Fanentanana Amin'ny Aterineto Milaza Amin'i Aostralia Hoe “Mbay Tany ity Tànana Amin'ny Solik'i Timor” Raha An'arivony Tao Dili No Nanao Diabe

Demonstrators protest in front of the Australian Embassy in Dili, Timor-Leste. Photo: Acácio Pinto, authorized publication

Mpanao fihetsiketsehana manao fanoherana teo anoloan'ny Masoivohon'i Aostralia ao Dill, Timor-Leste. Sary: Acácio Pinto, famoahana nahazoana alalàna

Ity no endrika iray anaty lahatsoratra amin'ny tantara nosoratan'i Dalia Kiakilir ary navoaka tamin'ny Global Voices amin'ny teyn Portiogey.

Maherin'ny 6.000 ireo teratany Timo-Leste nirotsaka an-dalambe tao Dili renivohitra ny 22 Martsa mba hanohitra ny fandàvan'i Aostralia ny fangatahan'ny governemanta Timorezy mba hiverina hidinika an-databatra hahafahana mamerina ny tsipika mamaritra ireo moron-dranomasina misy eo amin'ireo firenena roa tonta. Nalefa ihany koa ny fanoherana iray ety anaty aterineto mba hanangonana ny fanohanana maneran-tany ho an'i Timor-Leste.

Zanatanin'i Portiogaly i Timor-Leste nandritra ny 400 taona. Ny taona, 1975, notafihan'i Indonezia izy. Nitsahatra ny taona 1999 ny fibodoana, saingy ny taona 2002 vao lasa firenena mahaleotena izy. Nampangaina ho nanitatra ireo sisin-dranomasiny i Aostralia raha toa mbola teo am-piadiana ny fahaleovantenany i Timor-Leste.

Raha mbola nitohy ny raharaha mikasika ny moron-dranomasina, mbola manohy mampidi-bola amin'ireo harena voajanahary avy ao amin'ny Ranomasin'i Timor hatrany i Aostralia.

Mandidy an'i Aostralia mba hanaraka ny lalàna iraisam-pirenena ny Praiminisitr'i Timor-Leste, Rui Araújo:

Para o povo de Timor-Leste garantir as fronteiras marítimas permanentes é a continuação da nossa longa luta pela Independência e plena soberania. Aliás, pedimos nada mais do que aquilo a que temos direito, de acordo com o direito internacional.

Ho an'ny vahoakan'i Timor-Leste ny fiantohana maharitra ireo moron-dranomasina dia midika ho fitohizana mitohy eo amin'ny adinay mikasika ny fahaleovantena sy ny fiandrianana feno. Ny tena marina, tsy mangataka zavatra betsaka ankoatra izay zonay izahay, mifanaraka amin'ny lalàna iraisam-pirenena.

Mampiseho ny famoriam-bahoaka nokarakarain'ny Movimentu Kontra Pkupasaun Tasi Timor (Fihetsiketsehana Manohitra ny Fibodoana ny Ranomasin'i Timor na MKOTT) ity lahatsary eto ambany ity:

Noraketin'ny Audiovisual Archive Centre Max Stahl (CPA) ihany koa ilay famoriambahoaka. Nitatitra io fa maro ireo mpandray anjara tamin'ilay fivoriambe no mpiady tranainy tamin'ny hetsika fitakiana fahaleovantena:

Ireo solontenan'ny antoko politika vaventy maro ao Timor sy ireosolontenan'ny firaisankina iraisampirenena miaraka amin'ny tolon'i Timor, ireo Mpianatra sy Mpiady Tranainy, dia nanambara ilay ady ho an'ny fankatoavana iraisampirenena ireo moron-dranomasina ankehitriny dia fitohizana iray tamin'ny ady nandritra ny 24 taona ho amin'ny fahaleovantena feno mikasika ny tany sy ny faritry ny moron-dranomasin'i Timor.

Mandritra izany fotoana izany, nikarakara fanoherana iray ety anaty tambajotra mangataka ireo mpampiasa aterineto mba hizara ireo sary maneho fanohanana an'i Timor-Leste amin'ny fampiasàna ireto tenifototra manaraka ireto ny ETAN (East Timor Action Network): #medianlinenow na #HandsOffTimorsOil . Nihanaka haingana tamin'ireo firenena maro ny fanoherana. Eto ambany eto ireo ohatra sasany amin'ny hetsipanoherana ho firaisankina manerana izao tontolo izao:

Rariny ho an'i Timor – Aostralia #medianlinenow #HandsOffTimorsOil @TurnbullMalcolmhttps://t.co/vFhctMlgQp pic.twitter.com/yyz6p6ieqW

Fotoana izao! Aostralia #medianlinenow #HandsOffTimorsOil @TurnbullMalcolm https://t.co/brjMzIR5eJ pic.twitter.com/NkzIvSRsYQ

Rariny: Aostralia #medianlinenow #HandsOffTimorsOil @TurnbullMalcolmhttps://t.co/j4jeZvim0d pic.twitter.com/umqv77b5FU

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.