- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Firohotana Ho Any Amin'ny Hopitaly Hanome Rà Taorian'ilay Fanapoahana Baomba Nahaoro Fo Tao Amin'ny Kianja Iray Tao Lahore Ny Alahadin'ny Paka

Sokajy: Pakistana, Ady & Fifandirana, Mediam-bahoaka
CeloK3AW4AQ0jLb

Niparitaka be tao amin'ny media sosialy.

Olona 69 raha kely indrindra no maty ary 250 naratra tamin'ny fanapoahana baomba tao amin'ny kianja Gulshan-i-Iqbal Park, kianja iray malaza filalaovan'ny ankizy ao an-tanànan'i Iqbal akaikin'i  Lahore, tanàna faharoa lehibe indrindra any Pakistàna.

Metatra vitsy monja niala ny toerana filalaovan'ny ankizy no nisy ilay fipoahana mahavaky fo, tamin'ny fotoana izay naha-tototra zaza amam-behivavy nankalaza ny Alahadin'ny Paka teo amin'ilay kianja. Zaza amam-behivavy no ankamaroan'ireo niharan-doza tamin'ilay fipoahana baomba.

Rabia Mehmood, mpanao gazety monina ao Lahore, izay nanangona ny iray tamin'ireo tatitra tena feno [1] momba ny fanenjehana ara-pinoana sy ny herisetra atao amin'ireo vitsy an'isa ao Pakistàna, nibitsika hoe:

Lasibatry ny fanaovana vy very ny aina hanapoahana baomba roa tao amin'ireo #Fiangonana tany #Youhanabad [4] ireo #Kristianina tamin'ny Martsa 2015, & ary izao dia ny andron'ny #Paka

Taorian'ilay fanafihana, maro ireo olompirenena nanomboka nandrindra ny ezaka ho fanomezana rà sy nitondra fanohanana ho an'ireo fianakavian'ny niharan-doza.

Tiako ianao ry Lahore

Anthony Permal, Pakistane monina ao Dubai, izay zatra manoratra bilaogy eo ambanin'ny anarana Digital Christ, nandefa tao amin'ny Facebook hoe: [12]

Mora ny mankahàla. Tian-dry zareo hilatsaka amin'ny fankahalàna izahay. Saingy diso ireo mpampihorohoro. Fantatrareo ve ny ahalalako izany?

Satria amin'izao fotoana izao indrindra, an'aliny ireo Lahori (ilazàna ireo mponin'i Lahore) lahy sy vavy mitandahatra eo ivelan'ny hopitaly mba hanome rà. Anio alina, rà Silamo no hikorina anaty vatàna Kristianina. Ary ny mifamadika amin'izay. Hitanareoo, amin'ny famelezana anay, atambatrareo izahay. Isaorana ianareo. #‎LahoreMatanjaka [13]

Careem, tolotra taxi antsoina finday ao an-toerana, dia nanolotra fitaterana maimaimpoana mankany amin'ny hopitaly ho an'izay rehetra maniry ny hanome rà.

Fitaterana maimaimpoana ho an'ireo mpanome rà #Lahore. Manome fara fitaterana maimaimpoana ny Carrem ho an'ireo rehetra mandeha hanome rà

Dawn, iray amin'ireo tranonkala Pakistane isan'ny malaza indrindra, dia nibitsika ihany koa nanainga ny vahoaka hanome rà.

FANGATAHAN'i #LAHORE HANOMEZANA Rà

Efa tsy haharaka ny rà ao amin'ny hopitalin'i Jinnah. Tena ilaina maika be ny fanomezana rà

Ary nanamafy ny hetsika ireo mpikatroka mafàna fo mba handrindràna ny ezaka ety anaty aterineto :

Raha maniry ny handrindra ny ezaka hanampiana ireo niharan-doza tamin'ny #BaombaTaoLahore ianao, miangavy fenoy ity fidirana ato amin'ny Google ity ary aparitaho araka izay tratra

Ireo mpikatroka ao ambadik'ilay fidirana ao amin'ny Google dia hifantoka amin'ny “fanomezana sakafo, fanafody, seza misy kodiarana/tehina na tolotra ho fikarakaràna ny fandevenana ho an'ireo izay tsy afaka ny handoa ny saran'izany ho an'ireo havan-tiany.”

Mandritra izany fotoana izany, ora fito taorian'ilay fipoahana, Jibran Nasir, Pakistane mpikatroka mafàna fo manana mpanjohy maherin'ny 70.000 ao amin'ny Facebook [21] ary nirotsaka tamin'ny anaran'ny tenany tamin'ny fifidianana tao Pakistàna tamin'ny 2013, nibitsika hoe :

3:00 maraina fa mbola rakotra olona manome rà hatrany ireo Hopitaly ao Lahore. Izany no maha-Pakistàna antsika. Io no manome antsika fanantenana, mahatonga antsika hiroso #ResyNareo

Ao amin'ny pejiny Facebook, nampiany fanamarihana iray ity bitsika nalefany ity :

Fanamarihana: Tsy sanatria hanamaivanana ny aina sarobidy nafoy androany ity sata ity. Tsy milaza ihany koa aho fa hoe ireo famoizana aina tampoka sy mahatsiravina androany dia midika sorona an'ady atao amin'ny mpampihorohoro. Tsy naniry ny ho faty ireny olona ireny ary mendrika ny hiaina am-pilaminana sy tsy misy tomika. Tiako fotsiny ny hidera ny valinkafatra sy ny firaisankina nasehon'ny vahoakan'i Lahore izay manampy, tsy ijerena firehana ara-pinoana/sekta, fa ny maha-olombelona aloha voalohany indrindra.

Ny vondrona Talibàna mpisintaka ao Pakistàna, Jamaat-ul-Ahrar, no nilaza ho tomponandraikitra tamin'ilay fanafihana. Mpitondra teny avy amin'ilay vondrona no nilaza tamin'ny gazety an-tsoratra amin'ny fiteny Anglisy ao Pakistàna Express Tribune [24], “Izahay no tomponandraikitra tamin'ilay fanafihana ny Kristianina teo ampankalazàny ny Paka.”

Niady hatrany tamin'izay herisetra mifamatotra amin'ny Talibàna sy ny asan'ireo andian-jioolahy mpanao heloka bevava i Pakistàna nandritry ny sivy taona.

Raha mbola miatrika ny taorian'ilay fanapoahana baomba i Lahore, ao Islamabad renivohitra kosa, nandefa entona mandatsa-dranomaso ny polisy ho any amin'ireo an'aliny nanao hetsipanoherana nitanjozotra ho fanohanana ilay Islamista mpitifitra, Mumtaz Qadri. Nahantona tamin'ny volana lasa iny i Qadri noho ny namonoany an'i Salman Taseer, governoran'i Punjab, taona dimy lasa izay. Niaro vehivavy kristiana iray nofonjaina fa hoe niteny ratsy ny fivavahana i Taseer. Lazain'ireo Pakistane mpiaro zon'olombelona fa araraotina amin'ny fomba rehetra hanaovana lasibatra ny Kristiana ny lalàna momba ny fitenenana ratsy ny fivavahana ao Pakistàna.

Mafàna fo tafahoatra mitady izay haràpany ao #Islamabad, Jihadista mamafy fahafatesana ao #Lahore; Mbola fahirano avy ao anatiny ihany no mahazo an'i #Pakistàna

Nighat Dad, mpisolovava sady mpikatroka mpahay ny zo dizitaly, izay monina eo akaikin'ilay kianjan'ankizy, no mamaritra ny endriky ny famoizana, ny hatezerana ary ny fisaonana tao Lahore, tanàna faharoa lehibe indrindra ao Pakistàna fantatra amin'ny anarana ho ‘Tanànan'ny Zaridaina’ [28].

“Mahereza” “Tsy voahozongozona isika” “Hodiavintsika io”  Toa manify ny rehetra…toy ny hoe tsy misy farany ny hadalàna

Rafia Zakaria, safiotra Pakistane-Amerikana, mpandalina vaovao, monina any Etazonia, nibitsika hoe :

Ankizy nilalao teny an-kianja tao Lahore natao lasibatra, tsy maharaka ny fiara mpamonjy voina any amin-dry zareo, 50 mahery no maty, maro no miala aina eny an-toerana nisehoan'ny loza

Ary mizara sarin'ny iray amin'ireo niharan-doza i Nadia Jamil, Pakistane mpiantsehatra sady olo-malazan'ny ‘talk-show':

Mbola tsaroako hatrany ny tsikiny.
Toy ny mbola miverina mankaty amiko.
Indrisy ry ilay namako mahafinaritra sy mahatehotia
MAP Nomi (MAP = Mandria Am-Piadanana)

Manoratra [35] i Mahnoor Rathore, mpisolovava mpiaro zon'olombelona hoe:

Henoko ao amin'ny fahitalavitra fa mitombo ny isan'ireo namoy aina ary mitombo isa ny maratra, ary amin'ny fotoana anoratako ity lahatsoratro ity, tsy azoko antoka hoe inona no ho atao, aiza no hanombohana, hitodika aiza? Misy koa ve anefa ny toerana azoko anombohana? Ato anatin'ny folo andro manaraka dia ho lasa lohahevitry ny resadresaka ny momba azy io, hotrandrahan'ireo media ny hirifiry sy famoizana nanjo ireo fianakaviana rava, hanome vola ho takalon'ny rà latsaka sy famoizana aina ny governemanta mba ho fanadiovany ny tenany.