- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fiaramanidina EgyptAir Ho Any Kairo Naodina Nakany Sipra

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Sipra, Mediam-bahoaka, Tsidika, Vaovao Mafana
A screenshot from Flight Radar showing the hijacked flight MS181 at Larnaca Airport in Cyrus [1]

Pikan-tsary avy amin'ny Radaran'ny Sidina [1] mampiseho ilay sidina MS181 naodina an-keriny ho ao amin'ny seranam-piaramanidina tao Larnaca ao Sipra

Piratim-piaramanidina iray no voalaza fa nanodina an-keriny ny sidina  Ejypt Air teny an-dàlana avy any Alexandria ho any Kairo, ary nanery ilay sidina  ho any amin'ny seranam-piaramanidina ao Larnaca  tany Sipra rehefa nilaza izy fa mitondra fehin-kibo mipoaka eny aminy. Nanaraka akaiky ny vaovao araka ny fivoarany, tao amin'ny Twitter, ireo mpiserasera aterineto sy ny mpaneho hevitra.

Araka ny sioka avy amin'ny Egyptair, “efa ofisialy fa voahodina an-keriny “ilay Sidina MS181, izay nitondra mpandeha 81 tao anatiny, anisan'izany ny vahiny.

Ofisialy fa nisy nanodina an-keriny ny sidina MS1814 . Hamoaka fanambarana ofisialy izahay izao.#Egyptair [2]                                                       — EGYPTAIR (@EGYPTAIR) 29 Martsa 2016 [3]

Nisy 12000 nandefa indray ity sioka ity tamin'ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity.

Amin'ny sioka manaraka, amin'ny teny Arabo, manazava ny ao amin'ny zotram-piaramanidina :

Nahodina an-keriny ny zotram-piaramanidina Egyptair  Airbus 181, izay nitondra mpandeha 81 tao anatiny , ary teny an-dalana avy any amin'ny seranam-piaramanidina Burj Al Arab ao Alexandria ho any amin'ny seranam-piaramanidina any Cairo

Manohy hoe:

Voarahona ilay mpanamory kapiteny  Omar Al Jammal fa misy mpandeha miaraka amin'ny fehikibo mety mipoaka tao, ary nanery ilay kapiteny mpanamory izy mba hametraka ilay fiaramanidina ao amin'ny seranam-piaramanidina ao Larnaca Sipra

Ny vaovao farany milaza hoe:

Niafara tamin'ny famotsorana ny mpandeha rehetra, ankoatra ireo ekipa sy vahiny efatra ny fampiraharahana tamin'ilay piraty .

Araka ny tatitry ny gazety [7] , nahitana Egyptiana, “Amerikanina valo, Holandey efatra, Belza roa, Britanika efatra, Syriana iray, Frantsay iray ary Italiana iray.” ny mpandeha.

Tsy fantatra ny zom-pirenena sy ny momba ireo mpandeha sisa .

Ilay piratin-tsidina:

Ny tatitra milaza fa i Ibrahim Samaha ilay piraty, izay nangataka fialokalofana ara-politika tany Sipra. Tsy fantatra mazava raha nanana baomba izy na tsia.

Manamboninahitra ao amin'ny ONTV milaza fa nipetraka teo amin'ny [seza] 38K i Ibrahim Samha, ilay piratin-tsidina, 27 na 28 taona eo ho eo, dia . Any aminy amin'izao ny fiarovana ny seranam-piaramanidina ao Ejipta #Sipra [8]

Ary i Deena, mizara ny pikantsarin'ilay piraty, nalefa tao amin'ny Egyptian TV:

Sary nalefan'ny Egyptian TV mampiseho an'i Ibrahim Samaha ilay piratin-tsidina an'i EgyptAir .pic.twitter.com/VkbefUjbDp [10]

Hatsikana Egyptiana:

Tsy misy lahatsoratra feno ao Egypta raha tsy miaraka amin'ny vazivazy egyptiana kely – na dia tsy voaantoka aza izany. Maro ny hanihany fa tsara vintana ny mpandeha nahita fa tafavoaka an'i Egypta.

Shahi misioka hoe:

Naneho ny hafaliany faratampony noho ny nipiratena azy an'habakabaka ny mpandeha tamin'ilay fiaramanidina Egyptiana, ary misaotra ilay piraty rehefa tonga tao Sipra noho ny nandefasana azy ireo hivoaka  an'i Egypta

Ary Mohamed Sleem nanampy hoe:

Afaka miloka ianao raha efa nanambara ry zareo fa hisy hipiraty ity planina ity ary ho alefa any Sipra ny mpandeha ka afaka miaina any izy ireo ary mety hanan-tantara ny famandrihana ho amin'ity sidina ity?

Mazava ho azy i Ahmed Hamato fa tsy faly tamin'ny vazivazy rehetra:

Mora amin'ny olona ao amin'ny Twitter ny mananihany sy maneso ity loza ity. Ny fiaramanidina izay nahodina an-keriny dia fiaramanidina Egyptiana  ary manambany ny tenantsika isika raha manao izany

Fanodinana fiaramanidin'ny taona 1980s:

Ahmed Nimer, avy any Ramallah, Palestina, nanesoeso hoe:

Oadray izany fanodinana fiaramanidina fomban'ny tamin'ny taona 1980s!!#EgyptAir [16]

Ary ilay bilaogera Josh Shahryar nanampy hoe:

Tampoka teo dia lasa manam-pahaizana amin'ny  fampiraharahana momba an'i Egypta,Sipra, Sidina Egyptiana ary ilay Mpanodina an-keriny ny rehetra …. Fa nisy inona, Twitter?

Mihainoa tsy tapaka ny vaovao farany.