- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nosamborin'i Bahrain Niaraka Tamin'ny Zanany Vao Herintaona Monja i Zainab Al Khawaja, Mpikatroka Mafàna Fo

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Bahrain, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fanoherana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana, Zon'olombelona
Zainab Al Khawaja with her 15-month-old son Abdul-Hadi were arrested in Bahrain today. Photo source: Gulf Centre for Human Rights [1]

Zainab Al Khawaja miaraka amin'ny zananilahy vao 15 volana, Abdul-Hadi, voasambotra tao Bahrain androany 14 Martsa. Sary : Ivontoerana ho an'ny Zon'Olombelona ao amin'ny Golfa

Nosamborin'i Bahrain androany niaraka tamin'i Abdul-Hadi, zananilahy vao 15 volana ilay mpikatroka mafàna fo, Zainab Al Khawaja. Fisamborana mitranga ao anatin'ny fotoana fankalazàna ny tsingerintaona fahadimy nahatongavan'ireo andian-tafika avy any Arabia Saodita sy ny Emirà Arabo Mitambatra [2] hanorotoro ireo hetsipanoherana nitaky ny demaokrasia izay nahazo ny firenena nanomboka tamin'ny 14 Febroary 2011.

Fantatra amin'ny hoe Angry Arabia [3] ao amin'ny Twitter, tamin'ireo fanehoankeviny mivaivay sy feno fihetsehampo momba izay mitranga manodidina azy nandritra ny famoretana mafy natao tamin'ireo mpanohitra, efa tamin'ny taona lasa ny bitsika farany nalefan'ity ramatoa 33 taona ity. Tsy fantatra izay zavatra nitondra ho amin'ny fisamborana azy androany, indrindra hatramin'ny nahazoany sazy mihantona mitontaly telo taona sy iray volana an-tranomaizina, tamin'ny taona lasa — sazy izay izao androany izao vao nosoloina.

Araka ny ambaran'ny Ivontoerana ho an'ny Zon'Olombelona ao amin'ny Golfa – Gulf Human Rights Centre [1] (GHRC):

Ny 02 Jona 2015, WHRD Zainab Al-Khawaja dia voaheloka sivy volana an-tranomaizina, taorian'ny nanandramany hitsidika ny rainy mpiaro zon'olombelona sady mpiara-nanorina ny Gulf Centre for Human Rights (GCHR), Abdulhadi Al-Khawaja, tany amin'ny fonjan'ny Jaw, ny Aogositra 2014 rehefa nanao fitokonana tsy hisakafo izy. Didy navoaka tsy natrehany io tamin'ny 2 Febroary 2016.

Ny 03 Desambra 2015, noverezin-jo ihany koa i Al-Khawaja tsy ho afaka manao fampakàrana amin'ny fitsaràna ambony, taminà raharaha telo hafa izay nohenoina teny amin'ny fitsaràna. Vesatra roa nahazoany sazy famonjàna roa volana no voalohany navoaka tamin'ny 09 Desambra 2014 noho “ny fanimbàna fanànam-bahoaka” fony izy nandrovitra ny sarin'ny Mpanjaka tao amin'ny Biraon'ny mpitandro filaminana tao Budaiyah, ary vesatra iray hafa noho ny filazàna azy ho “niteny ratsy olompanjakana” (manamboninahitry ny polisy), izay nanamelohana azy hifonja herintaona. Tamin'ny fitsingerenan'ny andro nahaterahany, ny 21 Oktobra 2015, nahenan'ny fitsarana ho herintaona ilay sazy telo taona [4] noho ny fandrovitàna sarin'ny mpanjakan'i Bahrain, tamin'ny fotoam-pitsaràna natao tamin'ny Oktobra 2014.

Fidirana am-ponja mandritry ny telo taona no fitambaran'ny sazy nomena azy, avy amin'ireo vesatra isankarazany ahitàna sazy roa taona noho ny fandrovitana ny sarin'ny mpanjakan'i Bahrain sy herintaona noho ny “fitenenana ratsy” taminà manamboninahitry ny polisy. Ankoatra izay, nolavina tsy nomena kopia nahaterahana sy antontan-taratasy momba azy ilay zanany lahy vao herintaona no sady tsy nohavaozina ny pasipaorony.

Mbola nampian'ilay ivon-toerana aza hoe mety ho nosamborina i Zainab mba hanerena ny rahavaviny Maryam Al Khawaja [5], izay mpikatroka momba ny zon'olombelona ihany koa, tsy hanohy ny asany :

Inoan'ny GCHR fa ny tetiandro nentina nanatanterahana ity fanaovana bemidina tany an-trano ity, sy ny fisamborana azy, dia toy ny valinkafatra ho an'ny asan'i Maryam Al-Khawaja rahavavin'i  Zainab Al-Khawaja sady Tale mpiara-mitantana ny GCHR. Vao avy nanatrika indrindra ny fivoriana faha-31 nataon'ny Filankevitra momba ny Zon'Olombelona i Maryam, ary vao haingana no tany Zurich ihany koa nanatrika ny fifidianana nataon'ny FIFA, ka nandritra izany no namoizan'ny Shaikh Salman Alkhalifa (avy amin'ny fianakavian'ny mpanjakan'i Bahrain) ny faniriany ho filoha mpitarika.

Tale mpiara-mitantana ny GHRC ihany koa i Maryam.

Vao vantany nosamborina ny rahavaviny dia nobitsihan'i Maryam avy hatrany, izay manana mpanjohy 102.000 mahery ao amin'ny Twitter, niteraka fanehoankevitra avy lavitra ary midadasika be manameloka ilay fisamborana :

MAIKA: #Barhain: nosamborin'ny polisy niaraka tamin'ny zanany lahy 15 volana i Zainab Al-Khawaja taorian'ny bemidina natao tany an-tranony

Soritsoritan'i Maryam ihany koa ny fomba nanakanan'ireo ‘jeeps’ 15 an'ny polisy ny arabe mba hisamborana ity vehivavy tanora ity sy ny zanany :

#PT Nisy polisy mpandrava korontana, polisy nanao fanamiana sivily ary polisy vavy. Nakatony ny arabe manontolo manoloana ny trano #Bahrain

#PT Nisy ‘jeeps’ 15 an'ny polisy teo hisambotra azy

Ary hazavainy misimisy kokoa :

Mifandray amin'ny resaka fahalalahana maneho hevitra sy ny fikambanana avokoa ireo vesatra mahazo an'i Zainab Alkhawaja. Mitohy mandeha tsara ny fanofanan'i #UK an'i #Bahrain

Raha efa nandrasana ny fisamborana an'i Zainab tao amin'ny firenena iray izay ankehitriny mampiditra am-ponja (dia manafaka) olona an'arivony [14] noho ny vesatra baikon'ny resaka politika, nivanàka ny tontolon'ny serasera anaty habaky aterineto tamin'ny fisamborana ilay zanany lahy herintaona monja.

Avy any Dublin, Elaine Masons mibitsika hoe :

Tsy ampy azy ireo ve ny fampidirana am-ponja ny Antitra, ny Marary, ny Tanora, ny Vehivavy & Ankizy….Ankehitriny dia zaza vao herintaona #Barhain

Ary ilay bilaogera safiotra Britanika-Kiorda, Ruwayda Mustafah, manontany tena hoe:

Toa manamafy ny vahohony amin'ireo mpanohitra i #Barhain , tena tsy takatra tsotra izao ny antony isamborana zaza herintaona