Ny Fomba Anoheran'Ireo Syriana Mpikatroka Any Raqqa Ny ISIS

Naoty avy amin'ny RBSS any Raqqa mivaky hoe: “ISIS sy Assad, Tanjona mitovy, Tombontsoa mitovy, 29/9/2014″. Dikasary avy tamin'ny sarin'ny RBSS nisongadina tao anatin'ny tatitry ny Sky News.
Lahatsary mahazendana azon'ny Sky News, mampiseho ny fomba anoheran'ireo Syriana mpikatroka any Raqqa ny ISIS, Raqqa ilay tanàna izay nomena anaram-petaka hoe ‘ny renivohitry ny ISIS’. Anisan'ny ao anatin'ny vondrona ‘Raqqa is Being Slaughtered Silently” (RBSS) (Tapa-tenda Tsikelikely i Raqqa) ireo mpikatroka mafana fo ireo, vondrona mpikatroka voarindra tsy manana fironana, lazalazain'ny New Yorker hoe “sahala amin'ny orinasa ambanin'ny tany fanaovana gazetin'ny mpikatroka mafana fo”, izay sady niady tamin'ny fitondran'i Bashar Al Assad tamin'ny fiatombohan'ny revôlisiôna, avy eo ny ISIS, fony nitantana ny tanàna ny Free Syrian Army (FSA) (Tafika Malalaka Syriana).
Nifankahalàla tamin'i Abdulaziz Al-Hamza izahay, Syriana mpikatroka mafana fo izay sesitany any Tiorkia ankehitriny, noho ny fitiavany ny FSA ary anisan'ny mpanorina ny RBSS. Nihaona tamin'ny mpikatroka iray hafa i Al-Hamza, Sarmad Al Jilane, izay sesitany any Tiorkia ihany koa, ary miaraka amin'ireo olona hafa 15, namorona ny RBSS izy ireo amim-panantenàna ny hanamora ny fampitàna ireo sary sy lahatsary nalain'ireo mpikatroka manohitra ny ISIS mbola mipetraka any afovoan'ilay ‘renivohitry’ ny vondrona mpampihorohoro, izay mifehy faritra amin'ireo ampahan'i Syria sy Iràka.
“Lazain'ny olona fa Raqqa no renivohitry ny ISIS. Te-hanaporofo izahay fa diso izy ireo,” hoy i Al Jilane tamin'ny Sky News. Marina fa isanandro izahay mahita lahatsarin'ireo olona manohitra ny ISIS. Miainga amin'ny fanangànana tanambokovoko amin'ny alina hanoratana ny hoe ‘enga anie hirodana ny ISIS’ eny amin'ny rindrina, ady iray tsy misy fitaovam-piadiana ny fanoheran'izy ireo, izay resy tamin'ny ady nifanoherana tamin'ilay vondrona mpampihorohoro ny taona 2014.
Nomen'ny Sky News anarana hoe ‘Abu’ ilay lehilahy izay nanoratra io naoty io, mba hiarovana ny mombamomba azy. Manamarina ny fihitaran'ny haratsian-toetran'ny ISIS ny fijoroany vavolombelona. Omena vola ireo tanora eo anelanelan'ny 16 sy 18 taona mba hiampanga ireo mpandàla ny FSA. Esorina amin'ireo fianakaviany ireo tanora ambanin'ny 16 taona ary alefa any amin'ny toby izay anaovana fanasàna atidoha amin'ny fotokevitra tokony arahana. “Avadiky ny ISIS ho baomba miandry fipoahana ireo ankizy ireo,” hoy i Abu nanamarika. Misy sary manahirana be ny saina avy eo manaraka izay, ahitantsika ireo ankizy mody maty ary ankizy iray hafa manapa-doha biby tsy tena izy. Miteny aminay avy eo i Al Jilane momba ny fomba ametrahan'ny ISIS ireo ankizy eo anoloana rehefa misy fanafihana ary ny fanofanany izy ireo ho lasa mpanao vy very ny ainy na terena hanao manda olona.
Fa tsy miezaka ny manakorontana ny lalànan'ny ISIS ao Raqqa fotsiny ny RBSS. Miezaka ny miady amin'ny fotokevitry ny ISIS ihany koa izy ireo. Ohatra iray nomena ny fampiasàna ny gazetiboky mifono sahala amin'ilay zarain'ny ISIS. Rehefa manokatra ilay gazetiboky ny mpamaky vao mahita ireo fanambaràna manohitra ny ISIS napetrak'ireo mpikatroka RBSS mafana fo.

Havia: mpikatroka mafana fo an'ny RBSS mametraka takelaka mivaky hoe “Tsia ho an'ny ISIS ary tsia ho an'i Assad, fahalalahana mandrakizay”. Havanana: mpikatroka mafana fo an'ny RBSS manoratra eo amin'ny rindrina hoe “enga anie hirodana ny ISIS”. Dikasary avy tamin'ny sarin'ny RBSS nisongadina tao anatin'ny tatitry ny Sky News.

Ireo mpikatroka mafana fo mpanohitra ny ISIS any Raqqa, mampiakatra lakroa iray taorian'ny nandrodanan'ny vondrona mpampihorohoro azy io. Dikasary avy tamin'ny lahatsarin'ny RBSS nisongadina tao anatin'ny tatitry ny Sky News.
Manao vy very ny ainy ireo mpikatroka RBSS. Ny tena marina, efa namoy ny ainy ny sasany amin'ireo mpikatroka RBSS. Mutaz Billah Ibrahim, mpanao gazety iraika ambiny roapolo taona, an'ilay Shaam News Network (SNN) tantanin'ny olon-tsotra, novonoin'ny ISIS ny 4 May 2014, taorian'ny nahatratrarana ny solosainany entin-tànana nisy ny sary famantarana ny RBSS. Ny volana Oktobra 2015, natao toy izany ihany koa i Ibrahim Abd Al-Qader tany Urfa, Torkia atsimo, niaraka tamin'ireo mpanao gazety namana Fares Hamadi. Niasa ho an'i RBSS i Al-Qader ary ny ‘maso eo amin'ny firenena‘, vohikalam-baovao Syriana.
Avy eo tonga ny anjaran'i Ahmad Muhammed Al Musa, mpikambana ao amin'ny RBSS ihany koa, izay novonoinà lehilahy nisaron-tava tany Idlib, Syria. 10 andro taty aoriana, nisy nitifitra tao Gaziantep, Tiorkia ilay mpikatroka mafana fo an'ny RBSS sady talen'ny famoahana horonantsary Naji Jerf.
#Raqqa Ahmad Mohamed Almossa one of #RBSS Members got killed Assassinated in #Idlib #Syria by Unknown Masked group pic.twitter.com/p3A1YESjZD
— الرقة تذبح بصمت (@Raqqa_SL) diciembre 16, 2015
#Raqqa Maty novonoin'olona nisaron-tava tao #Idlib #Syria i Ahmad Mohamed Almossa iray amin'ireo mpikambana ao amin'ny #RBSS
Our movie director Naji Jerf “father of 2 kids” was assassinated by suppressor gun today in Gaziantep “#Turkey” pic.twitter.com/F3TFZyAwk9
— الرقة تذبح بصمت (@Raqqa_SL) diciembre 27, 2015
Matin'ny basin'ireo mpamoritra androany tao Gaziantep ny talen'ny fanodinana lahatsary ato aminay, Nai Jerf, “niteraka 2″
Nomen'ny Kaomity Miaro ny Mpanao gazety (CPJ) voninahitra tamin'ny fanomezana ny Lokan'ny Fahalalahan'ny Fanaovana gazety Iraisampirenena 2015 ny RBSS noho ny asa fanaovany gazety. Tamin'ny kabarim-panekeny, nilaza izao ny mpitondra tenin'ny RBSS (ampahany):
Miteny androany aho amin'ny anaran'ireo Syriana an-tapitrisany mitaky firenena malalaka, demokratika ary miray.
Malahelo lalina ny fireneko tsara tarehy aho. Tena mijaly mafy amin'ny aretin'ny tazom-pahefànaa sy ny homamiadan'ny fampihorohoroana izy, tena mafy tokoa hany ka manahy ny faharavan'ny fanahiny aho.
Eo antenantenan'ny hery roa misetrasetra sy lozabe izahay. Ny fitondrana manao heloka bevava ny voalohany, tsy manan-tsaina hafa afatsy ny fahefàna, milaza ho miady amin'ny fampihorohoroana amin'ny famonoana ireo ankizy.
Ny faharoa manaparitaka ny ratsy sy ny tsy rariny, ary mandoko ny firenenay ho mainty.
Samy manao anay ho toy ny mpanao heloka bevava izy ireo satria aborakay amin'izao tontolo izao ny asany. Amin'izao, lasa voasazin'ny lalàna ho faty ny fanononana fotsiny ny anarana hoe “RBSS”.
Tanaty tafatafa iray ny volana Jolay 2015 niaraka tamin'ny CPJ, nilaza ny zavatra mety hahazo ny vondrona i Abu Mohammed, mpanorina ny RBSS izay miaina any ivelan'i Syria:
Tonga amin'ny endriny maro ny fandrahonana, fa miseho efa ho isanandro izy ireny.” Nilaza izy fa ireo mpikambana any ivelan'i Syria, tafiditra amin'izany ny tenany, dia matetika mahazo antso an-tariby sy emailaka milaza fa raha tsy mijanona mandefa ireo vaovao izy ireo, dia ho vonoina. Nisy nijirika ny Twitter an'ny vondrona sy ny kaonty emailaka an'ny tsirairay. Fa ireo mpanao gazety ao anatin'ny Raqqa no tena tandindonin-doza lehibe indrindra, hoy Abu Mohammed. “Nasiana fakàna lahatsary mba hanarahana maso ireo rehetra ahiahiana ho miasa ho anay. Raha tratra eny an-dalana ny olona voarohirohy, vonoina eo imason'ny rehetra izy ireo.”
Amin'izao fotoana hanoratana izao, mpikamban'ny RBSS iray ihany sisa no mijanona any Torkia.
Mandahatra an'i Syria ho anisan'ireo ratsy indrindra amin'ireo mpanitsakitsaka ny fahalalahana miteny ireo Mpitati-baovao Tsy Voafetran'ny Sisintany (RSF), any amin'ny 176 amin'ireo firenena 179 amin'ny tondrony manerantany momba ny fahalalahan'ny fanaovana gazety. Hatramin'ny volana Martsa 2011, mpanao gazety niisa 49 no maty novonoina tany Syria, mpanao gazety valo naiditra am-ponja, mpisera amin'ny aterineto 17 nampidirina am-ponja ary mpisera amin'ny aterineto sy olon-tsotra mpanao gazety 142 novonoina.
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...