Ao Amin'ny Tongasoa Ny Lohataona, Filahiana Goavana Mandehandeha Amin'ny Lalamben'i Japan

谷古宇正信

Mitondra ilay sampy lahy iray matory hampihaona amin'ny vavy mitovy karazana aminy. Isan-taona isaky ny 15 marsa, mifanandrify amin'ny miraalin'ny lohataona, Tontosaina ao amin'ny Doany Tagata ao Komaki ny Fetibe Hōnen . Sary avy amin'ny mpisera YouTube 谷古宇正信.

Amin'ny fomba nentim-paharazana kristiana, manamarika ny fitsanganan'i Kristy ho velona indray ny Paska. Misy ny manampahaizana sasantsasany milaza fa ny fety, izay mitontona manodidina ny miraalin'ny lohataona dia manana herim-pitarihana sasantsasany avy amin'ny jentilisa na talohan'ny vanim-potoana kristiana. Ohatra, amin'ny firenena tandrefana sasantsasany ny fetin'ny paska dia aseho amin'ny alalan'ny atodim-borona nolokoina sy ny bitro—samy mariky ny fahavokarana izy roa ireo sy fampanantenan'ny fahaterahana indray ao amin'ny lohataona— izay nampiasain'ny Saxons taloha tao Eoropa Avaratra, fony mbola nanompo ny andriamanibavy Oestre (na Eostre) ry zareo.

Misy ihany koa ny faritra sasantsasany amin'i Japan manamarika ny fanombohan'ny lohataona amin'ny alalan'ny fetiben'ny fahavokarana.

A photo posted by @yoshimi1204 on

Ao amin'ny Doany Tagata (田縣神社, Tagata Jinja), ao Komaki, tena eo avaratr'i Nagoya indrindra, ao afovoan'i Japan, miridiridy ny fampiasana ilay marika; tsy misy ny fivelezana manodidina ny kirihitra, raha voasolotenan'ny filahiana lehibe iray vita amin'ny hazo ny vavaka ho amin'ny fahavokarana sy ny taona zina ho amin'io taona ho avy manaraka io.

A video posted by AZ (@az___s) on

Isaky ny amin'ny faha-15 marsa isan-taona, mifanandrify amin'ny miraalin'ny lohataona (ilabolantany avaratra), tontosaina ao amin'ny Doanin'i Tagata ao Komaki ny Fetibe Hōnen. Misy andriamanitra lahy iray matory, Takeinadane, entina mitsidika andriamanitra vavy iray matory, Tamahime-no-mikoto (monina any amin'ny doaniny manokana eo amin'ny manodidina eo ireo andriamanitra roa ireo).

Ahitana karazana filahiana vita amin'ny hazo isan-karazany ao amin'ny Fetibe, ny sasany entin'ny mpikambana manao diabe, ny hafa amidy toy ny haingon-trano na tsakitsaky.

Mahasarika olona maro sy mpizahatany ny fetiben'ny fahavokarana fanao isan-taona.

A photo posted by @mie0818 on

Mihaona ao amin'ny Doany Tagata ao Komaki ireo andriamanitra, ary entina amin'ny doany finday mikoshi.

Tamin'ny voalohany ny Takeinade, ny andriamanitra lahy, dia naseho tamin'ny alalan'ny sarin'olona vita amin'ny mololo miaraka amin'ny filahiana kely vita amin'ny hazo. Nandeha ny fotoana, nampivoatra ny Takeneinade ny fetibe ary nosaronana tambanin'ny doany finday mikoshi ny filahiana vita amin'ny hazo.

Koa satria mitombo habe mandavataona ity filahiana vita amin'ny hazo ity, satria soloina hatrany isan-taona, hany ka ankehitriny dia mirefy eo ho eo amin'ny 2,5 metatra (refy 13) ny lavany ary milanja 280 kilaograma (620 livra).

A video posted by suzuki (@suzkoz) on

Vao tonga ao amin'ny Doany Tagata ireo andriamanitra roa dia mifoha ary hamasinina ao amin'ny Doany Tagata ho amin'ny taona hafa iray indray i Takeinadane.

A photo posted by @momma_michiquita on


Niverina ao an-tranony ao amin'ny Doany Ogata eo amin'ny lalana i Tamahime-no-mikoto.

Afaka manavatsava ny Fetiben'ny Honen ianao ao amin'ny Instagram sy ny Twitter amin'ny fampiasana ny diezy #tagatashrine#田県神社 ary #豊年祭.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.