- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Reny Tajik Enina Manao Ny Lalàna Ao Amin'ny Facebook

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Tajikistan, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Tanora, Toekarena sy Fandraharahàna, Vehivavy sy Miralenta
Woman on Facebook. Creative Commons picture.

Vehivavy ao amin'ny Facebook. Sary Creative Commons.

Ny 8 Martsa , ankalazain'i Tajikistan ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy, andro tsy fiasana mijanona ho malaza eo amin'ireo repoblika sovietika taloha, saingy nanjary nomarihana indray ho lasa Andron'ireo Reny ao Tajikistan.

Miaina fiainana mafy ny ankamaroan'ireo reny Tajik, niaina taonjato maro tao ambadiky ny voaly tao an-tranony talohan'ny naha-tongavan'ireo Bolsheviks ho eo amin'ny fitondràna, nanery azy ireo hanàla ny voaliny sy nandefa azy ireo haingana hiasa hamboly vohavohan-dandihazo.

Hatramin'ny fahaleovantenam-pirenena ny taona 1991, voamarik'ireo taona maro nisarahana tamin'ireo vady aman-janany ny fiainan'izy ireo, ka ireo fandefasam-bola avy any Rosia dia nahatonga ilay firenena ny miankina betsaka indrindra amin'ny fandraisana vola avy any ivelany eto amin'izao tontolo izao.

Saingy ankehitriny dia mbola fialantsasatra ho azy ireo hatrany io ary marihan'ny Global Voices amin'ny fifantohana amin'ireo reny Tajik sasany tena manampahefana sy ankatoavin-teny, izay nohamafisin'ny famoronana nataon'i Mark Zuckerberg, ny Facebook, bebe kokoa ny feon'izy ireo eo amin'ny fiarahamonina.

Nofidiana ireo vehivavy ireo, tsy hoe akory noho ireo mpiandany izay voaangony – misy kaonty spam fampisehoana sary natao hisarihana ny saina aminà vehivavy izay nahangona betsaka kokoa – fa noho ireo fandraisany anjara tsy manampaharoa ho amin'ny Tajikistan’-n'ny andro maoderina .

1. Mpampiroborobo ny Kolontsaina Tajik tsy nitandro hasasarana  – Manzura Makhkamova  [1]

Known Facebook ladies of Tajikistan: Manzura Makhkamova

ireo vehivavin'i Tajikistan fantatra ao amin'ny Facebook: Manzura Makhkamova

Mpanolotsaina fahinin'ny Filoha Rahmon, manana zanaka roa lahy, sady tompona orinasa mandroso misahana ny Consulting ara-barotra, nitombo laza tao amin'ny Facebook i Manzura Makhkamova ho mpikambana iray mavitrika ao anaty tarika iray misy ampolony nandritry ny vanimpotoana notsarovana ao an-tsaina hatrany ho toy ny “vanimpotoana volamenan'ny fisokafan'ny Facebook” tao Tajikistan teo anelanelan'ny taona 2011 sy 2013.

Miaraka amin'ny traikefany midadasika amin'ny fitantanana ireo pejy Facebook, namorona vondrona “Tiako i Khujand [2]” tao amin'ny Facebook i Manzura mba hamoriany ireo mponina maherin'ny 10.000 ao amin'ilay tanàna faharoa lehibe indrindra eo amin'ny firenena mba hanampy amin'ny fampiroboroboana ny fizahantany sy ny fampiasàmbola tamin'ny alalan'ny fanindriana mafy ny dindo ara-tantara sy ara-kolontsain'ny tanàna.

Rehefa io no ao an-tsaina, raha toa iaoa nivanàka taminà lahatsoratra iray nifampizaràna be tety anaty Facebook nanoritsoritana ny fomba fiakanjom-pirenena Tajik amin'ny fiteny Rosiana na ny tantara misy resaka fahandroana sakafo an'ny firenena na fomba amam-panao, azonao atao tsara mihitsy ny mihevitra fa avy amin'i Manzura Makhkamova io na mpiara-miasa aminy mampiroborobo ny kanto.

2. Mpanjakavavin'ny Tambajotra – Shahnoz Komilzoda [3]

Known Facebook ladies of Tajikistan: Shahnoz Komilzoda

Ireo vehivavin'i Tajikistan fantatra amin'ny Facebook: Shahnoz Komilzoda

Shahnoz, niteraka zazalahy izay sy zazavavy kely iray, vehivavy fantatra indrindra manerana ny Facebook Tajik sady nahazo an'io lazany io noho ny fahaizany teny roa. Raha toa ka misafidy ny handefa lahatsoratra amin'ny fiteny rosiana na ny fiteny eo an-toerana ny ankamaroan'ireo avy ao Azia afovoany, mahatsiaro ho mahazo aina amn'ny fandefasana amin'izy roa ireo kosa i Shahnoz.

Na eo aza ny fiainana izay mifantoka tanteraka amin'ny fiahiana ny fianaran'ireo zanany sy ireo asa mihoatra noho ny fianarana, ary koa ireo fepetra takian'ny asany amin'ireo fandehanana matetika, mahita fotoana foana izy ho an'ny Facebook.

Izay dia satria ny Facebook anisany miantoka ny ain'ilay marika natsangany.  Anton'ny katrodoha misy teo amin'ireo orinasa vahiny goavana mpamokatra finday mikasa hampiasa ireo tambajotra sosialy mba hampiakarana ny lazany eo amin'ny tsena Tajik ilay mpanao gazety fahiny mpifandray tamin'ny Voices of America tao Tajikistan -. Volana vitsivitsy monja no lasa, votsotra tamin'ny Russian Megafon ary lasan'i TeliaSonera an'i Soeda io ady io, izay Komilzoda ankehitriny no zokiolon'ireo manampahaizana manokana momba ny serasera ao.

Fanampin'izany mba hampandrosoana ny orinasany sy ho fiezahany mamaly ireo mpanjifa izay manomboka misintaka amin'ny ivontoerana misahana antso ao an-toerana, ka mba hiverenan'izy ireo aminy indray ao amin'ny Facebook, mizara ireo andavanandrom-piainany sy ny eritreriny amin'ireo mpanaraka azy i Komilzoda, hatramin'ny filazàna amin'izy ireo momba izay trano fialantsasatra sy fanorana [4] falehany ary izay toerana fikorisàna amin'ny ranomandry [5] ampiasainy ho amin'ny fialantsasatry ny ririnina.

Azo vinaniana fa ireo orinasa ireo dia efa tena mpanjifan'io reny manantalenta sy mpifandray betsaka amin'ny tambajotra io ihany koa.

3. Vehivavy Mpikarakara Tokantrano Tsy Manampaharoa – Pari Saidova [6]

Known Facebook ladies of Tajikistan: Pari Saidova

Ireo vehivavin'i Tajikistan fantatra amin'ny Facebook: Pari Saidova

Ny teny hoe Pari amin'ny fiteny Persiana dia midika hoe ‘Fée’ sady teny mitovy hevitra amin'ny hoe hamevam-behivavy amin'ny fiteny sy literatiora Tajik. Tena mendrika io anarana io i Pari Saidova, ilay 25 taona, lasibika kintann'ny seho an-tsehatra Tajik .

Hatramin'ny fararano lasa teo, nijanona tao an-trano i Saidova mananotena sady nikarakara ireo zanany dimy (eny, dimy), toe-javatra ara-dalàna ao Tajikistan.

Mety ho tsy nisy afaka hahalala intsony ny momba an'i Pari afatsy ireo hàvany sy ireo mpiara-monina raha tsy nanapaka hevitra ny hanokatra kaonty amin'ny Facebook izy ary nandefa lahatsoratra misy ireo sariny vitsivitsy mba hanairana ny mason'ireo mpamokatra seho an-tsehatra.

“Tia” hatramin'ny arivo eo ambanin'ny sary tsirairay no nahatonga azy ho ny lasibika be mpangataka indrindra handrafetana ireo seho sy rakitsarinà mozika Tajik.

4. Fandraharahàna Aloha – Manizha Khaitova [7]

Known Facebook ladies of Tajikistan: Manizha Khaitova

Ireo vehivavin'i Tajikistan fantatra amin'ny Facebook: Manizha Khaitova

Ireo vondrona sy ireo pejy manokan'i Manizha Khaitova no toerana fototra falehan'ireo Tajik an'arivony mpanao Facebook  hakàna isanandro ireo zava-baovao misy eo amin'ny tsena sy ny fiovàn'ny teknolojia.

Tsy mahagaga, toy ny fitarihan'ity Tajik lehibenà fandraharahana ity ny Fikambanan'ireo Fandraharahàna mitondra Famoronana sy ara-Teknolojika, mitantana ny sekoly IT sy ireo orinasa marobe mampiroborobo ny fandrafetana rindrambaiko,  raha sady mampandroso ny e-government  no sady mampitsiry ny fotokevitra tanàndehibe maranitsaina/maharaka teknolojia.

Reny iray niteraka  ankizivavy  telo, milaza i Khaitova fa Facebook no nanome aingam-panahy azy mba hitondra ireo fahalalàny sy ireo fahaizany hisondrotra ho amin'ny ambony kokoa ary hanaraka ireo fandraharahana voizin'ny teknolojia. Ho azy, nanjary toerana iray ampiasàny ny tambajotra ny hakàna loharanon-hevitra vaovao hapetraka ao Tajikistan ny Facebook, ary mba hanolorana ireo mpamorona avy ao an-toerana.

5. Ny Feon'ny Fahamarinana – Fayziniso Vohidova [8]

Known Facebook ladies of Tajikistan: Fayzinisso Vohidova

Ireo vehivavin'i Tajikistan fantatra amin'ny Facebook: Fayzinisso Vohidova

Sarotra ny hieritreritra olona hafa ao amin'ny Facebook ao Tajikistan izay matetika loatra no mitsikera ampahibemaso ny fahalemen'ny governemanta sy mandefa lahatsoratra politika toy izany. Na eo aza ireo fitoriana rehetra, ireo lamandy sy fandrahonana raisiny ary tamin'ny fotoana izay anjatony ireo mpampiasa Facebook nanaraka ny politikan'ny fanivànantena mba hitsimbinana ny tenan'izy ireo amin'ny fahatezeran'ny fanjakana, na dia any ivelan'ny firenena aza izy ireo no monina.

Raha toa nanome laza be ho an'ireo olomalaza hafa ao anatin'ity lisitra ity ny Facebook, ifantohan'i Vohidova ireo lohahevitra ahitan'ny olona maro fahasarotana ny firesahana azy imasom-bahoaka toy ny fanitsakitsahana ireo zon'olombelona sy ny  kolikoly. Mahaleotena no sady tsy miandàny na amin'iza na amin'iza ilay reny niteraka efatra mirahalahy no sady be herimpo, manohitra ny fiarahana amin'ireo antoko mpanohitra ao Tajikistan. Ny kaonty Facebook-ny no tena maro mpanaraka indrindra ho an'ireo olona liana amin'ny fampandrosoana ara-politika ao Tajikistan. Tsipalotra kely iray fotsiny: maro amin'ireo lahatsorany no amin'ny fiteny Tajik.

6. Endriky ny Fomba Tajik – Maknuna Niyazova [9]

Tsy mila lasibika mba haneho ny famoronana endrika novokariny i Maknuna Niyazova. Tsara tarehy sady misy famoronana ihany koa, ao amin'ny Facebook-ny ihany izy no mampahafantatra azy ireny, amin'ny fampandraisana anjara amin'ny fampiroboroana ny lazan'ny fomba fianjaika manana habe somary lehibe kokoa.

Mpandresy iray vao haingana tamin'ny fetin'ny fianjaikàna “Endrik'i Azia Afovoany”, atsy ho atsy izy dia hislo tena ny faritra ao amin'ny tanibe “Fetiben'ireo Lasibika ao Azia”  hatao any Korea Atsimo.

Mitantana ny kilasiny manokana ampianarany ny famoronana endrika ihany koa i Niyazova ho an'ireo mpianatra Teknolojia ao amin'ny Anjerimanontolon'i Tajikistan, toerana ampianarany, sy ho an'ireo mpianatra ivelan'ny anjerimanontolo. Saingy ireo lahatsorany ao anaty Facebook-ny no nisarika ny sain'ireo media eo amin'ny firenena sy ao amin'ny faritra.

Ny zavamisy hoe Niyazova dia vehivavy iray azon'ireo vehivavy hafa itokiana ihany koa dia nanampy tamin'ny fanitàrana ny fahalinan'ny daholobe amin'ny resaka fitondra mianjaika, fitondràna azy nivoaka avy any anaty fampisehoana ambony sehtra ho eny an-dàlana ao Dushanbe renivohitr'i Tajikistan.

Known Facebook ladies of Tajikistan: Maknuna Niyazova

Ireo vehivavin'i Tajikistan fantatra amin'ny Facebook: Maknuna Niyazova