny kremlin.ru

Taiza ianao tamin'ny fotoana namoahan'i Alexey Navalny na Dmitry Medvedev ireo bitsika voalohany nalefany?

Ho an'ny fankalazana ny faha-10 taonan'ny Twitter, namoaka tantara miavaka antsoina hoe “Long Story Short,” ilay Rosiana mpamoaka vaovao Kommersant, tamin'ny “fanangonana ireo bitsika ampolony tena miavaka indrindra” inoan'ireo mpanao gazetin'ny Kommersant fa fitaratra tsara indrindra ho an'ny fitomboan'ny dindon'ny tolotry ny sehatra fanoratana bilaogy bitika teny an-kianjan'ny fifandraisana, ny vaovao, ny politika ary ny fiarahamonina.

Mitety taona maro ireo bitsika hatramin'ny niforonan'ny Twitter ka hatramin'izao androntsika izao , sady mitondra fahatsiarovana sasany amin'ny fotoana tena mahafaly sy mampalahelo tao anatin'ny tantara vao haingana: ny fahitàna rano teny amin'ny planeta Mars; ny fampidirana ireo tenifototra; ny fahafatesan'i Michael Jackson; ireo fihetsiketsehana tao Tonizia sy ny sisa tavela tamin'ny Lohataona Arabo; #OccupyWallStreet; ireo zera baomba tao Boston; ny Papa Romana sy Dalai Lama niakatra Twitter; ny Ice Bucket Challenge; ary ireo marobe hafa.

Betsaka tamin'ireo bitsika “tantara” nofantenan'ny Kommersant no avy tamin'ny sampana Twitter Rosiana. Mandika ireo hafatra miavaka ny RuNet Echo – ary ireo mpamoaka tatitra ao amin'ny Kommersant kosa mitsikera – eto ambany (fanamarihana: nalahatra manaraka ny fotoana nahatongavany ireo bitsika, araka ny nisehoany tao amin'ny Twitter).

Novambra 2009: mibitsika momba ny kolikoly i Navalny

Omenay henatra ny VTB. Oh, ary izao koa, ity no bitsika voalohany nataoko.
Tsikera: Tao anatin'ireo andro voalohany nanaraka ny fanadihadiana mikasika ny Banky VTB, “Ahoana no fomba fangalaran'izy ireo ao amin'ny VTB,” no nambara teo amin'ny bilaogy malaza LiveJournal an'i Alexey Navalny ary teo amin'ny kaonty vaovao Twitter-ny, olona miisa 7 alina no namaky an'io.

Jona 2010: mandefa bitsika misy diso tsipelina i Medvedev

Miarahaba ny rehetra! Eto amin'ny Twitter aho ary ity no hafatro6 voalohany!
Tsikera: ny kaontin'i Medvedev, izay nisy mpanaraka betsaka indrindra ao amin'ny Twitter RuNet, dia voarakitra ao amin'ny tambajotra HQ ao California, izay avy eo notsidihan'ny Filoha malaza Medvedev ny taona 2010.

Jona 2010: Ny Filoha Rosiana sandoka nalaza indrindra tsy mbola nisy hatrizay

Miarahaba ny rehetra! Eto amin'ny Twitter aho ary ity no hafatrob voalohany indrindra!
Tsikera: Iray amin'ireo sehatra fitorahana bilaogy madinika indrindra eo amin'ny sampana Twitter Rosiana, nalefa ny  KermlinRussia, ho sahala amin'ny fakàna tàhaka mahatsikaiky ny kaonty Twitter ofisialin'ny Filoha Rosiana (andro vitsy monja taorian'ny nandefasan'i Medvedev ny azy).

Fa ankoatr'izay, fotoana vitsy tamin'ny taona 2009-2010, maro ireo mpitondra fahazavana amin'ny aterineto Rosiana, ireo mpanao gazety sy mpanao politika no nandefa ireo bitsika nataony voalohany .

Jolay 2010: tondraka noho ireo orambe maro i Maosko

Screen Shot 2016-03-18 at 8.25.59 PM

“Ny Orana” anaram-bositra vaovaon'i Poutine
Tsikera: Taorian'ny orambe nivatravatra tao Maosko, sambany nasongadina tao amin'ireo lohahevitra nironana be top-10 Twitter-n'izao tontolo izao ny teny Rosiana (дождь—”orana”) . Ny teny Rosiana faharoa izay nisy lanjany, volana dimy taty aoriana dia ny “Manezhnaya” (kianja).

Oktobra 2010: mahita kankana ao anaty saladiny tao Kremlin ny governoran'i Tver

worm-zelenin
Screen Shot 2016-03-18 at 8.41.15 PM

@DZelenin: Mitranga koa izany hatrany amin'ny efitranon'i Alexandrovsky. Mandroso hena voaendy miaraka amin'ny salady mifangaro kankana velona ry zareo
Tsikera: Dmitry Zelenin, governoran'ny faritr'i Tver tamin'ny taona 2010, namoaka bitsika iray misy sary avy amin'ny fisakafoanana hariva tao Kremlin. Nalàna haingana ilay bitsika, ary enimbolana taty aoriana nametra-pialàna i Zelenin.

Desambra 2010: nigadra i Khodorkovsky

#yukos Khodorkovsky and Lebedev, after the first lines of the verdict have been read, have lost interest in the proceedings, it seems   …….#yukos Khodorkovsky sy Lebedev, toy ny tsy liana intsony amin'izay tohin'ny raharaha ry zareo taorian'ny namakiana ireo andalana voalohany tamin'ny didim-pitsaràna
Tsikera: Na nobitsihana nivantana aza ireo zotram-pitsaràna tao Rosia nandritra ny taona maro (tafiditra tamin'izany ny tranga Yukos-n'i Khodorkovsky), tamin'ny Desambra 2012 ihany no nanome alàlana ofisialy hanaovana fibitsihana mivantana ny Fitsarana Antampony.

Aogositra 2013: namely indray ny lainga be momba ny fahafatesan'i Gorbachev

ria-gorby-hoax

@riapress: maty tao amin'ny fisotroana cafe SHOKO, Yekaterinburg i Mikhail Gorbachev. Niadi-hevitra an-databatra niaraka tamin'i Yevgeny roizman mikasika ireo fifidianana ho avy izy tamin'izay.
Tsikera: Ho valin'ny bitsika nalefan'ireo mpijirika izay nanodina ny kaonty Twitter-n'ny ivon-toerana fampahalalam-baovao RIA Novosti, nilaza ny filohan'i USSR teo aloha fa: “Velona sy salama tsara aho. Ajanony ny fanosihosena an'i Gorbatchev, toy ny voalazan'izy ireo.”

Desambra 2013: Andao isika hilalao ny Putin Bingo

And also, WE BEGIN THE #putinbingo GAME:
OPTION 1
OPTION 2
OPTION 3

Ary koa, ATOMBONTSIKA NY LALAO #putinbingo :
SAFIDY 1
SAFIDY 2
SAFIDY 3

SibcuGF
Tsikera: nambara tao amin'ny Twitter sady nampikatso ny ny asan'ny antsasak'ireo mpiasa birao tao Maosko ny lalao bingo fampifanarahana ireo teny notononin'ny filoha Rosiana nandritra ny fivoriana isantaona fanaony miaraka amin'ny mpanao gazety.

May 2014: Tsy sakanana ny Twitter ao Rosia!

Ampiharina amin'ny rehetra ireo lalàna. Saingy tsara kokoa ireo mpiasam-panjakana sasany mba mieritreritra alohan'ny hanambaràna anaty tafatafa iray fa ho sakanana ireo tambajotra sosialy.
Tsikera: Dmitry Medvedev, praiminisitr'i Rosia ankehitriny, nitsikera an'i Maxim Ksendzov, filoha lefitr'i Roscomnadzor , izay nandrahona ny Twitter ho sakanana ao Rosia.

Aogositra 2014: Bahanan'ny Twitter i Milonov

Screen Shot 2016-03-18 at 9.17.17 PM

@villemilonov: Any amin'ny helo ny Demokrasia, ary misy fanjakana any an-danitra
Tsikera: Ity ny vontoaty iray amin'ireo bitsika farany avy amin'ny mpanao lalàna, Vitaly Milonov, izay naato ny kaonty Twitter-ny noho ny fandikàna ireo fepetra fampiasana ilay tambajotra sosialy.

Oktobra 2014: Mizara ny hakanton'ny eo an-toerana i Kadyrov

Miarahaba! Toy izao no fijery an'i Vedensky rehefa faran'ny volana Oktobra.
Tsikera: Tamin'izay andro izay ihany, ny mpitarika ny Chechnya Ramzan Kadyrov – iray amin'ireo sangany amin'ny sampana Twitter rosiana – nanome tafatafa iray ho an'ny TASS izay nanolorany hevitra hisakanana ny fidirana amin'ny Twitter ao Rosia.

Aogositra 2015: Rosiana Mpanamory mandefa sary avy eny amin'ny habakabaka

Tsikera: Nitifitra sarintena avy ao ambadiky ny Foibe An'Habakabaka iraisam-pirenena ilay Rosiana mpanamory sambondanitra .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.