- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mifampizara Lahatahiry Amin'ny Departemantan'ny Fitaterana Ao Moskoa Ankehitriny Ny Uber

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Toekarena sy Fandraharahàna, Akon'ny RuNet
Uber is now cooperating with the Moscow authorities and sharing their car movement data with the local transportation agency. Images edited by Tetyana Lokot.

Miara-miasa amin'ny manampahefana ao Moskoa ankehitriny ny Uber ary mizara amin'izy ireo ny lahatahirin'ny fivezivezen'ny fiarany amin'ny sampan-draharahan'ny fitaterana ao an-toerana. Sary namboarin'i Tetyana Lokot.

Nanao soniam-piarahamiasa tamin'ny manampahefana ao Moskoa ny Uber, tolotra mirazotra amin'ny taxi. Ao anatin'ny fifanarahana dia tsy maintsy misaraka amin'ireo mpitondra taxi tsy manana lisansa ny orinasa—ary lazaina fa hizara ny lahatahirin'ny mpamily sy ny mpandeha amin'ny governemanta ao an-toerana.

Notaterin'ny [1] sampana fampahalalam-baovao RBC fa nomen'ny departemantan'ny fitaterana ao Moskoa 90 andro ny Uber, servisim-pikomandiana taxi lehibe indrindra eto ambonin'ny tany, hahazoana antoka fa manana lisansa avy amin'ny fanjakana avokoa ireo mpitondra taxi rehetra misoratra anarana ao aminy. Na ny departemanta na ny servisy misahana ny gazety ao amin'ny Uber dia samy manamarina ny fisian'ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa.

Mizara roa lehibe ny zavatra mipetraka amin'izao fifanaraham-piaramiasa izao. Voalohany, manaiky ny Uber fa ny mpitondra taxi manana alalana hitondra izany avy amin'ny fanjakana ihany no iarahany miasa. Hafa noho ny politikan'ny Uber toy ny any Etazonia, ohatra, izany izay anoloran'ny orinasa fomba hafa hoan'ny mpamily tsotra tsy mahatakatra ny lisansa hitondra taxi sady lafo no sarotra azo, fahazoam-bola amin'ny fanomezan'izy ireo servisim-pitaterana amin'ny alalan'ny fampihatra Uber. Noho izay famindram-po izay no mahatonga ny asan'ny Uber ho voarara any amin'ny firenenkafa maro izay manenjana kokoa ny fitsipika misahana ny tsenan'ny taxi ary manitrikitrika fa sady mampidi-doza no tsy ara-dalàna ny fampiasana mpamily tsy manana lisansa.

Nanizingizina ny manampahefana ao amin'ny renivohitra rosiana fa nanao soniam-piarahamiasa tamin'izy ireo tamin'ny 2015 ny Uber, saingy nikiry nangataka andro mbola hifampiresaka amin'ny mpitantana ambony any San Francisco kosa ny orinasa. Tamin'ny Febroary 2016 aza moa ny departemantan'ny fitaterana ao Moskoa efa nandrahona [2] hitory ny Uber sy handrara azy tsy hiasa ao Moskoa raha tsy manatanteraka ny fifanarahana takiana amin'ny resaka lisansa ry zareo. Nilaza ihany koa ny loharanom-baovaon'ny RBC fa nitsidika an'i Moskoa ny mpitantana ambony tao amin'ny Uber mba hanao fifampiraharahana sy hangataka hahazo hiditra amin'ny lahatahirin'ny Minisiteran'ny Atitany hanao fanamarinana ny rakitry ny heloka bevava vitan'ny mpamily. Tsy nahazo fankasitrahana avy amin'ny departemantan'ny fitateran'ny tanàna izany fangatahaka izany, izay nilazan'ny manampahefana fa tsy takatry ny fahefany ny fampahafantarana tahaka izany.

Ankoatra ny fiasana miaraka amin'ny mpamily “ara-dalàna” ihany, ny fifanarahana dia manery ny Uber hizara ny lahatahirim-pifamoivoizan'ny fiarany amin'ny manampahefanan'ny fitaterana ao an-tanàna. Ny lahatahirin'ny fiara Uber sy ny fivezivezeny ao an-tanàna dia heverina ho mandalo ao amin'ny Foibem-Pandaminana ny Fifamoivoizana [3] an'ny fiadidiana ny tanànan'i Moskoa izay inoan'ny manampahefana fa hanatsara ny asan'ny rafitra vaovaon'ny fitantanana ny fitaterana izay manangona ireo lahatahiry avy amin'ny tambajotram-pitaterana monisipaly isan-karazany sy manaramaso ny fifamoivoizana eo noho eo.

Kely ny zavatra fantatra amin'izay ampiasan'ny manampahefanan'i Moskoa ireo lahatahiry avy amin'ny mpitatitra miara-miasa amin'izy ireo, ankoatra ny fanangonana azy miaraka amin'ny fampahafantaran'ny fitateram-bahoaka tohanan'ny fanjakana. Ny Rafi-pandaminana ny fitaterana [4] ao Moskoa dia mampiasa fomba maro hanaraha-maso sy hanangonana ny lahatahirin'ny fifamoivoizana, tafiditra amin'izany ny rafitra fanaraha-maso GPS, tambajotram-panarahamaso amin'ny fakantsary handraketana ireo fanitsakitsahana lalam-pifamoivoizana, fakantsary amin'ny parking, fitaovana fandaminana ireo jirom-piampitana arabe, ary ireo rafitra fanairana natao ho an'ny mpamily sy ny mpandeha.

Ny mpifaninana voalohany amin'ny Uber eo amin'ny tsena rosiana, ny Yandex.Taxi sy ny Gett, dia efa samy nanao soniam-piarahamiasa tamin'ny sampan-draharaham-panjakana avokoa (nanao ny azy ny Yandex.Taxi tamin'ny 2014, ary nanasonia ny azy koa ny Gett tamin'ny Janoary 2016), ary izy roa tonta ireo dia samy tsy mampiasa afa-tsy mpamily manana lisansa avokoa ary mizara ny lahatahirim-pivezivezeny amin'ny departemantam-pitaterana ao Moskoa ihany koa.

Amin'izao fotoana izao ny Uber dia miasa amin'ny tanàna 400 amin'ny firenena 68 manerana izao tontolo izao. Ao Rosia ny servisy dia vonona ao amin'ny tanàna miisa valo, saingy efa niteny [1] tamin'ny RBC i Ryan Graves, Filoha Lefitry ny Uber, fa manam-pikasana hiasa amin'ny tanàna rosiana 17 ny orinasa mandra-pahatapitry ny taona 2016.

Uber, izay malaza ho startup lafo indrindra manerana izao tontolo izao, dia manana mpandraharaha rosiana maro ao anatin'ny mpametra-bolany: Ziyavudin Magomedov (tompon'ny vondrona Summa), Alisher Usmanov (amin'ny alalan'ny orinasany USM Holdings), ary i Mikhail Friedman, izay nametra-bola 200 tapitrisa dolara  tao amin'ny servisy ny tahirim-pampiasambolany LetterOne.