Nahoana No Lasa Ady ‘Tia’ Amin'ny Facebook Ny Politika Kambodziana?

Cambodian Prime Minister Hun Sen. Source: Facebook

Praiminisitra Kambodziana Hun Sen. Sary: Facebook

Sam Rainsy, mpitarika mpanohitra ao Kambodza, miatrika fitoriana fanalàm-baraka taorian'ny nilazàny tanaty hafatra iray tao amin'ny Facebook fa mamorona sy mividy kaonty hosoka ny governemanta mba hanabontsinana “amin'ny fomba artifisialy” ny fanohanana ny Praiminisitra Hun Sen ety amin'ny tambajotra.

Ny 6 Martsa 2016, nahatratra 3 tapitrisa ny isan'ny ‘tia’ azon'i Hun Sen teo amin'ny pejy Facebook – fivoarana azo tsapain-tanana, indrindra fa hoe 6-mbolana lasa izay monja izay no nanokafan'i Hun Sen ilay pejy. Nandritra io fotoana io, 2 tapitrisa ny ‘tia’ azo teo amin'ny pejin‘i Sam Rainsy.

Namoaka fanadihadiana iray mikasika ireo ‘tia’ vao haingana azon'i Hun Sen tao min'ny Facebook ny gazety Phnom Penh Post, tamin'ny nahitàny fa kaonty Facebook miisa 779.000 no tia ny pejin'i Hun Sen ny volana lasa teo, saingy 157.331 irery no avy ao Kambodza. Ny ankamaroan'ireo kaonty dia avy ao India (225.692) ary (98.256) tao Filipina. Na dia teo aza ny fahazoana ireo mpanaraka miisa an-tapitrisa vitsy ireo, nahazo ‘tia’  betsaka kokoa avy ao Kambodza ny kaontin'i Sam Rainsy, raha ny hita avy amin'ny fahadihadian'ilay gazety.

Misy 1.73 ny ‘tia ‘ ny PM #HunSen avy ao Kambodza raha toa ka 1.83 ny  Kambodziana tia an'i #SamRainsy  #PoliticsKhhttps://t.co/06kuYgOZ2Z pic.twitter.com/9Jf59eGy2O

Nitarika an'i Sam Rainsy hiampanga ny governemanta ho mampiroborobo ny pejy Facebook n'i Hun Sen tamin'ny alalan'ny “fanakaramàna ireo mahantra sy tsy an'asa” mpampiasa aterineto ao India sy Filipina izany.

Ny betsaka amin'ny isan'ireo “tia” ireo dia azo tamin'ny fampidirana ireo mahantra sy olona tsy an'asa mba hamoronana kaonty Facebook hosoka hanomezana “tia” artifisialy ho an'i Hun Sen. Maro tamin'ireo olona nampidirina hanao izany no monina ao India sy ao Filipina.

Nampiakatra sary iray misy ireo torohevitry ny minisi-panjakana mikasika ny fomba tokony hataon'ny mpiasam-bahoaka hampitoboana betsaka ny fanohanana an'i Hun Sen ao amin'ny Facebook izy. Ireo mpikambana amin'ny fanapahankevitry ny Antokom-bahoaka Kambodziana ihany koa dia voalaza ho nanentana ny hisintonana ny ‘tia’ natao tamin'ny pejy Facebook-n'i Sam Rainsy:

- Mankanesa ao amin'ny pejin'i SR (Sam Rainsy) mba hanao “Unlike” an'io mba hampihenana ny isan'ny “Like” eo amin'io pejy io.

- Ireo mpanapa-kevitra amin'ny an-tànan-tohatra rehetran'ny antoko (CPP) dia tsy maintsy manara-maso tsy ankiato ny fanatanterahana, hatrany amin'ny fototr'ireo an-tanan-tohatra, amin'ireo andraikitra eo ambony izay ampahany amin'ilay fanentanana midadasika mba hiantohana ny fandresena amin'ireo fifidianana ho avy.

Nolazain'i Sam Rain fa ireo toromarika dia manaporofo ny fomba fanodikondinan'ny governemanta ny fitomboan'ny lazan'ny pejy Facebook-n'i Hun Sen :

Ireo toromarika ireo dia mampiseho mazava tsara fa atosiky ny CPP eo amin'ny fitondràna – amin'ny sehatra rehetra – ireo manampahefana ao aminy, mpanohana ary ireo tambajotra – tafiditra anatin'izany ireo mpiasam-bahoaka, mpitandro ny filaminana ary ireo miaramila – mba hamorona kaonty Facebook hosoka  hanomezana “tia” artifisialy ho an'ny pejy Facebook-n'i Hun Sen.

Nanamafy ny minisitra voalazan'i Sam Rainsy fa mahery vaika ny fanohanan'ny governemanta ny pejy Facebook-n'i Hun Sen, saingy nandà fa tsy kaonty hosoka io nosokafana io. Niampanga an'i Sam Rainsy ho nanodinkodina ny marina sy nanàla baraka ny hajan'ny mpitondra ny firenena izy.

Tsy miankina amin'ny maha-tena izy ireo kaonty nanao ‘like’ tamin'ny pejy Facebook-n'i Hun Sen, sahala amin'ny mamokatra ihany ny tetikadin'ny media sosialin'ny praiminisitra. Notanisaon'ny orinasa Burston-Marsteller PR izy ho nitàna ny laharana faharoa avo indrindra amin'ny “tahan'ny firotsahana”  amin'ny fampiasàna Facebook-n'ireo filoha manerantany. Nanaraka pejy Facebook 512 anà governemanta169 manerantany ilay fanadihadiana.

Iza avy no ireo mpitarika erantany tena mpandray anjara betsaka ao amin'ny #Facebook? https://t.co/iQXYKP0TV3 pic.twitter.com/plXm3bUJXW

Mandinika ny fampahafantarana mavitrika eo amin'ny Facebook-n'i Hun Sen ilay fanadihadiana mba hamaliana ireo ahiahin'ny olona. Ny volana Janoary lasa teo, nomeny torolàlana ireo minisi-panjakana mba hanara-maso ireo sosokevitra sy ireo fitarainana nalefan'ireo olom-pirenena tao amin'ny Facebook.

Maro no faly tamin'ireo hafatra ao amin'ny Facebook-n'i Hun Sen, nefa mino ireo mpitsikera azy fa tetikady io mba hanatsaràna  ny endriky ny filoha izay mamahatra eo amin'ny fitondrana nandritra ny telopolo taona izao. Ireo vondrona sasantsasany ihany koa nahita fa nitombo ireo fisamborana nisy nifandraisany tamin'ny aterineto tamin'ny taona lasa, izay manozongozona ny fanolorantenan'ny firenena amin'ny ny fahalalahana maneho hevitra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.