Nahazo Laza Tamin'ny Diezy Ny Praiminisitr'i Malayzia, Fa Tsy Tamin'ilay Nantenainy

Malaysian Prime Minister Najib Razak poses with a group of young people taking a selfie with him. Photo from the Facebook page of Najib.

Praiminisitra Malayziana Najib Razak maka selfies miaraka amin'ny andian-tanora. Sary: Facebook.

Mifampitady amin'ny fiampangana kolikoly mahazo azy ny Praiminisitra Malayziana Najib Razak ao amin'ny fireneny, saingy voasalotra satro-boninahitra vaovao indray izy amin'ny fanentanana iray amin'ny hashtag [diezy]. Ankoatra izay dia tsy nety nalaza araka ny nantenain'i Najib ny hetsika #RespectMyPM [HajaoNyPMko] tamin'ny 7 Marsa. Raha tokony nampiroborobo ny “hajao” ny mpiseraseran'ny aterineto maro dia nampiasa ny diezy [hashtag] izay namely ny Praiminisitra amin'ny maha-mpitondra azy. Naelin'ny mpitsikera ihany koa ny diezy [hashtag] #SuspectMyPM [AhiahioNyPMko] hanoherana ilay hetsika.

Voampanga [mg] ho nandray vola mihoatra ny 600 tapitrisa dôlara US tamin'ny orinasam-pampiasambola iray tantanin'ny fanjakana i Najib. Nolazainy fa ny vola nipetraka tao amin'ny kaontiny manokana ao amin'ny banky dia fanomezana politika avy amin'ny fianakavian'ny mpanjakan'i Arabia Saodita. Niteraka hetsi-panoherana [mg] nanerana ny firenena ity raharaha ity ary nisy aza tamin'ireo mpiara-dia amin'i Najib no niantso ho amin'ny fialàny.

Tamin'ny volana Janoary lasa teo, noafahan'ny lehiben'ny fampanoavana amin'izay mety ho fahadisoana rehetra i Najib, saingy mbola mivory sy mihamatanjaka hatrany ny hetsika miantso ny hialany. Tamin'ny herinandro lasa teo ny lehiben'ny fikambanam-piarahamonina isan-karazany, izay ahitana ny praiminisitra teo aloha Mahathir Mohamad ihany koa, nanasonia fanambarana mitaky ny hanesorana an'i Najib amin'ny asam-panjakana tanterahiny.

Mety ho azo heverina fa ity fanambarana ity no nampiontana ny mpanohana an'i Najib hiezaka ny hahazo fanohanana an-tserasera tamin'ny alalan'ny fanentanana #RespectMyPM [HajaoNyPMko]. Tsy namorona ity diezy [hastag] ity, anefa, ny Malayziana mpikatroka. (Ny mpanohana ny Praiminisitra Indiana Narendra Modi no tompon'io fanasongadinana io, taorian'ny fifidianana azy tamin'ny 2014.) Ao Malayzia, namelona ny diezy indray, avy amin'ny pejy Facebook iray antsoina hoe “Pertahan Negara Kita” (Arovy Ny Firenenay) ny mpiseraseran'ny aterineto hampaherezana ny mpanohana an'i Najib hiara-mivondrona ao ambadiky ny praiminisitra mitaintaina.

Tsara ny tsikera fa aza simbaina ny firenentsika. Malayziana avokoa isika rehetra. Firenentsika ity! [HajaoNyPMko]

Mbola nahazo antso bebe kokoa aza ny diezy rejefa nampiasa azy tao amin'ny sioka iray ny Kabinetran'ny Minisitra Azalina Othman.

Avy any Johor aho ary [HajaikoNyPMko]

Ary rehefa nihanalaza, anefa, ilay diezy dia nanaitra ny mason'ny mpitsikera an'i Najib’, izay namily azy ho amin'ny lahatsoratra maneso ny praiminisitra.

[HanajaNyPMko] aho rehefa manapa-kevitra ny hiala izy.i

Nanonona ireo [zavananafintohina] maro nahavoaroiroy an'i Najib ny mpiserasera aterineto hampalaza diezy iray hafa #SuspectMyPM [AhiahioNyPMko] .

Tsy manana antony tsara [HanajanaNyPMko] aho, saingy manana antony maro [HiahiahikoNyPMko].

Mpianatra iray tompondakan'ny fiadiandiankevitra nanao lisitra ny antony tokony hialan'i Najib :

Tsy azo terena ny fanajana, ENDREHINA ny fanajana. [HajaoiMalayzia] fa tsy [HajaoNyPMko]

Angamba ity sioka avy amin'i Syahredzan Johan no tena mamehy tsara ny tantaran'ny #RespectMyPM [HajaoNyPMko]:

Malaza ny [HajaoNyPMko], saingy amin'ny antony diso daholo hahahaha

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.