Fitsangatsanganana: Mozambika, Toerana Atolotra Ho An'ny Taona 2016

Nampula, Moçambique. Foto: Stig Nygaard/Filckr (CC BY 2.0)

Nampula, Mozambika. Sary: Stig Nygaard Flickr (CC BY 2.0)

Tafiditra ao anatin'ny lisitra iray misy ireo toerana 52 natolotry ny New York Times ho an'ireo mpizahatany ho an'ny taona 2016, i Mozambika. Hita eo amin'ny toerana fahafito ilay firenena (ny tananàn'i Meksiko no voalohany), Aseho ho toy ny firenena andalam-pandrosoana azo antoka izy, rakotra valan-javaboahary natoraly mahafinaritra be, ary “ny serizy haingon'ilay mofomamy”, iray amin'ireo firenena mahay mandefitra indrindra aty Afrika mikasika ny zo ho an'ireo vitsy an'isa amin'ny resaka firaisana ara-nofo, miaraka amin'ny fitanisàna ny LAMBDA – fikambanana iray an'ireo olom-pirenena Mozambikàna izay miasa ho an'ny fanekena ny zon'ireoLGBT (firaisan'ny samy vavy, pelaka, manana tava roa ary ireo nanova taovam-pananahana) sy ho an'ny fampitsaharana ny fanaovana ny firaisan'ny mitovy fananahana sy ny fanalàn-jaza tsy ho heloka bevava tamin'ny taona 2015.

Voahodidina moron-tsiraka miavaka izy. Ity eto ambany it  ny moron-dranomasin'i Barra, ao Inhambane:

praia_barra_mocambique

Ny moron-dranomasin'i Barra ao Inhambane, Mozambika. Sary: Andrew Mor / Flickr (CC BY 2.0)

Ao anatin'io filaharana io, mifaninana amin”ireo tanàn-dehibe toa an'i Washington DC (Etazonia), Abou Dhabi (Emirà Arabo Mitambatra) ary Sydney (Aostralia), i Mozambika.

I #Mozambique toerana afrikana voalohany ho tsidihina ny taona 2016 araka ny @nytimes@LeMonde_Afriquepic.twitter.com/Q4MU2dsz4Y

Hitanareo eto ny lisitra feno.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.