- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nahazo Laza Tamin'ny Diezy Ny Praiminisitr'i Malayzia, Fa Tsy Tamin'ilay Nantenainy

Sokajy: Azia Atsinanana, Malezia, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika
Malaysian Prime Minister Najib Razak poses with a group of young people taking a selfie with him. Photo from the Facebook page of Najib. [1]

Praiminisitra Malayziana Najib Razak maka selfies miaraka amin'ny andian-tanora. Sary: Facebook.

Mifampitady amin'ny fiampangana kolikoly mahazo azy ny Praiminisitra Malayziana Najib Razak ao amin'ny fireneny, saingy voasalotra satro-boninahitra vaovao indray izy amin'ny fanentanana iray amin'ny hashtag [diezy] [2]. Ankoatra izay dia tsy nety nalaza araka ny nantenain'i Najib ny hetsika #RespectMyPM [HajaoNyPMko] tamin'ny 7 Marsa. Raha tokony nampiroborobo ny “hajao” ny mpiseraseran'ny aterineto maro dia nampiasa [3] ny diezy [hashtag] izay namely ny Praiminisitra amin'ny maha-mpitondra azy. Naelin'ny mpitsikera ihany koa ny diezy [hashtag] #SuspectMyPM [AhiahioNyPMko] hanoherana ilay hetsika.

Voampanga [4] [mg] ho nandray vola mihoatra ny 600 tapitrisa dôlara US tamin'ny orinasam-pampiasambola iray tantanin'ny fanjakana i Najib. Nolazainy fa ny vola nipetraka tao amin'ny kaontiny manokana ao amin'ny banky dia fanomezana politika avy amin'ny fianakavian'ny mpanjakan'i Arabia Saodita. Niteraka hetsi-panoherana [5] [mg] nanerana ny firenena ity raharaha ity ary nisy aza tamin'ireo mpiara-dia amin'i Najib no niantso ho amin'ny fialàny.

Tamin'ny volana Janoary lasa teo, noafahan'ny [6] lehiben'ny fampanoavana amin'izay mety ho fahadisoana rehetra i Najib, saingy mbola mivory sy mihamatanjaka hatrany ny hetsika miantso ny hialany. Tamin'ny herinandro lasa teo ny lehiben'ny fikambanam-piarahamonina isan-karazany, izay ahitana ny praiminisitra teo aloha Mahathir Mohamad ihany koa, nanasonia [7] fanambarana mitaky ny hanesorana an'i Najib amin'ny asam-panjakana tanterahiny.

Mety ho azo heverina fa ity fanambarana ity no nampiontana ny mpanohana an'i Najib hiezaka ny hahazo fanohanana an-tserasera tamin'ny alalan'ny fanentanana #RespectMyPM [HajaoNyPMko]. Tsy namorona ity diezy [hastag] ity, anefa, ny Malayziana mpikatroka. (Ny mpanohana ny Praiminisitra Indiana Narendra Modi no tompon'io fanasongadinana io, taorian'ny fifidianana azy tamin'ny 2014.) Ao Malayzia, namelona ny diezy indray, avy amin'ny pejy [8] Facebook iray antsoina hoe “Pertahan Negara Kita” (Arovy Ny Firenenay) ny mpiseraseran'ny aterineto hampaherezana ny mpanohana an'i Najib hiara-mivondrona ao ambadiky ny praiminisitra mitaintaina.

Tsara ny tsikera fa aza simbaina ny firenentsika. Malayziana avokoa isika rehetra. Firenentsika ity! [HajaoNyPMko]

Mbola nahazo antso bebe kokoa aza ny diezy rejefa nampiasa azy tao amin'ny sioka iray ny Kabinetran'ny Minisitra Azalina Othman.

Avy any Johor aho ary [HajaikoNyPMko]

Ary rehefa nihanalaza, anefa, ilay diezy dia nanaitra ny mason'ny mpitsikera an'i Najib’, izay namily azy ho amin'ny lahatsoratra maneso ny praiminisitra.

[HanajaNyPMko] aho rehefa manapa-kevitra ny hiala izy.i

Nanonona ireo [zavananafintohina] maro nahavoaroiroy an'i Najib ny mpiserasera aterineto hampalaza diezy iray hafa #SuspectMyPM [AhiahioNyPMko] .

Tsy manana antony tsara [HanajanaNyPMko] aho, saingy manana antony maro [HiahiahikoNyPMko].

Mpianatra iray tompondakan'ny fiadiandiankevitra [21] nanao lisitra ny antony tokony hialan'i Najib :

Tsy azo terena ny fanajana, ENDREHINA ny fanajana. [HajaoiMalayzia] fa tsy [HajaoNyPMko]

Angamba ity sioka avy amin'i Syahredzan Johan no tena mamehy tsara ny tantaran'ny #RespectMyPM [HajaoNyPMko]:

Malaza ny [HajaoNyPMko], saingy amin'ny antony diso daholo hahahaha