Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

18 Marsa 2016

Tantara tamin'ny 18 Marsa 2016

Nahoana No Tsirim-Panantenana Hoan'i Somalia Ravan'ny Ady Ny Dia Lavitr'Ezaka Nataon'ny Elefanta Iray

"Nitranga ny fahagagana, ankehitriny isika tsy maintsy manara-maso io elefanta io ary tokony hampirisihana ny Somaliana ho amin'ny fitehirizana fa tsy ho amin'ny famonoana."

Inona No Anton'ny Famoretana Ataon'i Shina Amin'ny Raharaha Ren Zhiqiang

Nanjary fitsapan-kafanana ara-politika mikasika ny toe-tsain'i Xi manoloana ireo fahasamihafana ara-poto-kevitra misy ao anivon'ny antoko ny raharaha, miaraka amin'ny fampanginana an'i Ren, ka lasa mampanontany raha misy olona afaka manasokajy ny tenany ho tsy misy ahiana amin'ny fanadiovana [olona] ara-politika rahatrizay.

#WhereisBassel (Aiza i Bassel) : Mbola Tsy Hita Ilay Mpahay Teknolojia Syriana Nogadraina

Dimy volana izay, nanjavona tao amin'ny fonja ao Damaskosy, nigadrany nandritra ny efa-taona ilay Syriana mpikirakira tranokala, Bassel Khartabil: Miaraha amin'ireo mpanohana azy ary alefaso ny fanontaniana #WhereisBassel (Aiza i Bassel) ?