- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Netizen Report : Miady Amin'ny Facebook Momba Ny Fiainana Manokana Ny Vondrona Eoropeana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Azia Atsimo, Eoropa Andrefana, Angletera, Etazonia, Frantsa, India, Iràna, Rosia, Fahalalahàna miteny, Mediam-bahoaka, Teknolojia, GV Mpisolovava
Photo by Flickr user Laura Ferreira. CC BY-NC-ND 2.0 [1]

Sary avy amin'ny mpampiasa Flickr, Laura Ferreira. CC BY-NC-ND 2.0

Manome topimaso iraisam-pirenena mikasikaireo fanamby, fandresena, ary fironana mipongatra momba ny zo amin'ny Aterineto manerantany ny Netizen Report ato amin'ny Global Voices Advocacy.

Tao anatin'ny fivoarana farany tamin'ny fifampiraharahana eo amin'i Etazonia sy ny Vondrona Eoropeana momba ny fitsipika famindràna angon-drakitra, nitatitra ny Reuters fa nanome telo volana ny Facebook ny manampahefana misahana ny fiarovana ny angon-drakitr'i Frantsa mba hampitsahatra ny fitsirihana [2] ny asan'ireo tranonkalan'ny tsy mpampiasa azy raha tsy nahazoana fankatoavana avy amin'izy ireo, ka nandidy ny Facebook mba hampitsahatra ny famindràna angon-drakitra manokana sasany ho any Etazonia na hiatrika sazy ara-bola. Ho setrin'izany, nanambara ny Facebook fa tsy mampiasa ny fifanarahana lany andro  Safe Harbor [3] izy mba hamindràna angon-drakitra any Etazonia ary ho solon'izany dia nametraka rafitra ara-dalàna mba hitazonana ny famindràny angon-drakitra mifanaraka amin'ny lalànan'ny  Vondrona Eoropeana. Na teo aza izany, voatery nampitsahatra ny fitsirihana ny Belza tsy mpampiasa azy [4] ny Facebook tamin'ny taona lasa, taorian'ny nitondràn'ireo Belza mpandrindra azy tany amin'ny fitsarana. Tamin'ny herinandro lasa, nifanaraka i Etazonia sy ny Vondrona Eoropeana ny amin'ny rafitra iray vaovao araka ny lalàna mba hasolo ny Safe Harbor, saingy satria tsy mbola miasa izy io, betsaka ireo manampahefana eoropean misahana ny fiarovana angon-drakitra no mbola an-dalam-panapahana hevitra raha tokony ho ferana na tsia ny famindràna angon-drakitra.

Kapoka mafy ho an'ny Fototra Maimaimpoanan'ny Facebook

Nandrara tamin'ny fomba ofisialy ny “fametrahana lazambidy tsy mitovy” [5] na ny vidy manavakavaka napetraka amin'ny tolotra angon-drakitra arakaraky ny votoatiny ireo Indiana mpandrindra . Midika izany fa azo antoka ny fahazoan'ireo mpampiasa aterineto ao India fidirana mitovy amin'ny tranonkala izay tiany, na inona na inona fomba hifandraisany amin'ny Aterineto, hoy i Subhashish Panigrahi avy amin'ny Global Voices [6]. Ny fanapahankevitra dia kapoka iray manokana ho an'ny fampiharana Fototra maimaimpoanan'ny Facebook, izay nampiasa lazambidy tsy mitovy mba hanamoràna ny fidirana amin'ny Facebook, WhatsApp ary vohikala hafa sasantsasany maimaimpoana ho an'ny mpampiasa izay tsy mandoa vola ho an'ny drafitry ny angon-drakitry ny finday. Na dia mampiroborobo ilay fandaharanasa ho toy ny fomba hampitomboana ny fidirana niomerika aza ny Facebook, tonga niharan'ny valifaty izy tany India sy ny firenena hafa sasany. Nanantitrantitra i Pranesh Prakash, [7] manam-pahaizana amin'ny politikan'ny Aterineto fa na fandresena ho an'ny mpitondra aza ny fanapahankevitra ho an'ny fidirana misokatra any India, tsy maintsy tohizana ireo ezaka ireo mandra-pahatongan'i India ho mifandray amin'ny fomba marina sy mitovy.

Ny drafitra vaovaon'ny Google hiadiana amin'ny mahery fihetsika ety anaty tranonkala

Ao anatin'ny ezaka hiadiana amin'ny vondrona toy ny ISIS izay manangona ny miaramilany amin'ny tranonkala, nanomboka drafitra sava làlana [8] mba hitsirihana ireo mpampiasa izay mikaroka ireo fomba fiteny mahery fihetsika mankany amin'ireo rohy manohitra ny fiziriziriana/fihenjanana ny Google. Nandritra ny fivoriana [9] niaraka tamin'ny Komity Nofidiana momba ny Raharaha Anatiny Britanika Hanoherana ny Mahery Fihetsika, nambarany ny 2 Febroary teo ny ezaka vaovao. Nanaovan'ny mpikambana ao amin'ny parlemanta fanamby ihany koa ny Solontena avy amin'ny Twitter sy Facebook momba ny anjara asany amin'ny fiadiana amin'ny fielezan'ny fitaovan'ny mpampihorohoro. Nanambara [10] ny Twitter fa kaonty 125.000 mifandray amin'ny mahery fihetsika no naatony hatramin'ny tapaky ny 2015, ho setrin'ny fanerena avy amin'ny governemanta Amerikana. Na izany aza, araka ny voalazan'i Mike Isaac ao amin'ny New York Times: “tsy maintsy manaraka ny tsipika manify manasaraka ny fizakàna ny andraikiny amin'ireo sehatra tantaniny ireo orinasa ireo ary misoroka tsy haka ny toeran'ny mpitsara ny atao hoe fahalalahana miteny.”

Inona no hitranga amin'ny angon-drakitry ny ‘votoaty mazava’ any Okraina?

Noravàna tamin'ny taona lasa ny sampandraharaha Okrainiana miandraikitra ny sivana, ny Vaomieram-Pirenena Manampahaizana ho Fiarovana ny Fitondrantenam-Bahoaka, fa mbola velona ny lova navelany, [11] ho toy ny angon-drakitry ny “votoaty mazava” izay tsy misy na olona iray ao amin'ny governemanta aza mahafantatra ny tokony hatao aminy. Ahitana votoaty maro “misy singa mikasika ny firaisana sy ny manaitaitra ara-nofo” ilay angon-drakitra, fa fantatra tsara koa ilay vaomiera amin'ny fikasàny handrara [12] ny Spongebob Squarepants, Shrek, ary Teletubbies. Notoloran'ireo mpampiasa hevitra ny ekipa tompon'andraikitra tamin'ny fandravàna ilay vaomiera mba hanao izay hampahalalaka kokoa ny fidirana amin'ireo votoaty, mba hahafahan'izy ireo mahita izay nalehan'ny volan'ny mpandoa hetra.

Ahoana no hiarovanao ny tenanao amin'ny fijirihan'ny governemanta

Lasa fanao mahazatra  [13]ho an'ny governemanta manerana izao tontolo izao ny fijirihana ireo  mpiasa mpiaro ny zon'olombelona, mpanao gazety, sy fikambanana tsy miankina, araka ny voalazan'i Marquis-Boire avy amin'ny Amnesty International sy Eva Galperin ao amin'ny Electronic Frontier Foundation. Ao amin'ny lahatsoratra ho an'ny Amnesty International, manome tantara fohy momba ny fijirihan'ny governemanta izy roa ireo ary manome sosokevitra ho an'ireo ONG sy fikambanana miaro ny zon'olombelona mba hiarovany tena.

Manaiky ny fanarahamaso tafahoatra ataon'i Rosia

Mpanome tolotra aterineto Rosiana roa no nentin'ny Sampandraharahan'ny Fiarovana Federaly tany amin'ny fitsarana mba hiantsiana ny rafitra fanarahamaso [14] ampiasain'ny polisy federaly Rosiana hitsikilovana ny fampiasana Aterineto. Mitàna toerana manan-danja ny ISP mba hahatanteraka ny fanarahamaso, amin'ny alalan'ny fametrahana fitaovana lafo vidy izay manome fidirana ho an'ny polisy—mahatonga ity raharaha ity ho hetsika manafintohina be ho an'ny rafitra fanarahamaso tafahoatra ao Rosia.

Telegrama any Iràna

Miavaka ho toy ny lafin-javatra manan-danja ny fiantaikany mitombo hatrany [15] aterak'ilay fampiharana Telegram eo amin'ny fanapariahana sy ny fampielezana torohay mitarika ho amin'ny fifidianana parlemantera ny 26 Febroary tany Iràna, nefa lasa niha-niharihary ihany koa ny toetra mora tohin’ilay vovonana [16] tamin'ny fanodinkodinana nataon'ny fanjakana. Taorian'ny fisamborana an'i Bahman Doroshafaei, mpanao gazety fahiny tao amin'ny BBC, nalain'ny governemanta ny kaontiny Telegram [17] ary nanomboka nandefa hafatra ho an'ireo mpifandray taminy ry zareo. Misy mino fa ezaka mba hangalàna torohay saropady izany, na hizaràna spyware. Namoaka izao fampitandremana manaraka izao tao amin'ny kaontiny Facebook i Fatemeh Shams, naman'i Doroshafae:

Nisy olona niresaka momba ahy nandritra ny adiny roa avy tamin'ny kaonty Telegram an'i Bahman nojirihana, ary izao dia miresaka amin'ny namako amin'ny alalan'ny kaontiko. Raha misy olona mandefa hafatra amin'ny Telegram any aminao [avy amin'ny kaontiko] azafady aza raharahiana izany. Tsy anànako intsony ny fidirako amin'ny kaontiko.

Nandray anjara tamin'ity tatitra ity ry Mahsa Alimardani, Ellery Roberts Biddle [18], Hae-in Lim ary Sarah Myers West [19].

Misorata anarana ao amin'ny Netizen Report amin'ny alalan'ny imailaka [20]