Tantara tamin'ny 15 Marsa 2016
Netizen Report : Miady Amin'ny Facebook Momba Ny Fiainana Manokana Ny Vondrona Eoropeana

Manome topimaso iraisam-pirenena mikasika ireo fanamby, fandresena, ary fironana mipongatra momba ny zo amin'ny Aterineto manerantany ny Netizen Report ao amin'ny Global Voices Advocacy.
Mifampizara Lahatahiry Amin'ny Departemantan'ny Fitaterana Ao Moskoa Ankehitriny Ny Uber

Miaramiasa amin'ny manampahefana ao Moskoa ankehitriny ary mizara ny lahatahirin'ny fivezivezeny amin'ny sampan-draharaham-pitaterana ao an-toerana ny Uber, ilay mirazotra malazan'ny taxi sy be mpanohitra.
Mahitsy Be Ilay Mpiasan'ny Firenena Mikambana Tamin'ny Fanombanany an'i Hongria
Nasongadin'ny Mpampaka-teny manokan'ny Firenena Mikambana, Michel Forst, ny toe-javatra mahakivy atrehan'ireo mpiaro zon'olombelona any Hongria rehefa vita ny fitsidihana sivy andro nataony.
Mitady Fanakànana Ivelan'ny Fitsarana Ho An'ireo Vohikala izay Manitsakitsaka Ny Fizakàmanana Ny Volavolan-dalàna Vaovao Okrainiana

Te-hanolo ny fampitandremana mahazatra mialohan'ny fitsarana ho lasa rafitra fanesorana sy fanakànana haingana kokoa ivelan'ny fitsarana ilay volavolan-dalàna vaovao ao amin'ny parlemanta Okrainiana, raha toa ka misy fanitsakitsahana ny fizakàmanana any anaty tranonkalam-pifandraisana
Nahare Ve? Niverina Ny Global Voices Podcast
Taorian'ny telo taona niatoana dia niverina ihany tamin'ny farany ny Global Voices Podcast. Amin'ity andiany ity izahay hitondra anareo ho any Meksika, Shina, Tajikistan, Makedonia ary Rosia.
Mampanatrika An'i Pakistan Amin'ny Famonoan'Olona Hiarovam-Boninahitra Ny Sarimihetsika Nahazo Amboara An'i Sharmeen Obaid Chinoy
"Ao Pakistan mahazoa Oscar ianao dia ho ankahalain'ny rehetra sy lazainy ho mpamadika"
Nosamborin'i Bahrain Niaraka Tamin'ny Zanany Vao Herintaona Monja i Zainab Al Khawaja, Mpikatroka Mafàna Fo
Nosamborin'i Bahrain androany niaraka tamin'i Abdul-Hadi, zananilahy vao 15 volana ilay mpikatroka mafàna fo, Zainab Al Khawaja. Fisamborana mitranga ao anatin'ny fotoana fankalazàna ny tsingerintaona fahadimy nahatongavan'ireo andian-tafika avy any Arabia Saodita sy ny Emirà Arabo Mitambatra hanorotoro ireo hetsipanoherana nitaky ny demaokrasia izay nahazo ny firenena
Semporin'ny Olompirenena Amin'ny Tatitra Mikasika Ny Angona Mampiahiahy Momba Ireo Mpifidy Ny Vaomiera Makedoniana Misahana Ny Fifidianana
Namoaka fampiasa iray ny SEC mba hamelàna ireo Makedoniana ho afaka mitatitra avy ety anaty aterineto ny tsy fetezana hita any anaty Lisitry ny Mpifidy. Andro folo taty aoriana, nakaton-dry zareo ilay izy noho ny tatitra maro loatra voarainy.