Manao Lalao Madio ny Rehetra Amin'ny Ady Amin'ny Fampihorohoroana Ao Torkia

DAVOS-KLOSTERS/SWITZERLAND, 29JAN09 - Recep Tayyip Erdogan, Prime Minister of Turkey, gives a press conference after Erdogan had walk out of the session 'Gaza: The Case for Middle East Peace' at the Annual Meeting 2009 of the World Economic Forum in Davos, Switzerland, January 29, 2009. Copyright by World Economic Forum swiss-image.ch/Photo by Andy Mettler. Permission to reuse.

Recep Tayyip Erdogan, Filoha ao Torkia, nanao ny valandresaka taorian'ny fanatrehana ny fivoriana ”Gaza :Ny raharahan'ny fandriampahalemana any Afovoany Atsinanana” izay fivoriana isan-taona 2009 tamin'ny fifanakalozan-kevitra ara-toekarena Manerantany tao Davos, Soisa, ny 29 January  2009. Fizakamanana: World Economic Forum swiss-image.ch/Sary : Andy Mettler. Nazahoana alalana ho ampiasaina.

Tsy tia ireo izay mitsikera ny politikany, ny fanapahan-keviny ary ny fomba fitarihany ny Filoha Erdogan. Fa raha tokony hamela ny olona hampihatra ny fahalalahana miteny izy dia manenjika azy amin'ny fomba mivandravandra.

Ao anatin'ny rivo-piainana vaovaon'ny tahotra taorian'ny fanafihana fampihorohoroana mahafaty any amin'ny faritra maro ao amin'ny firenena, izay midika hoe tsy ny mpanao gazety ihany, fa ny mpampianatra oniversite sy ny mpiserasera media sosialy no  mora iharan'ny fanenjehana.

Tamin'ny 11 Janoary, manam-pahaizana 1128 avy eo an-toerana sy iraisampirenena avy amin'ny anjerimanontolo 89 no nandray anjara tamin'ny fanangonan-tsonia miantso ny governemanta hamarana ny “vono sy ny fandripahana” any atsimo atsinanan'i Anatolia, izay ifanandrinan'ny governemanta amin'ny milisy Kiorda , ary [miantso] ny hiverenana amin'ny fifampiraharahana an-databatra.

Ho valin'izany, tsy nametaka anarana fotsiny ireo mpanasonia ho “tsy mahalala na inona na inona” ny Filoha Recep Tayyip Erdogan fa niampanga azy ireo ho “mpamadika”, nampanantena ihany koa izy fa hitondra azy ireo any amin'ny fitsarana.

Anisan'ireo iraisampirenena nanasonia i Noam Chomsky, David Harway, Slavoj Zizek ary Immanuel Wallerstein.

Nanome tsiny i Erdogan  :

Despite all of these facts [human rights violations in the southeast being committed by terrorists and not the state] this crowd, which calls itself academics, accuses the state through a statement. Not only this, they also invite foreigners to monitor developments. This is the mentality of colonialism […]

Hey, you so-called intellectuals! You are not enlightened persons, you are dark. You are nothing like intellectuals. You are ignorant, and dark, not even knowing about the east or the southeast. We know these places just like we know our home addresses!

Na dia eo aza ireo zavamisy rehetra [ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao atsimo-atsinanana nataon'ny mpampihorohoro fa tsy ny fanjakana] ity vondron'olona ity, no miantso ny tenany ho manampahaizana mpampianatra ambony, miampanga ny fanjakana amin'ny alalan'ny fanambarana. Tsy izany ihany, manasa ny hafa firenena ihany koa izy ireo hanara-maso fivoaran-draharaha. Toe-tsaim-panjanahantany izany […]

Hey, ry ianareo antsoina hoe manampahaizana! Tsy olona manana ny mazava ianareo, maizina ianareo. Tsy manana na inona na inona maha avo ara-pianarana anareo ianareo. Tsy mahalala na inona na inona ianareo, ary maizin-tsaina, tsy mahalala akory na dia ny ny atsinanana na ny atsimo-atsinanana aza. Fantatray ireo toerana ireo tahaka ny fahafantaranay ny adiresintranonay!

Ny fihetsiky ny filoha manoloana ny fanangonan-tsonia no manasongadina ny firongatra tsimoramora ny kabary tsara lahatra entina miady amin'ny fampihorohoroana any Torkia hanohanana ny fisamborana sy fiampangana olom-pirenena tokony heverin'ny ankamaroan'ny firenena ho ‘foromporonina’.

Vao haingana indrindra tamin'ny 14 Martsa i Erdogan nanoro hevitra amim-pahasiahana ny “Hanitatra ny famaritana” ny fampihorohoroana:

Their titles as an MP, an academic, an author, a journalist do not change the fact that they are actually terrorists. An act of terror is successful because of these supporters, these accomplices.

Ny anaram-boninahitra mahadepiote, mpampianatra ambony, mpanoratra, mpanao gazety dia tsy hanova ny zavamisy fa mpampihorohoro tokoa izy ireo. Asa fampihorohoroana mahomby noho ireo mpanohana, ireo mpiray tsikombakomba.

Mpampihorohoro amin'ny filoha izany manam-pahaizana izany

Ny fanehoan-kevitra farany nataon'i Erdogan dia tonga roa volana katroka taorian'ny nanombohan'ny  mpampanoa lalàna ny famotorana miampanga mpampianatra anjerimanontolo maromaro ho “manao fampielezan-kevitra mampihorohoro ” sy “mitarika ny olona ho amin'ny fankahalana, ny herisetra, mbamin'ny fandikana lalàna” ary ny “fanompana ny andrim-panjakana Tiorka sy ny repoblikaTiorka.”

Araka ny tatitry Human Rights Watch tamin'ny datin'ny 16 Martsa :

In the latest attack on free speech in Turkey, three academics who signed a peace petition in January 2016 have been jailed by an Istanbul court on suspicion of “making terrorist propaganda.” The three were jailed on March 15, 2016, pending the completion of a criminal investigation.

At least 30 other academics have been dismissed and 27 suspended by their universities pending investigation. The Istanbul prosecutor responsible for terrorism crimes is conducting a criminal investigation into all the academics who signed the petition and many local investigations are taking place.

Tamin'ny fanafihana farany indrindra natao tamin'ny fahalalahana miteny ao Torkia, manam-pahaizana telo, izay nanasonia ny fanangonan-tsonia mitady fandriampahalemana tamin'ny Janoary 2016 no nogadrain'ny fitsarana iray ao Istanbul amin'ny fiahiahiana ho “manao fampielezan-kevitra fampihorohoroana.” Nampidirina am-ponja tamin'ny 15 Martsa 2016 izy telo ireo, eo am-piandrasana ny famotorana ady heloka bevava .

Farafahakeliny mpampianatra anjerimanontolo 30 no voaroaka ary manampahaizana 27 no naaton'ny oniversite miandry famotorana. Mitarika famotorana ady heloka bevava ireo manam-pahaizana rehetra nanao sonia ny fanangonan-tsonia ny mpampanoa lalàna ao Istanbul miandraikitra ny raharaham-pampihorohoroana ao an-toerana ary maro ny famotorana notontosaina tao an-toerana.

Raha voaheloka ireo lehilahy sy vehivavy ireo dia miatrika famonjana iray ka hatramin'ny dimy taona an-tranomaizina.

Tsy rariny izany! voatazona nigadra irery any am-ponja ny Prof. Mpanampy Esra Mungan, manampahaizana nanasonia ny fandriampahalemana .https:t.co/yCz4NgnZVF

Politika poizina

Indrisy anefa, raha misy maro ireo vonona ny hiaro ny zon'ny manam-pahaizana halalaka miteny, dia misy ihany koa ireo vonona ny hitarika amin’ ny fanenjehana azy ireo. Raisina ho ohatra i Sedat Peker, efa voaheloka ho lehiben'ny famonoana olona manana fijery elatra ankavanana, izay nampanantena ny “hampandriaka ny rà”-n'ireo manam-pahaizana izay mety “hanara-drenirano”.

Ny fanambarany dia niseho fotoana fohy taorian'ny nisamborana ireo manam-pahaizana telo izay voampanga ho mpanao fampielezan-kevitra fampihorohoroana. Ankoatra izany, notànana ary noroahina hiala ny firenena avy eo ny manampahaizana Britanika iray anisan'ny iraisampirenena nanao sonia ny antso hamaranana ny herisetra.

Raha nisahotahotaka ny fanafintohinana dia namoahan'i Erdogan fandrahonana ny fitsarana tampony ao Torkia, izay namoaka didy tamin'ny 25 febroary fa fanitsakitsahana ny zony amin'ny fahalalahana miteny ny fihazonana mialoha ny fotoam-pitsarana ireo mpanao gazety roa.

“Manantena aho fa tsy hanandrana hamerina izany intsony amin'ny fomba mety mitondra mankany amin'ny fanoherana ny fisiany sy ny maha-ara-dalàna azy ny Fitsaran-Dalàmpanorenana ,” hoy izy.

Mampihorohoro ny fitsarana amin'ny famotsorana mpanao gazety i Erdogan ao Torkia, ny tantara:https://t.co/zavsdqd94Z #video https://t.co/qfyBH1l36N

Tsy fantatra amin'ny fomba virtoaly hamantarana ilay firenena vao herintaona monja i Torkia ankehitriny.. Hatramin'ny Jona 2015 dia nitrangana fipoahana enina nahafatesana tsy manan-tsiny mihoatra ny 600 sy  naharatrana olona 1000 mahery tao amin'ny firenena.

Ireo antontanisa mahatohina ireo amin'ny ampahany dia vokatry ny fahapotehan'ny zava-bita iray lehibe indrindra nataon'ny governemanta ankehitriny tamin'ny fomba mampahonena – ny saika nahavitan'ny ady nifanaovana tamin'ny Kiorda mpisintaka – sy ny fiantsorohan'ny fanjakana tanteraka ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao anatin'ny fotoan-tsarotra.

Raha efa hita nihozongozona izy eo amin'ny politika tiorka taorian'ny fifidianana tsy nahazoam-pandresena tamin'ny Jona farany, dia mamelona toe-draharaha politika fatra-piahiahy sy mampisara-bazana  indray ankehitriny ny Antokon'ny Rariny sy ny Fampandrosoana (AKP) entin'i Erdogan.

Ao amin'ny rivo-piainana toy izany, ny antso ho amin'ny fandriampahalemana dia lasa mitovy amin'ny antso hanohanana mpisintaka manao herisetra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.