
Pravit Rojanaphruk mitazona ny kopian'ny drafitry ny lalampanorenana izay tsikerain'ny sasany hanamafy indray ny fitondran'ny miaramila ao Thailandy. Tratra manao ny mariky ny rantsa-tanana telo eto i Pravit, izay mariky ny fanoherana ampiasain'ny hery pro-demokraty ao Thailandy. Saripika: Pravit Rojanaphruk / Facebook
Notsipahin'ny fahefana miaramila Thailandey ny fangatahan'ny mpanao gazety zokiolona iray hanatrika fivoriambe miompana amin'ny Andron'ny Fahalalahan-gazety Manerantany tontosaina ao Finlandy amin'ny 3 Mey ho avy izao.
Namoaka fanavaozam-baovao maromaro ao amin'ny media sosialy tamin'ny tsy fahazoany alalana avy amin'ny governemanta handao ny firenena i Pravit Rojanaphruk, solontenan'ny Vaovao amin'ny teny anglisy ny Khaosod sady fantatra ho mpitsikera ny fitondrana miaramila. Noheverina handeha ho any Helsinki izy hanatevin-daharana ireo mpanao gazety hafa ao amin'ny lanonana ivorian'ny olona avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao karakarain'ny UNESCO.
Hatramin'ny fanonganam-panjakana tamin'ny Mey 2014, tsy nitsahatra ny nitsikera ny fitondrana jadona miaramila tahailandey i Pravit. Indroa nampanantsoina izy ary notazonin'ny [mg] tafika nandritra ny andro vitsivitsy hampanaovina “fanitsiam-pombam-pisainana” ao amin'ny toby miaramila iray, saingy mbola nanohy ny tatitra fitsikerana momba ny zavatra ataon'ny fitondrana ihany izy. Tsy nisy ny fiampangana natao azy, saingy “notorian-kevitra” izy hampitsahatra ny fampielezana vaovao “manakorontan-tsaina” momba ny governemanta. Nolazaina ihany koa izy fa tsy mahazo mandao ny firenena raha tsy mahazo fankatoavana avy amin'ny fanjakana.
Norombahin'ny [mg] Tafika ny fahefana tamin'ny 2014, nandrafitra lalampanorenana vonjimaika izy ary nampanantena fa hamerina ny fahefana hoan'ny sivily aorian'ny fametrahana ny fanitsiana ao amin'ny firenena. Roa taona taty aoriana, mbola mifehy ny fahefana ihany ny tafika, henjana ny fifehezana [mg] ny media ary voarara ny fihetsiketsehana an-dalambe. Iray amin'ireo feo vitsy mbola mitsikera ny endrika jadona ataon'ny governemanta tohanan'ny miaramila hatrany i Pravit.
Eto ambany ny tsanganana Twitter navoakan'i Pravit momba ny fanapahan-kevitry ny manampahefana hitsipaka ny fangatahany hivoaka any ivelany:
Invitation letter 4 World Press Freedom Day conference in Helsinki organized by UNESCO & denied by junta. #Thailand pic.twitter.com/3l1KH3lvad
— Pravit Rojanaphruk (@PravitR) March 31, 2016
Taratasy fanasana hanatrika ny fihaonamben'ny Andro Manerantanin'ny Fahalalahan-Gazety nomanin'ny UNESCO sy notsipahin'ny fitondrana miaramila.
Junta rep. just rang me saying they won't allow me 2 go to Finland per Finland's govt invitation 2 mark Press Freedom Day in May. #Thailand
— Pravit Rojanaphruk (@PravitR) March 30, 2016
Valiny avy amin'ny fitondrana miaramila, niantso ahy an-telefonina fotsiny hoe tsy hamela ahy handeha ho any Finlandy amin'ny fanasan'ny governemantan'i Finlandy hanamarika ny Andron'ny Fahalalahan-Gazety amin'ny volana Mey.
When junta rep. rang me to deliver bad news, he said my trip to Helsinki “has to be postponed”. I asked if it means it's no go. #Thailand
— Pravit Rojanaphruk (@PravitR) March 30, 2016
Raha niantso ahy ny fitondrana miaramila hilaza ny vaovao ratsy, dia nilaza izy fa “mila ahemotra” ny diako mankany Helsinki. Nanontany aho raha izany no atao hoe tsy mandeha.
BBC Thai news asked junta y forbid me from traveling 2 #Finland 2attend World Press Freedom event. Junta rep says can't give info #Thailand
— Pravit Rojanaphruk (@PravitR) March 30, 2016
Nanontany ny fitondrana miaramila ny BBC Thai nahoana aho no voarara tsy handeha ho any Finlandy hanatrika ny lanonan'ny Fahalalahan-gazety. Namaly ny fitondrana miaramila fa tsy afa-manome vaovao ry zareo.
If junta thinks forbidding me to travel abroad would silence me then they're mistaken. Will continue 2 scrutinize&criticize them. #Thailand
— Pravit Rojanaphruk (@PravitR) March 30, 2016
Raha mieritreritra ny fitondrana miaramila fa hampangina ahy ny fandrarana ahy tsy hivoaka any ivelany dia diso hevitra ry zareo. Hanohy ny fikarohana fatratra sy ny fitsikerana azy ireo [aho].
Nilaza i Kirsti Westphalen, Ambasadaoron'i Finlandy miasa ao Thailandy, fa “miala tsiny” [malahelo] amin'ny fanapahan-kevitry ny governemanta Thailandey:
The Embassy of #Finland regrets #Thailand government decision to forbid @PravitR to travel to Helsinki to attend World Press Freedom Day.
— Kirsti Westphalen (@Kwestphalen20) March 30, 2016
Malahelo amin'ny fanapahan-kevitry ny governemantan'i Thailandy handrara an'i @PravitR tsy handeha ho any Helsinki hanatrika ny Andro Manerantanin'ny Fahalalahan-Gazety ny Ambasadin'i Finlandy.