Oniversite Belza Mandray Mpitsoa-ponenana

VUB/Faritry ny Oniversite Afaka ao Bruxelles ao Etterbeek Sary: Big Apple/Creative Commons
Ity lahatsoratra nosoratan'i Jeb Sharp ity dia nivoaka voalohany tao amin'ny PRI.org tamin'ny 7 Martsa 2016, ary navoaka eto indray noho ny fifanarahana fifampizarana votoaty.
Raha nifindra tany Belzika i Mohammad Salman mba hanohy ny fianarana Ph.D amin'ny siansa politika tamin'ny 2010, efa nieritreritra ny hiverina an-tanindrazana any Syria izy. Nahazo vatsim-pianarana feno tany amin'ny governemanta Siriana izy mantsy.
Saingy raha nipoaka ny ady. Ary nilatsaka tamin'ny governemanta Siriana ny sazy, lany vetivety ny volan'i Salman. “Tena fotoana ratsy ho ahy izany teo amin'ny ara-bola,” hoy izy. Miresaka momba ny taona 2013 sy 2014. Nisy fotoana, nidina hatrany amin'ny 80 euros (eo amin'ny 90 dolara Amerikana eo) ny kaontiny tany amin'ny banky.
Saingy tsy vonona handao azy ireo mpampianatra tao amin'ny VUB, Oniversite Afaka ao Bruxelles. Nanangona vola tetsy sy eroa izy ireo, ary nanome fampianarana azy sy nandrisika azy mba hamita ny boky asakaroka (mémoire) ao anatin'ny enina ka hatramin'ny sivy volana. Vitany. Ary satria tany Belzika nandritra ny dimy taona izy tamin'ny fotoana nahavitany ny boky, dia afaka nangataka fizakàna zom-pirenena Belza izy ary azony izany

Mohammad Salman Sary: Nampindramin'i Mohammad Salman/VUB
Vonona hamaly soa indray izy ankehitriny. Nokaramaina hanatontosa fandaharana vaovao ao amin'ny VUB izy mba handraisana mpitsoa-ponenana eo anelanelan'ny 100 sy 200. Tsy maintsy manana antontan-taratasy maha-mpialokaloka ry zareo ary tsy maintsy manana fari-pahaizana afaka miditra amin'ny fianarana ambony. Nahazo fangatahana 800 izy hatramin'izao.
“Tena faly aho manohana ity fandaharana ity,” hoy izy. “Mahita ny tenako ao amin'izy ireo tsirairay avy aho.”
Anjaran'i Salman ny manamarina ny diplaoma sy ny antontan-taratasy avy any an-tanindrazana. Ary anjarany ihany koa ny manadihady azy ireo amin'ny haben'ny fisokafan-tsain-dry zareo sy ny halalahan-kevitra ao amin'izy ireo izay amantarana ny Oniversite Afaka.
“Hahatsapa haingana izahay rahasahaza izany na tsia ilay olona”, hoy i Koen Van den Abeele, izay mandrindra ny vondron'asan'ny oniversite misahana ny mpitsoa-ponenana.
Nanatontosa ny fikarohana savaranonando i Van den Abeele ijerena izay karazana fangatahana atao ho an'ny programa ho an'ny fandaharana ary sahirankirana izy vao nahazo lahatahiry avy amin'ny governemanta.
“Misalasala be ry zareo hanome ny lahatahiry satria fampahafantarana amin'ny alalan'ny tafatafa izany, izay karazany tsiambaratelo ihany”, hoy i Van Den Abeele. Saingy nahita olona vonona hanome fampahafantarana anatiny ho azy ihany izy avy eo. Tokony ho 23 isan-jaton'ny olona nangataka fialokalofana any Belzika tamin'ny herintaona no nitatitra fa nianatra izy ireo talohan'ny nandosirana ny firenena niavian'izy ireo.
Gaga i Van den Abeele.
“Olona teo anelanelan'ny 18 sy 25 taona izany,” hoy izy. “Tsy afaka hamela azy ireo hivelona amin'ny andro sisa iainany amin'ny fiahiana ara-tsosialy ianao! Manana hambom-po ry zareo ireo, te-hanao zavatra, te-hahatsapa tena ho ao anatin'ity fiarahamonina ity.”
Tsy ny rehetra no manana ny fomba fiheviny. Eoropa, tahaka an'i Etazonia koa ohatra, dia manana ny fihetsehampo tsy tia mpifindra monina, tsy tia mpialokaloka. Saingy ny firenena tahaka an'i Belzika dia mitady fatratra mpiasa manampahaizana.
“Mahita olona manana diplaoma injeniera izahay,” hoy i Van Den Abeele. “Mahita injenieran'ny maritrano, injenieran'ny asa sivily, mahita injenieran'ny indostria, mpahay matematika, olona manam-pahaizana ambony ara-siantifika izahay. Manan-danja amin'ny toe-draharaha ara-toekarena Belza ireo olona ireo. Amin'izao fotoana izao, maro ny toerana (asa) miatdy injeniera izay nisokatra tao anatin'ny enimbolana farany. Tsy nahita olona anefa izy ireo! “
Ary na dia tsy ilay fanohanan-kevitra ara-toekarena aza, misy ny antony hafa hanabeazana ireo vao tonga, araka ny filazan'i Van davaky Abeele.
Nilaza izy fa tsy nahomby tamin'ny fampidirana ho ao anatin'ny fiarahamonina ny zanaky ny mpifindra monina Afrikanina Tavaratra ao aminy i Belzika, izay nitondra nanany amin'ny fisian'ireo ghettos sy ny fanavakavahana nahazo tsiny ho nanampy tamin'ny famoronana mpampihorohoro.
“Raha tsy te-hamokatra olana tahaka izany indray isika, dia mino aho tsy maintsy mifantoka amin'ny fampidirana ireo olona ireo ho ao anatin'ny fiarahamonina”, hoy i Van den Abeele. “Ary ho antsika, ny fianarana no mbola fomba tsara indrindra hampidirana ny olona ho ao anaty fiarahamonina.”
Azo antoka fa fomba iray hahatonga ny olona hahatsapa tena ho feno fankasitrahana izany. Mankafy sy liana amin'ny tanindrazany, sy amin'ny fireneny vaovao, dia i Belzika i Mohammad Salman, Syriana mpiara-miasa amin'i Van den Abeele. Fantany fa mety ho voatazona tao Syria ihany koa izy tamin'ny fotoana nivakisany. Mety ho tsy maintsy nanao ilay fitetezan-tany mampidi-doza manavatsava an'i Eoropa ihany koa izy. Izay no antony mahatonga azy ho faly loatra mandany ny androny manadihady ireo fangatahana avy amin'ny mpitsoa-ponenana manantena hisoratra anarana ao amin'ny oniversiteny. Manantena izy fa hanao tahaka izany ihany koa ireo oniversite hafa ao Belzika.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...