- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sary Nolokoina An-Dalana Mampiseho An'i Vietnam, Singapaoro, ary Filipina Nandritra Ny Taonjato Faha-20

Sokajy: Azia Atsinanana, Filipina, Singapaoro, Vietnam, Mediam-bahoaka, Tantara, Tsidika, Zavakanto & Kolontsaina
Photo by Vo Anh Ninh, taken from the Flickr page of manhhai (CC License) [1]

Saripikan'i Vo Anh Ninh, nalaina avy ao amin'ny pejy Flickr an'i manhhai (Lsansa CC)

Mikaroha amin'ny aterineto, ary dia hahita sary natao loko-tanana sy karatra paositra an'i Vietnam, Singapaoro, ary Filipina mamoaka ny fiainana andavanandron'ny tanàndehibe amin'ireo tanàna ireo nandritra ny fanjanahantany tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-20 ianao.

Manana dikany ara-tantara miharihary ireny sary ireny ary ilaina hakana sary an-tsaina izay mety ho endriky ny fiainana tamin'ny taonjato farany. Andao anie hijery, sa ahoana?

Vietnam talohan'ny ady

Ireto sary manaraka ireto dia nalain'i Vo Anh Ninh [2], iray amin'ny Vietnamiana mpitari-dalana amin'ny fakana sary, ary manasongadina ireo sary nopihana tamin'ny 1950s efa nihalefy ny fitondram-panjanatany frantsay. Asehon'ireo sary ireo amintsika ny topimason'ny fiainana tao Vietnam tamin'ny 1950s nialoha ny fotoana nirotsahany tao anatin'ny ady maharitra sy nampandriaka ny ra nandritra ny taompolo manaraka.

Ny tranonkala Saigoneer no namoaka [3] ny sasantsasany amin'ireo saripika ireo, izay nolokoina sy namoaka tao amin'ny pejy Flickr an'i manhhai.

Photo by Vo Anh Ninh, taken from the Flickr page of manhhai (CC License) [4]

Saripikan'i Vo Anh Ninh, nalaina tao amin'ny pejy Flickr an'i manhhai (CC License)

Photo by Vo Anh Ninh, taken from the Flickr page of manhhai (CC License) [5]

Saripikan'i Vo Anh Ninh, nalaina tao amin'ny pejy Flickr an'i manhhai (CC License)

Photo by Vo Anh Ninh, taken from the Flickr page of manhhai (CC License) [6]

Saripikan'i Vo Anh Ninh, nalaina tao amin'ny pejy Flickr an'i manhhai (CC License)

Photo by Vo Anh Ninh, taken from the Flickr page of manhhai (CC License) [7]

Saripikan'i Vo Anh Ninh, nalaina tao amin'ny pejy Flickr an'i manhhai (CC License)

Manila nandritra ny fanombohan'ny 1900s

Zanatanin'i Espaina nihoatra ny 300 taona i Filipina mandra-pifaran'ny revolisiona tamin'ny 1898. Saingy nanani-bohitra [8] [mg] azy avy hatrany i Etazonia ary nitoetra ho fitondrana mpanjanatany mandrapahatongan'ny taona 1946. Ny sary manaraka eto ambany dia mampiseho an'i Manila renivohitra nandritra ny tetezamita. Mbola miharihary ny vakoka espaniola fa efa manomboka misy fiantraikany sahady herim-piavahana amerikana.

Nandoko ireo sary avy amin'ny tahiry nomerikan'i [9]John Tewell ireo i E. S. Sison. Ireo sary nolokoina ireo dia navoaka tao amin'ny pejy Facebook an'i Kinulayang Kasaysayan [10] (Tantara Nolokoina).

Binondo, an important religious and commercial center in old Manila. Image from the Facebook page of Kinulayang Kasaysayan, used with permission [11]

Binondo, toerana ara-pivavahana sy ara-barotra malaza tao Manila tranainy. Sary avy amin'ny pejy Facebook an'i Kinulayang Kasaysayan, nahazoana alalana

Crossing the Escolta bridge. Escolta was the premier business center in old Manila. Image from the Facebook page of Kinulayang Kasaysayan, used with permission [12]

Fiampitana ny tetezan'i Escolta. Escolta no toeram-pandraharahana voalohany tao afovoan-tanànan'i Manila tranainy. Sary avy amin'ny pejy Facebook an'i Kinulayang Kasaysayan, nahazoana alalana

Washing clothes in Manila during the early 1900s. Image from the Facebook page of Kinulayang Kasaysayan, used with permission [13]

Fanasan-damba ao Manila nandritra ny fiandohan'ny 1900s. Sary avy amin'ny pejy Facebook an'i Kinulayang Kasaysayan, nahazoana alalana

Luneta Park in the early 1900s. This place, then and now, is famous for its spectacular view of the Manila Bay sunset. Image from the Facebook page of Kinulayang Kasaysayan, used with permission [14]

Luneta Park tamin'ny fiandohan'ny 1900s. Ity toerana ity, na tamin'izany fotoana izany na amin'izao fotoana izao, dia malaza amin'ny fijerena mahavalalanina ny helodranon'i Manila amin'ny filentehan'ny masoandro. Sary avy amin'ny pejy Facebook an'i Kinulayang Kasaysayan, nahazoana alalana

Karatry ny paositra taloha mampiseho an'i Singapaoro

Karatry ny paositra nolokoina tanana efa azon'ny rehetra ampiasaina avy amin'ny ango-tahirin'ny Tranombokim-Bahoakan'i New York no ahitana sary maro avy amin'i Singapaoro nandritra ny fiandohan'ny taonjato faha-20. Ny karatry ny paositra dia efa ahitana sahady ny mariky ny mety ho fisandratan'i Singapaoro amin'ny maha seranana sy kitro ifaharan'ny fandraharahana azy ao amin'ny faritra Azia-Pasifika.

Native sampan, Singapore. 1907 - 1918. Photo from The New York Public Library Digital Collections. [15]

Teratany sampan, Singapaoro. 1907 – 1918. Saripika avy amin'ny Angona nomerikan'i Tranombokiim-bahoakan'i New York.

Finlayson Green, Singapore. 1907-1918. Photo from The New York Public Library Digital Collections. [16]

Finlayson Green, Singapaoro. 1907-1918. Saripika avy amin'ny ango-tahirin'ny tranombokim-bahoakan'i New York.

Hill Street, Singapore. 1907-1918. Photo from The New York Public Library Digital Collections. [17]

Hill Street, Singapaoro. 1907-1918. Saripika avy amin'ny ango-tahirin'ny tranombokim-bahoakan'i New York.

Victoria Street, Singapore. 1907-1918. Photo from The New York Public Library Digital Collections. [18]

Victoria Street, Singapaoro. 1907-1918. Saripika avy amin'ny ango-tahirin'ny tranombokim-bahoakan'i New York..