- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fitsangatsanganana: Mozambika, Toerana Atolotra Ho An'ny Taona 2016

Sokajy: Mozambika, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna, Tsidika, Vaovao Tsara, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT)
Nampula, Moçambique. Foto: Stig Nygaard/Filckr (CC BY 2.0)

Nampula, Mozambika. Sary: Stig Nygaard [1] Flickr (CC BY 2.0)

Tafiditra ao anatin'ny lisitra iray misy ireo toerana 52 natolotry ny New York Times [2] ho an'ireo mpizahatany ho an'ny taona 2016, i Mozambika. Hita eo amin'ny toerana fahafito ilay firenena (ny tananàn'i Meksiko no voalohany), Aseho ho toy ny firenena andalam-pandrosoana azo antoka izy, rakotra valan-javaboahary natoraly mahafinaritra be, ary “ny serizy haingon'ilay mofomamy”, iray amin'ireo firenena mahay mandefitra indrindra aty Afrika mikasika ny zo ho an'ireo vitsy an'isa amin'ny resaka firaisana ara-nofo, miaraka amin'ny fitanisàna ny LAMBDA [3] – fikambanana iray an'ireo olom-pirenena Mozambikàna izay miasa ho an'ny fanekena ny zon'ireoLGBT (firaisan'ny samy vavy, pelaka, manana tava roa ary ireo nanova taovam-pananahana) sy ho an'ny fampitsaharana ny fanaovana ny firaisan'ny mitovy fananahana [4] sy ny fanalàn-jaza [5] tsy ho heloka bevava tamin'ny taona 2015.

Voahodidina moron-tsiraka miavaka izy. Ity eto ambany it  ny moron-dranomasin'i Barra, ao Inhambane:

praia_barra_mocambique

Ny moron-dranomasin'i Barra ao Inhambane, Mozambika. Sary: Andrew Mor [6] / Flickr (CC BY 2.0) [1]

Ao anatin'io filaharana io, mifaninana amin”ireo tanàn-dehibe toa an'i Washington DC (Etazonia), Abou Dhabi (Emirà Arabo Mitambatra) ary Sydney (Aostralia), i Mozambika.

I #Mozambique [7] toerana afrikana voalohany ho tsidihina ny taona 2016 araka ny @nytimes [8]@LeMonde_Afrique [9]pic.twitter.com/Q4MU2dsz4Y [10]

Hitanareo eto [12] ny lisitra feno.