Miverina Indray Ny Fanoratana Bilaogy Any Rosia Noho Ilay Lehilahy Nanampy Tamin'ny Famonoana Azy

Is blogging back in Russia, thanks to Telegram? Image edited by Kevin Rothrock.

Miverina noho ny Telegram ve ny fanaovana bilaogy any Rosia? Sary navoakan'i Kevin Rothrock.

Indray andro, hono, nanana fikambanana kelin'ireo mpitoraka bilaogy nanokan-tena ho amin-javatra iray i Rosia. Nivondrona tao aminà tranonkala iray tsy nanintona antsoina hoe LiveJournal ry zareo, tao no nanoratany tononkalo, fitsikerana ny kanto, tsanganana fanehoana hevitra ary ireo zavatra hafa rehetra avoakan'ny aterineto ety ambany masoandro. Kanjo, tonga ny FatherTime ( Andron'i Dada) ka nopotehany avokoa ny zavatra rehetra efa voalamina. Dia nisy haban-tranonkala hafa nipoitra. Navelan'ny haino aman-jerin'olon-tsotra ho an'ny tambajotra sosialy toy ny Facebook, Vkontakte ary ny Twitter ny toerana. Ka tsy naha-“bilaogera” anao intsony ny fanoratsoratana fahatany tao  – lasa ambin-javatra iray ataon'ny olona sisa ilay izy.

Fa nisy zavatra mampihomehy niseho tao anatin'ny fikorontanan'ny fampiasana aterineto Rosiana ankehitriny : manomboka mahatsiaro ho ilaozan'ny toetrandro ny olona, ary miverina amin'ny fomba fanoratana sy famakiana ny aterineto ry zareo izay tsapa ho toy ny sekoly tranain'ny fanaovana bilaogy fahiny. Mahatsikaiky, ny tolotra Telegram fifampiresahana eo noho eo, izay natao sy vatsian'i Pavel Durov vola, ilay lehilahy nanomboka ny Vkontakte, tambajotra sosialy Rosiana malaza, taona vitsy talohan'ny nanilihana azy (tao anatin'ny drafitra iray efa nomanin'i Kremlin mba hifehezana ny haban-tranonkala)  no maridrefin'io fironana vaovao io.

 “Channels na Fantsona,”  no iantsoana ny endrika vaovaon'ny Telegram ary ny antsony dia mifototra amin-javatra vitsivitsy. Na iza na iza dia afaka mamorona fantsona iray, izay tosaka hafatra ahafahan'ireo hafa mpampiasa Telegram misoratra anarana mba haharay azy. Mitosaka tahaka ny hafatra amin'ny fifampiresahana amin'ny ‘chat’ ireny hafatra ireny (mifangaro amin'ny resaky ny olona izay iresahanao),  ary mety hahazo hafatra fanairana isaky ny misy hafatra vavao ianao, na “mamono ny fanairana” raha misy hafatra miditra. Tsy misy fomba hamaliana, midika izany fa ivelan'ny fetra ny fanehoana hevitra.

Zotra tokana ihany ny fifandraisana, manolotra vahaolana tsara, na dia somary jadona aza, amin'ny olana  lavarenin'ny mpanakorontana, ny  rindrambaiko ‘bots’, ary indrindra ireo olona adala mamerina mizara sy misera fanalàna baràka amin'ny aterineto. Azo jerena ny fotoana nandefasana ny hafatra, ny isan'ny fijerena azon'io hafatra io, ary ny isan'ny nisoratra anarana amin'ilay fantsona. Izay no izy. Mazotoa.

Daniil Trabun. Photo: Facebook

Tamin'ny fiandohan'ity volana ity (Febroary), dia nangatahan'ny tranonkala Afisha Daily ireo lehiben'ny indostria any Rosia mba hilaza ny heviny momba ny fahitany ny zavabaovaon'ireo fantsona ao amin'ny Telegram. Nantsoin'i Daniil Trabun, tonian-dahatsoratry ny gazetiboky Afisha hoe :”bilaogy vaovao” ireo fantson'ny Telegram

У них нет дизайна, их нельзя найти на сайтах большого интернета. Остается главное — свобода самовыражения и удобная доставка контента прямо в телефон. Даже комментировать подписчикам здесь нельзя, что кажется абсолютно логичной вещью. Действительно, вы комментарии на своих любимых сайтах читаете? Ужас ведь.

Tsy misy endrika, sady tsy mety hita amin'ny ambinà tranonkala ao amin'ny aterineto.  Ny zava- dehibe ananany dia ny fahalalahan'ny fanehoankevitra sy ny fomba tsotra handefasana vontoatin-dresaka mivantana avy hatrany any amin'ny findainao. Tsy afaka maneho hevitra akory ny mpanjifa, lojika be izany. Amin'ny fo tsy miangatra, efa namaky ireny fanehoankevitra amin'ny tranonkala ankafizinao ve ianao ? Tsia, satria nofy ratsy ireny.

Yuri Saprykin. Sary: Facebook

Yuri Saprykin, tale vaovaon'ny fanoratana ny gazety Moscow Times, dia toy ny afa-po tamin'ny fanafoanana ny fanehoankevitra, tamin'ny nilazàny tamin'ny Afisha fa tahaka ny fahazoana alàlana mijery diarin'olona eo an-doha fandriany, amin'ny famenoana ny mpamaky amin'ny hevitra mahafinaritry ny “tsy fandraisana andraikitra, raha tsy izany dia ny fahalalahana” ny fidonan'ireo fantsonaTelegram :

Главное достоинство канала в Telegram — что там нет комментов, и значит, под любым твоим самым невинным постом не будут собираться незнакомые люди, чтоб рубиться безжалостно на темы Порошенко и ДНР (как это часто случалось в прошлом году).

Ny tsy fisian'ny fanehoankevitra no tena tombony ho an'ireo fantsona Telegram, midika izany fa tsy ho hitanao ao amin'ny hafatrao tsy manan-tsiny indrindra ny fehezana fifandirana tsy misy indra fo momba ny [ Filoha Okrainiana Petro] Poroshenko na ny DNR [ Repoblika Entim-bahoakan'ny mpisintaka ao Donetsk ] ( tahaka ny zava-nitranga matetika tamin'ny taona lasa ).

Grigory Prorokov. Sary: Facebook

Grigory Prorokov, mpanao gazety iray hafa izay ankehitriny mitantana fantsona Telegram momba ny kolontsaina pop sy ny teknolojia dia manamafy fa miha-tsy mahaliana ny vahoaka ireo haino aman-jery matianina. Miverina indray, amin'ny fomba samihafa, tamin'ny fahazarany folo taona lasa izay, ny fampiasàna ny aterineto hoy izy, tamin'ny fotoana nampalaza ny haino aman-jery madinika :

Telegram словил важную штуку: сейчас интернет в какой-то степени возвращается в начало 2000-х, во времена, когда можно было все делать самому. […] При этом вещи, которые люди делают в одиночку или маленькими командами, популярны как никогда: подкасты вернулись, видео на YouTube в порядке, даже блоги какие-то держатся.

Efa nandray anjara taminà zava-dehibe ny Telegram : amin'izao fotoana izao, miverina indray amin'ny lafiny sasantsasany, tamin'ny fiandohan'ny taona 2000 ny aterineto, tamin'izany afaka nanao ny zavatra rehetra ianao. […] Isan'ny fironana amin'izao fotoana izao,  malaza kokoa noho ny hatramin'izay ny zavatra ataon'ny tsirairay na anatinà ekipa kely:  mbola mahafinaritra ny podcast, malaza ny Youtube, ary miverina indray ny bilaogy.

Tsy misy fametrahana fantsona Telegram ôfisialy, hany ka sarotra vao mahita izay iray mety aminao. Mety iniana natao io zava-miafina io  mba hiarovana ny satan'ilay tolotra ho toy ny tsiambaratelon'ireo efa ao anatiny. Angamba ho rava ny tetikasa manontolo rehefa betsaka loatra ny olona manomboka manolotra fantsona Telegram , ary dia ho maro be tahaka ny haino aman-jery sosialy nisy tao anatin'ny taona vitsivitsy izany. Ny haino aman-jery Rosiana sasany, toy ny tranonkalam-baovao Gazeta.ru, dia efa niditra sahady amin'ny fandravana ny  lazan'ny Telegram amin'ny fampiasàna amin-pahalainana ireo fantsony mba hamerenana manaparitaka ny vontoaty mitovy izay efa navoakany tao amin'ny Twitter ihany.

Oleg Kashin. Sary: Facebook

Angamba ny faharetan'ny fiainana ho an'ireo fantsona Telegram dia mifototra amin'ny hoe hafiriana no mety hitazonany ny fombany ‘fanehoankevitra malalaka”, izay navoitran'ny mpisera maron'ny Afisha . Eto, mety tsy ho ampy na ny tsy fisian'ny tamberina avy any amin'ny mpamaky aza. Ohatra, vao natombony vao haingana ny fantsona Telegram-n'ilay mpikirakira vaovao, Oleg Kashin, azy irery, (@kashinguru, izay efa misy mpanjifa 1.600 sahady tamin'ny fotoana nanoratana an'ity ). Nanao vazivazy i Kashin tamin'ny Alatsinainy 15 Febroary : ” Vitsy loatra ireo [mpikambana] avy amin'ny intelligentsia liberaly ato ( amin'ity fantsona Telegram ity), noho izany mety ho kely kokoa noho ny any amin'ny Facebook no ataoko eto.”

Tsikera matanjaka izay nahatonga ny Facebook ho sokajiana ho isan'ny fanaovana resabe any Rosia izany, saingy miteraka fanontanina ihany koa ny fiaiken'i Kashin : inona no hitranga raha toa ka betsaka ny lona no mikisaka ho any amin'ny Telegram, ary manomboka indray ny tsy fahombiazana tanteraky ny fanivànantena?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.