- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Herinandro 237, Tsy Very Fanantenana i Maheen Taseer Nino Fa Mbola Hiverina Ny Vadiny Nalaina An-keriny

Sokajy: Azia Atsimo, Pakistana, Mediam-bahoaka, Vaovao Tsara
Maheen and Shahbaz. Photo courtesy Maheen and used with her permission.

Maheen sy Shahbaz Taseer. Sary avy amin'i Maheen Taseer, nahazoana alalana.

Nanamarika ny Zoma farany tsy niarahan'i Maheen Taseer tamin'ny vadiny ny andron'ny 4 Martsa 2016. Izay rehetra nanjohy ny vaovao farany nalefany tao amin'ny Twitter na Facebook dia nahafantatra fa izany Zoma izany no tena mafy indrindra tamin'ny andro rehetra, satria andro amin'ny herinandro izay nakàna an-keriny ny vadiny avy any Lahore, Pakistan. Nivady vao herintaona mahery kely izy ireo raha nitranga izany.

Vita tamin'ny 8 Martsa, Andro Iraisam-pirenena ho amin'ny Zon'ny Vehivavy, ny dimy taona lava dia lava niandrasana, raha hita tao an-tanànan'i Kuchlak akaikin'i Quetta, renivohitry ny faritra Pakistaney Balochistan i Shahbaz Taseer .

Milaza ny tatitra fa notazonin'ireo milisy i [1]Shahbaz, na dia tsy mazava tsara aza hoe iza ilay vondrona milisy. Adihevitra be [2] ihany koa ny toe-draharaha tamin'ny famotsorana azy – raha voaavotra tamin'ny fisavana nataon'ny manampahefana izy na navotsotra noho ny fifanarahana.

Saingy tsy izany no tena tantara. Fa ny tantara dia momba ny fitiavana, ny alahelo tsy takatry ny saina sy fihaonana feno hafaliana ho an'ny ankohonana iray nisedra zavatra betsaka.

‘ Vavaka iray hatrany no teo am-bavako’

Niely taloha ny tsaho momba ny famotsorana an'i Shahbaz. Tamin'ity indray mitoraka ity, raha nivoaka ny vaovao, dia nohamarinin'ny Jeneraly Asim Bajwa, tale jeneralin'ny Servisy Iraisan'ny Seraseram-bahoaka, sampana ao amin'ny seraseram-bahoakan'ny miaramila tao amin'ny Twitter izany:

Sary farany nalain'Andriamatoa Shahbaz Taseer nalaina androany tao Quetta tamin'ny 9:30 hariva. Narovana tanteraka, salama sy avotra soa aman-tsara izy

Raha vao nandre ny vaovao i Maheen, vadin'i Shahbaz, nisioka ny isan'ny andro nanjavonan'ny vadiny, miaraka amin'ny vavaka fohy amin'ny teny Arabo izay matetika tononina mba hanamaivana ny fahoriana:

Herinandro 237 – “La ilaha illa anta, Subhanaka, Inni kuntu minaz-zalimin”

Shahbaz dia zanaka- lahin'ny governora taloha tao amin'ny faritanin'i Punjab, Salman Taseer, izay novonoin'ny mpiambina azy manokana noho ny fijoroany manohitra ny lalànan'ny faniratsirana ao Pakistana. Nalaina an-keriny volana maromaro taorian'ny famonoana an-drainy i Shahbaz, ary izao famotsorana izao dia nitontona herinandro taorian'ny fanantonana an'i Mumtaz Qadri, namono ny rainy.

Natao hiaritra ireo tombatombana mahery vaika sy fanontaniana tsy misy fiafarana ny fianakaviana nanomboka tamin'izany, tahaka ny tamin'ny 2013, raha nitatitra am-pahadisoana ny fampahalalam-baovao vitsivitsy fa namoy ny ainy tao anatin'ny fanafihana an-habakabaka i Shahbaz .

Na inona na inona tsaho, tsy mba very fanantenana mihitsy ny reniny Aamna sy ny vadiny Maheen:

Mandika tantara diso momba ny fianakavianay sy Shahbaz ny haino aman-jery / gazety. Iriko mba nisy ny fahaizana mandray andraikitra.

Isaky ny zoma, te hangataka amin'ny olona i Maheen mba hivavaka ho amin'ny fiverenan'ny vadiny, mizara andinin-tsoratra amin'ny Korany, ary mamoaka fomba teny mampitraka azy ary taratasy avy amin'ny rainy. Nanana laharana ny herinandro tsirairay, ary miakatra izany laharana izany isaky ny mizara ny heviny izy, isan-kerinandro :

Herinandro 230- Herinandron'ny fanambadianay ihany koa izany- tao anatin'ny 6 taona, herintaona ihany no niarahanay. Ho an'ny maro hafa ao anatin'ny fahasalamana. Amen

Nalaina an-keriny tao #LaylatulQadr efa-taona lasa izay i @ShahbazTaseer  – Vavaka iray ihany no tao am-bavako. Hihaino anay anie Allah amin'ity taona ity. Amen

Manamarika ny Herinandro faha-200 nambaboana an'i Shahbaz androany. Roza Voalohany, Sehri Voalohany & Zoma Voalohany. Mba mivavaha ho azy. Ho tsara fanahy anie i Allah

Nandritra izany fotoana lavabe izany, nametraka ny marika lamaodiny Maheen Ghani Taseer (MGT) i Maheen ary nanokana ny famoronana rehetra ho an'ny vadiny :

Andian-damaody vitsy mpanana “Vaillant” – teny frantsay midika hoe mahery fo, be herim-po sy vonona. Natokana ho an'ilay be herim-poko @ShahbazTaseer

Nanisa ny andro hatramin'ny nangalana an-keriny ny zanany lahy ny renin'i Shahbaz, Aamna, matetika izy mizara ny sarin'i Shanbaz tamin'ny fahazazany ary mivavaka ho amin'ny fiverenany lavitry ny loza:

Avy amin'ny voatsinapy kely no hitomboan'ny hazo lehibe. Homba anao anie Allah ary hamarana izao fahoriana izao ry zanako

‘Afa-mamatotra anao ny tahotra, afa-manafaka anao ny fanantenana’

Nizara ny sary tamin'ny fihaonan'i Shahbaz sy ny sakaizany ny jeneraly Bajwa:

Nizotra ho any Lahore, tanindrazany i Shahbaz Taseer ary nihaona tamin'ny fianakaviany

Ho an'i Shahbaz, niala tamin'ny fahanginany izy tamin'ny 9 Martsa raha nandefa lahatsoratra tao amin'ny kaonty Facebook-n'ny vadiny manambara ny fiverenany [19]:

I dont know my facebook password. But good to be back dude!- shabby

Tsy fantatro ny tenimiafina amin'ny Facebook-ko. Saingy tsara fa tafaverina ry namana – Shabby

Tao amin'ny Twitter, niverina tamin'ny tsongan-teny iray izy:

Afa-mamatotra anao ny tahotra, afa-manafaka anao ny fanantenana

Araka ny tatitra sasany, voalaza fa nandoa vola 350 ropia i Shahbaz hahazoana sakafo rehefa nalatsak'ireo mpaka an-keriny [21] tao amin'ny hotely iray ao an-toerana ao Kuchlak, Quetta izy. Niditra Twitter i Shahbaz mba hanazava ny fijeriny tamin'ny vazivazy sasantsasany natapony (hena ao an-toerana sy sakafo matsiro ny nehari):

Aoka hazava .. tsy mbola nihinana zavatra tamin'ny 350 ropia aho nehari no sakafo voalohany

Mira Sethi, naman'ny fianakaviana, mpanoratra sady mpiantsehatra, naneho ny hafaliany tamin'ny lahatsoratra [25] tao amin'ny Facebook :

My family and I met Shahbaz today. The story is his to tell. And it is a story that will inspire millions. But I will say one and two and three things: Shahbaz Taseer is a living, breathing, jokes-cracking, irony-appreciating, hope-giving, immensely lovable, resilient, intelligent, weathered, transcendent human being.

Shabby's return is the shedding of an old and hardened Pakistani cynicism. It is the embrace of an equally frenzied Pakistani hope.

It is the sloughing off of a psychological tiredness. It is the embrace of life.

It is also an understanding of the capriciousness of the State.

It is an appreciation of one man's courage, his father's legacy, his mother's love, his brothers’ loyalty, his sisters’ courage, his wife's grace, his friends’ endless, praying hope.

Nihaona tamin'i Shahbaz izaho sy ny fianakaviako androany. Azy ny tantara holazaina. Ary tantara hitondra aingam-panahy ho an'ny olona an-tapitrisany. Saingy hilaza zavatra iray sy roa sy telo aho: velona, miaina, be vazivazy, mandray esoeso, manome fanantenana, mahatehotia loatra, mahazaka, maranitsaina, matotra, olombelona mahatalanjona i Shahbaz Taseer.

Ny fiverenan'i Shabby dia fandarohana ny tsy fitokisana olana efa nisy taloha sady nihamafy teo amin'ny Pakistaney, famihinana ny fanantenana mahery fitroatra eo amin'ny Pakistaney.

Fiendahan'ny faharerahana ara-tsaina sy amam-panahy izany. Famihinana ny fiainana.

Fahatakarana ny haitraitran'ny Fanjakana ihany koa izany.

Fankasitrahana ny herim-pon'ny lehilahy iray, ny lova navelan'ny rainy, ny fitiavan'ny reniny, ny fitokisan'ny rahalahiny sy ny herim-pon'ny anabaviny, ny fahasoavan'ny vadiny sy ny vavaky ny fanantenanana tsy misy fiafarana nataon'ny namana izany.

Mandritra izany, tsy faly mihoatra noho izany i Maheen, manoratra fa “Tonga an-trano ny malalan'ny foko mashAllah” ary nizara ny sariny [26]mamihina ny vadiny tao amin'ny Facebook :

Screenshot of Maheen Taseer's Facebook post. [26]

Pikantsarin'i Maheen Taseer tamin'ny lahatsoratra tamin'ny Facebook.