Nodarohan'ny Polisy Nizeriana i Yomi Olomofe, Rehefa Niharan'ny Herisetra Tamin'ny Herintaona Satria Nanao Tatitra Kolikoly

Yomi Olomofe, Nigerian journalist that was physically assaulted by the police (Photo credit: SaharaReporters Media)

Yomi Olomofe, mpanao gazety Nizeriana niharan'ny herisetra ara-batana nataon'ny polisy. Sary avy amin'ny SaharaReporters Media. Nahazoana alalana.

Niharan'ny herisetra mahery vaika sy notazonin'ny polisy Nizeriana i Yomi Olomofe, mpanao gazety Nizeriana, tamin'ny 17 Martsa. Araka ny filazan'ny Komity Miaro ny Mpanao Gazety (CPJ), namaly faty an'i Olomofe ny polisy rehefa nampangaina sy nodarohan'ireo lazaina fa nikasainy hosolokiana tamin'ny volana Jona lasa teo.

Nanome antsipirahany bebe kokoa momba ny raharaha ny CPJ:

On June 25, 2015, Olomofe, who publishes the monthly community magazine Prime Magazine, and McDominic Nkpemenyie, a correspondent with the state-funded Tide Newspaper, were investigating allegations that customs officers at Seme, on Nigeria's border with Benin, were complicit in smuggling, when more than 15 men attacked the two journalists, Olomofe told CPJ. The men hit Olomofe on his face and body with their fists and sticks until he lost consciousness, the publisher and witnesses told CPJ days later,after Olomofe regained consciousness.

Tamin'ny 25 Jona 2015, teo am-panaovana fanadihadiana ny tsaho fa mpiray tsikombakomba amin'ny fampidirana entana an-tsokosoko ireo manampahefan'ny fadin-tseranana ao Seme, ao amin'ny sisintanin'i Nizeria sy i Bénin, ry Olomofe, mpamoaka ny Prime Magazine gazetibokim-piarahamonina mivoaka isam-bolana sy ry McDominic NkPemenyie, solontenan'ny Tide Newspaper tohanan'ny fanjakana, raha notafihan'ny lehilahy 15 mahery ireo mpanao gazety roa ireo, hoy i Olomofe tamin'ny CPJ. Nidaroka an'i Olomofe teo amin'ny tarehiny sy ny vatany miaraka amin'ny totohondry sy kibay ireo lehilahy ireo mandra-pahatorana azy, hoy ilay mpamoaka gazety sy ireo vavolombelona tamin'ny CPJ andro vitsy tatỳ aoriana rehefa nahatsiaro tena indray i Olomofe.

Naneho hevitra i Peter Nkanga, solontenan'ny CPJ ao Afrika Andrefana fa: “Ny fisamborana an'i Yomi Olomofe  ilay mpamoaka gazetiboky ho midaroka ireo lehilahy nolazainy fa nidaroka azy mafy sy nandratra azy dia tsy inona fa hevitra tsy lany mamohehatra. Tokony hanenjika am-pahavitrihana ireo tompon'andraikitra tamin'ny heloka bevava ny polisy fa tsy tokony hibedibedy ny mpitondra hafatra.”

Ny lasibatry ny nokasain'ny sasany hovonoina no samborin'ny polisin'i Nizeria hanomezana vahana ireo mpanafika azy sy ny fadin-tseranana

Notabatabain'i Sue Valentine avy ao amin'ny Open Society Foundation (izay mpanohana ny Global Voices) ity “sarisarim-pitsarana” ity :

Voalohany, voadaroka izy, avy eo nametraka fitoriana an'ireo mpanafika azy, ary IZY no hany voasambotra. Sarisarim-pitsarana

Mandritra izany, nanao fangatahana tamin'ny Inspektera Jeneralin'ny Polisy mikasika ny mbola fanagadrana an'i Olomofo ny Sendikan'ny Mpanao Gazety Nizeriana (NUJ). Nilaza ny NUJ fa “fanafintohinana goavana ny tsy fahaizan'ny ny polisy mitondra ireo mpanao ratsy nikasa hamono olona any amin'ny fitsarana nandritra ny sivy volana”:

The NUJ and Olomofe are seeking for a public apology, assurance of Olomofe’s safety, N100 million compensation for breach of fundamental rights. Olomofe has been admitted to the hospital for urgent medical attention due to the shock of his harassment by the police. He has been told by his doctors that he has relapsed into a state of depression with his blood pressure alarmingly high

Mitady fialan-tsiny imasom-bahoaka ny NUJ sy Olomofe, fanomezan-toky amin'ny fiarovana an'i Olomofe, onitra N100 tapitrisa noho ny fanitsakitsahana ny zo fototra . Nampidirina hopitaly hotsaboina maika i Olomofe noho ny dona nahazo azy tamin'ny herisetran'ny polisy. Nolazain'ny dokotera izy fa niharan'ny fahaketrahana indray noho ny tosidra avo mampanahy.

Nametraka fitoriana mangataka onitra 500 tapitrisa Naira Nizeriana (tokony ho 2,5 tapitrisa dolara Amerikana) tamin'ny Sampan-draharahan'ny fadin-tseranana Nizeriana ny NUJ vao haingana noho ny fidarohana an'i Olomofe tamin'ny volana Jona.

Na izany aza, tamin'ny fotoana fanontaniana sy valiny niarahana tamin'ny Guardian, nilaza i Olomofe fa tsy kivy amin'ny herisetra ikasana hanampenam-bava azy tamin'ny volana Febroary izy :

I am a Nigerian. A proud Nigerian. I believe our country shall get it right. I believe impunity is on its way out of the psyche of top government officials. I believe we will conquer corruption. I appreciate the global demonstration of support I got in my trying moments. Peace to the world!

Nizeriana aho. Afa-mirehareha amin'ny maha Nizeriana. Mino aho fa hahavita zavatra ny firenentsika. Mino aho fa an-dalam-pialana amin'ny tsimatimanota ny toe-tsain'ny manampahefam-panjakana ambony. Mino aho fa ho resintsika ny kolikoly. Ankasitrahako ny hetsika manerantany tamin'ny fanohanana ahy nandritra ny fotoan-tsarotra niaretako. Fiadanana ho an'izao tontolo izao!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.