- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Amin'Ity Paska Ity, Dimbiasin'ny Fandrefesana Famindram-po Ny Fomba Efa Tranainy Ao Espaina

Sokajy: Eoropa Andrefana, Espaina, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika
Bye Bye Opacidad

Orina mpanasoa Civio: ‘VELOMA RY AIZINA, ARAHABA RY DEMOKRASIA’ – Lahatahiry Ho amin'ny Demokrasia Mangarahara kokoa. Sary nampiasain'ny Creative Commons License.

Taorian'ny fifanakalozan-kevitra tao amin'ny filankevitry ny minisitra Espaniola, nankatò famindram-po ofisialy 13  natolotry ny fikambanam-pivavahana sy ny frera sy ny relijiozy vavy ny Mpanjakan'ny Espaina ny zoma masina lasa teo. Misy Isan-taona ny Paskan'ny Famelan-keloka  ary isan-taona atao ao anaty tsiambaratelo izany. Saingy tsy izany kosa tamin'ity indray mitoraka ity.

Ny Orina mpanasoa Civio [1], fikambanana izay miasa manohana ny mangarahara sy ny tahirin-kevitra malalaka, no nanapa-kevitra ny hanarina izany toe-javatra izany amin'ny Fandrefesana famindram-po . [2]

Sambany tamin'ity taona ity,  ny fitondram-panjakana no nanome ny antsipirihany [3] ny heloka navela : 11 voampanga tamin'ny fandikan-dalànan'ny fahasalamam-bahoaka, ny anankiray noho ny fandrobana ny iray teo ampanaovana hosoka. Ny didy hitsivolana tsirairay dia ahitana ny angon-drakitry ny tantaran'ny raharaha, ny faneken'ny lasibatry ny heloka bevava, ary ny tatitra avy any am-ponja, na dia mbola tokony hanazava aza ny governemanta raha mety amin'ny fepetra na tsia ny didim-pitsarana.

Maro ny mpitsara espaniola no mihevitra fa tsy azo hamarinina ao amin'ny rafitra ara-pitsarana ankehitriny [4] ny famotsoran-keloka, ary tokony ho avaozina tanteraka, raha toa ka tsy foana tanteraka.

Fomban-drazana espaniola ny famindram-po amin'ny Paska

Efa nanomboka tamin'ny volana Jona taona 1870 [5] ny lalàna mifehy ny famelan-keloka any Espaina. efa tamin'ny vanim-potoana nanjakan'i Mpanjaka Carlos III [6] ny fomban-drazan'ny Famotsoran-keloka amin'ny Paska  fa mbola mafy faka tsara mandraka androany, na inona na inona ny rafitra ara-politika eo amin'ny fitondrana. Efa nanome famelan-keloka manakaiky 6.000 ny governemantan'i José María Aznar. Ny governemantan'i Zapatero kosa nanome mihoatra 3.000. Ankehitriny ny governemantan'i Mariano Rajoy eo amperin'asa efa nanome famelan-keloka 400 tao anatin'ny volana 11 voalohany, ary eo andalam-panomezana hoan'ny olona mitotaly 1000 amn'izao fotoana izao.

Ao amin'ny gazetim-panjakana mivoaka isan'andro: ny governemanta namindra fo rangahy iray nisoloky ny namany nandritra ny taona maromaro. https:t.co/w8fjtn9Giy [8]

Ny famindram-po dia midika fanafahana amin'ny didim-pitsarana, fa tsy famelana ny heloka bevava. Hazonin'ny lalàna fa ny famindram-po dia tsy mahazo miantraika amin'ny zon'ny hafa, ary izany dia homena ho amin'ny fandalana ny rariny, ny fitoviana na ny tombontsoam-bahoaka ihany, amin'ny fitsarana ny didim-pitsarana. Ara-teoria, ny famindram-po dia natao ho amin'ny tanjona ara-drariny, rehefa omena noho ny antony ara-pahalalahana na feon'ny fieritreretana madio.

Ny olana dia maro ny tranga rehefa fantatra ao Espaina, no mahatonga rotaka mahery, noho “fikarakarana manokana ireo Olona Ambony dia Ambony.”

Tsy mitovy ny famindram-po rehetra

Tamin'ny taona 1998, nahazo famindram-po [10] ny rahalahin’ ny Minisitry ny Fitaterana Gabriel Arias-Salgado [10]. Tamin'io taona io ihany, nahazo famindram-po noho ny fandraisana anjara tamin'ny Vondrom-panafahana antiterorista [11], izay vondrona milisy voampanga ho manao fampihorohoroam-panjakana ny sosialista mpanao politika roa, José Barrionuevo sy Rafael Vera. Tamin'ny taona 2000, mihoatra ny 1300 ireo voafonja noafahana tany am-ponja noho ny famindram-po faobe nomena tamin'ilay fotoan'ny taonarivo sy ny Jobily Lehibe (herintaonan'ny fankalazana Katolika  ny famindram-pon'Andriamanitra sy ny famelana ny heloka). Tamin'ny 2011, ny famindram-po no nahafahan'i Alfredo Sáenz [12] , voampanga ho manendrikendrika sy mampiely vaovao tsy marina, nihazona ny voninahiny [13] sy ny fitondran-tenany, izay ahafahany manohy ny andraikiny eo amin'ny sehatra ara-bola ao Espaina.

Tetikasan'ny Orina Mpanasoa Civio hatramin'ny 2013 ny Fandrefesana famindram-po [2]. Lasa loharanom-baovao voalohany amin'ny fampiasana ny famindram-po isaky Paska any Espaina izany. Ny tetikasa no nahafahana mahazo ny fampahafantarana ny momba ny famindram-po rehetra nomena tao Espaina nanomboka tamin'ny taona 1996, amin'ny alalan'ny fampiharana tranonkala no ahazoana fanazavana mivantana avy amin'ny Boletín Oficial del Estado [14] (Gazetim-Panjakana Ofisialy). Azo sivanina amin'ny alalan'ny karazana fahadisoana na amin'ny vondrom-piarahamonina mizakatena – ‘fanjakana’ ara-jeografika ao Espaina, izay manana fahefana mizakatena betsaka miohatra amin'ny governemanta foibe – ny fikarohana ary azo ampitahaina  isan-taona mba hanombanana ny fahasamihafan'ny fomba nampiasan'ny fitondram-panjakana nifandimby ny famindram-po izany.

El indultómetro: Más de 10.000 indultos desde 1996 [15]

Fandrefesana famindram-po: Maherin'ny 10000 ny famindram-po nanomboka tamin'ny taona 1996  [eo ambony – Fandrefesana famindram-po nampidirina tamin'ny 2013].

Ankoatra izany, nisy vokany ny fanerena nataon'ny fampitam-baovao sy ny media sosialy, ary nihena dia nihena ny isan'ny fanomezana famindram-po tany Espaina. Ny famindram-po faratampony 1.744 nomena tamin'ny taona 2000 dia nilatsaka ho 75 monja tamin'ny taona 2015 – isa ambany indrindra hatramin'ny taona 1996, maneho fihenana ankapobeny ” ho famindram-po iray sy tapany isaky ny iray andro ho famindram-po lasa iray sy tapany isan-kerinandro .” [16]

Iray ihany amin'ireo hetsika fandraisana andraikitry ny Orina Mpanasoa Civio ny Fandrefesana famindram-po. Ny tanjon'ny Civio dia ny hahatrarana mangarahara marina sy mahomby, sy fahafahan'ny olom-pirenena na fikambanana miditra malalaka amin'ny lahatahiry/fampahafantarana avy amin'ny fanjakana. Efa ankatoavina [17] ho anisan'ny iray amin'ireo fampihatra tsara indrindra amin'ireo zava-malaza roa malaza fandre matetika ny asan'ny Orina Mpanasoa: ny fampiasana ny angon-drakitra misokatra sy ny lahatahirim-panaovan-gazety .

Eo am-pamitana ny fanambin'ny fanatrarana tanjona hametrahana ny mangarahara bebe kokoa izay takian'ny olom-pirenena amin'ny manam-pahefana voafidy ny tetikasan'ny Orina Mpanasoa Civio toy ny El BOE nuestro de cada [18] [Ny gazetim-panjakantsika ofisialy mivoaka isan'andro], ¿Donde sur Mis impuestos? [19] [Lasa Aiza ny hetrako?], Tu derecho a Saber [20] [Ny zonao te-hahafantatra], Quien Manda [21] [Iza no miantsoroka], na ny Fandrefesam-Pamindram-po, ary vao mainka azo tanterahina kokoa izany miaraka amin'ny teknolojia ankehitriny. Mba isian'ny mangarahara bebe kokoa, ireo fampiharan'ny tetikasan'i Civio ireo dia azo alaina amin'ny maha-“maodely open-source” [22] azy ao amin'ny sehatra Github.

Ao anatin'ny Herinandro Masina [Paska] no ahatsiarovantsika ilay tantara malaza ny Pontio Pilato namela ny helok'i Barrabas . Miaraka amin'ny tahirin-kevitry ny Fandrefesana famindram-po avy amin'ny Orin'Olom-Pirenena Mpanasoa, Civio, dia tsy ho mora intsony ny hanasa tanana amin'ny andraikitra.