Fantaro Ilay Filipiana Mpahay Siansa Namorona Ny Videofônina Tamin'ny Taona 1954

Filipino scientist Gregorio Y. Zara demonstrating his invention in 1954: 'telephone television'. Source: National Academy of Science and Technology Philippines / Facebook

Mpahay siansa Filipiana Gregorio Y. Zara mampiseho ny famoronany ny “televiziona-telefônina” tamin'ny taona 1954. Sary: Akademiam-pirenena momba ny Siansa sy ny Teknolojia ao Filipina / Facebook

Sady tsy vazivazy amin'ny fetin'ny lainga ity no tsy tsaho malaza amin'ny aterineto. Tamin'ny 30 Martsa 2016, nandefa sary tao amin'ny Facebook ny Akademiam-pirenena momba ny Siansa sy ny Teknolojia ao Filipina, sarin'ilay injeniera Filipiana Gregorio Y. Zara tamin'ny taona 1954 mampiseho ny zava-noforoniny farany: sady fahitalavitra no telefonina, na videôfônina, nankatoavina ho “tambajotram-pampisarahana marika sary telefonina.

Nanjary nalaza vetivety ny lahatsoratra indrindra teo amin'ireo mpiserasera Filipiana, izay nankasitraka ny fahafantarana fa Filipiana no namorona ny videôfônina tamin'ny fanombohan'ny taona 1950. Ity ny fanazavana feno momba sary tamin'ny Facebook: ​​

Before there was Skype and Facetime, a Filipino scientist invented a television-telephone. Aha!

National Scientist Gregorio Y. Zara, a physicist, invented a device that makes it possible for two persons to see each other on a television while talking on the telephone as early as 1954.

Talohan'ny nisian'ny Skype sy Facetime, namorona ny videôfônina ny Filipiana mpahay siansa iray. Tsara!

Tany am-piandohan'ny taona 1954, mpahay siansa ao amin'ny firenena antsoina hoe Gregorio Y. Zara, fizisiana no namorona ny fitaovana ahafahan'ny olona roa mifankahita amin'ny fahilavitra rehefa miresaka amin'ny telefônina.

Andrim-panjakana mpanolo-tsaina ao amin'ny governemantan'i Filipina ny NAST izay misahana ny siansa sy ny teknolojia. Iray amin'ny andraikiny ny mamantatra sy mankatò izay zava-bita miavaka ataon'ny Filipiana momba ny siansa sy ny teknolojia.

Ankoatra ny videôfônina, manana fankatoavana 30 amin'ny anarany i Zara, anisan'izany ny fitaovana angovo avy amin'ny masoandro, ny milina fanapahana amin'ny helisy, ary maotera fiaramanidina mandeha amin'ny alikaola tsotra ho lasa solika.

Nidera ny zava-bitan'i Zara mpialoha lalana amin'ny fanamboarana videôfônina ny maro tamin'ireo fanehoan-kevitra tao amin'ny media sosialy. Mpianatra maro no mahafantatra an'i Zara ho Filipiana goavana mpahay siansa, saingy vitsy no mahatadidy fa iray amin'ireo zavatra noforoniny ny fitaovana modely santatra fantatsika amin'ny hoe videôfônina.

Mpisera media sosialy hafa kosa nahita ny tantara toy ny porofo fa tsy nahavita nanohana ny asan'ny mpahay siansa sy ny mpitsinjo lavitra tahaka an'i Zara ny fitondram-panjakana teo aloha tao amin'ny firenena.

Tsy misy fanazavana mazava toy ny hoe nahoana ny videôfônin'i Zara no tsy nipaka teny amin'ny tsena ara-barotra, saingy nanamarika ny mpaneho hevitra iray fa ny fampitàna ampiasain'ilay milina dia mitovy amin'ny fandefasana mivantana amin'ny fahitalavitra. Noho izany, “lafo sy sarotra ampiasaina” ilay izy.

Maty tamin'ny 1978 i Zara, saingy velona hatrany ny lova navelany isaky ny misy mpiasa Filipiana any ampitan-dranomasina mifandray amin'ny fianakaviany ao Filipina mampiasa ny videôfônina amin'ny aterineto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.