- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fitsarana Any Maraoka: Nahemotra Indray Ny Fitsarana Ireo Mpiaro Ny Zon'Olombelona

Sokajy: Maraoka, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Zon'olombelona, GV Mpisolovava
Hicham Mansouri and Maâti Monjib at press conference about their trial in Rabat. January 2016. Photo by Samia Errazouki.

Valandresaka nataon'i Hicham Mansouri sy Maâti Monjib  momba ny fitsarana tao Rabat. Janoary 2016. sary: Samia Errazouki.

Nahemotra ny 29 Jona 2016 ny fitsarana an'ireo mpanao gazety sy mpiaro ny zon'olombelona Maraokana fito izay saika hatomboka amin'ity herinandro ity. Natao nandritra ny fihainoana tamin'ny 23 Martsa 2016 tao amin'ny Tribonaly ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Rabat izany fanapahan-kevitra izany.

Anisan'ireo voampanga i Hicham Khribchi na i Hisham Almiraat , dokotera mpitsabo sy mpikambana efa ela tato amin'ny Global Voices. Mpitari-teny tany Maraoka teo amin'ny tontolon'ny bilaogy efa ho folo taona i Hisham. Niara-nanorina ny tetikasa mediam-bahoaka Talk Morocco [1] sy Mamfakinch [2] izy, ary efa talen'ny mpanandra-peo na advocacy tato amin'ny Global Voices.

Miaro ny zon'olombelona, ​​ mitazona ny manam-pahefana ho tompon'andraikitra eo anoloan'ny vahoaka, ary manandratra ny fanjakana tan-dalàna ao amin'ny fireneny ireo mpanandra-peo fito [3] ireo. Ny dimy nampangaina ho “mandrahona ny Filaminam-bahoaka ” ary ny roa voapanga ho “nahazo famatsiam-bola avy any ivelany ary tsy mampahafantatra ny Sekretaria Jeneralin'ny governemanta.”

Nahemotra ny fitsarana na dia eo aza ny talahon'ny komitin'ny fiarovana tamin'ny mpitsara ny hanombohana tsy misy hatak’ andro ny fombafombam-pitsarana. Ahitana mpahay lalàna folo ary tarihan'ny mpahay làlana Abderrahmane Benameur ny komity fiarovana. Ny filohan'ny mpitsara nanamarina ny fanemorana herinandro noho ny tsy fahatongavan'ny roa lahy amin'ireo fito voampanga, dia i Hicham Mansouri sy i Hicham Khribchi,.

Nisy mpanara-maso dimy avy any ivelany nanatrika ny fihainoana fohy: Richard Winfield avy amin'ny Sekolin'ny Lalàna ao Kolombia, mpiara-manorina ny Tetikasa Mpahay Lalàna Zokiolona Iraisampirenena (ISLP, New York); Kristina Mendoza, mpikambana ao amin'ny ISLP; Yasmine Kacha, filohan'ny RSF ao Maghreb manana ny biraony ao Tunis; Peter Ganz, Filoha Lefitry ny Observatoire de la déontologie de l’information, mpanara-maso ny fampitam-baovao, sady solontenan'ny komity mpanohana iraisampirenena ireo voampanga (Paris); ary i Veronica Janssen, mpanolo-tsaina ara-politikan'ny delegasionan'ny Vondrona Eoropeana ao Rabat. Noho ny fangatahan'ny ny mpitsara dia nanolotry ny ny komitin'ny fiarovana ny voampanga ho an'ny fitsarana ny lisitry ny anaran'ireo vahiny mpanara-maso.

Fotoana fohy talohan'ny ny fihainoana, ny komity mpanohana dia nikarakara valandresaka tao amin'ny foiben-toeran'ny Fikambanana Maraokana Mpiaro ny Zon'olombelona (AMDH) tao Rabat. Niteny tao amin'ny valandresaka, niaraka tamin'i Atoa Ganz, Rtoakely Kacha ary Atoa Abderrahim Jamai ny roa tamin'ireo fito voampanga, Atoa Monjib sy Atoa Tarik Rachid.

Nanatrika ny valandresaka ihany koa ireo solontenan'ny masoivohom-baovao iraisampirenena ao Rabat (Agence France Press, Reuters, Associated Press ary ny EFE) ankoatra ny tambajotra Al-Jazeera. Miharihary ho tsy nanatrika ny valandresaka kosa ny mpanao gazety tao an-toerana.

Ny Filohan'ny AMDH Ahmed Al Haye no namaky ny fanambarana avantana any amin’ Atoa David Kaye, Solontena manokan'ny Firenena Mikambana momba ny fampiroboroboana sy ny fiarovana ny Zo Hiteny sy Haneho hevitra Malalaka.

Ho valin'ny fanontaniana iray avy amin'ny mpanao gazety momba ny tsaho fa mety nitady fialokalofana ara-politika any ivelany ny voampanga ny sasany, dia niteny i Maati Monjib fa mety ‘ho takany ny antony tsy itokisan'ny tanora intsony ny [rafi-]pitsarana ao amin'ny fireneny. “

Nikarakara fihetsiketsehana kely tanaty orana teo anoloan'ny fitsarana ny komity fanohanana nandritra ny fihainoana.

Hamaky bebe kokoa:

#Justice4Morocco: 7 Defenders of Free Expression Face Trial [3]

[TIMELINE] Morocco: Political Repression in the Era of Social Media [4]

Global Voices Community: We Stand With Hisham [5]