- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Naneho Hevitra Tamin'ny Fandresen'ny Mpanohitra Tamin'ny Vato Maro An'isa Tery Tsy Mbola Nisy Toy Izany Ny Jamaikana

Sokajy: Karaiba, Jamaika, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika
United Nations and UNDP representatives meet with the Jamaican Government and Diplomatic Corp at the Office of the Prime Minister, Jamaica House, Kingston, in 2011 -- Andrew Holness (in dark suit, middle, front row) was, at the time, Prime Minister Designate. Photo by UNDP Jamaica, used under a CC BY-NC-ND 2.0 license. [1]

Solontenan'ny Firenena Mikambana sy ny UNDP nihaona tamin'ny governemanta Jamaikana sy ny Diplaomaty tao amin'ny Biraon'ny Praiminisitra, Jamaica House, Kingston, tamin'ny 2011 — Praiminisitra voatendry i Andrew Holness (palitao mainty, afovoany, eo aloha) tamin'izany fotoana izany. Sary avy amin'ny UNDP Jamaica, CC BY-NC-ND 2.0 license.

Taorian'ny fampielezan-kevitra mafana, nahazo fahefana indray tao amin'ny firenena nosy Karaiba ny Antokon'ny Mpiasa Jamaika  [2] (JLP) tamin'ny fifidianana ankapobeny tamin'ny 25 Febroary 2016, namotsotra seza 21 tamin'ny 2011 ary nahazo fandresena tamin'ny [nihoatra] seza iray tamin'ity fifidianana 2016 ity .

Ny marainan'ny Talata 1 Martsa, nandefa lahatsoratra [3]tao amin'ny Facebook ny Vaomieram-pifidianana ao Jamaika [3](ECJ):

Final Counting of Ballots for General Election 2016
[…]
The conclusion of the count for the constituency of St. Thomas Western on Monday, February 29 marked the final counting of ballots in all 63 constituencies for the 2016 General Election. Of the 63 seats contested, the Jamaica Labour Party (JLP) holds the majority with 32 and the Peoples National Party (PNP) the remaining 31.

Fanisam-bato farany amin'ny Fifidianana Ankapobeny 2016
[…]
Ny vokatry ny fanisam-bato ho an'ny  Faripiadidian'ny Md. Thomas Andrefana tamin'ny Alatsinainy 29 Febroary no nanamarika ny fiafaran'ny fanisana vatom-pifidianana tamin'ny faripiadidiana rehetra miisa 63 tamin'ny fifidianana ankapobeny 2016. Tamin’ ireo seza 63 nifaninanana, ny Antokon'ny Mpiasa Jamaika (JLP) no mitàna ny maro an'isa amin'ny seza 32 ary lasan'ny Antoko Nationalim-nahoaka (PNP) ny ambiny 31.

Nisioka sary nivoaka tao amin'ny tranokala diGJamaica [4] an'ny gazety Gleaner ny Hetsiky ny olom-pirenena ho an'ny Fifidianana Malalaka sy Madio [5] (CAFFE):

Taham-pahavitrihana amin'ny isan-jato tamin'ny fifidianana : 1962-2016

Tsy nahazaka tebiteby ny Jamaikana tao amin'ny media sosialy, satria nitohy nandritra ny faran'ny herinandro lasa ny fanisam-bato farany amin'ny fifidianana ankapobeny tao Jamaika. Mpikaroka momba ny fiovaovan'ny toetrandro Ayesha Constable nandrisika hoe:

Tsy afaka hanao fitroaran'ny olom-pirenena intsony i Jamaika tahaka ny efa nataontsika – aza resahina sao hisy izany

Tamin'ny alatsinainy maraina, nisioka ny Jamaica Gleaner [13] :

VAOVAO: Namoaka “antso manokana” ho amin'ny fitoniana mandritra ny herinandro manomboka ny Alatsinainy ny Tafi-piarovana Jamaikana. Tantara mitohy

Na izany aza, tsy nisy ny tatitra fitroarana hatramin'ny nanambarana ny voka-pifidianana.

‘IZAHAY no mamaritra izay zava-dehibe. IZAHAY no milaza aminareo izay tianay horesahina’

Nisy ny fisafotofotoana sy adihevitra mikasika ny fizotran'ny fifidianana (indrindra ny fametrahana marika ny vatom-pifidianana) satria nitohy nandritra ny faran'ny herinandro ny fanisam-bato, miaraka amin'ny tsaho tsy marim-pototra sy ny tombantombana tsy mitsaha-mitombo. Tao anatin'izany, nanamarika tao amin'ny Twitter ny mpitarika iray eo amin'ny sehatra tsy miankina, Chris Zacca :

Azafady, ekeo ny zava-misy ary mitonia ankehitriny, jereo ny zava-misy eo ambany. Ny EOJ (Vaomieram-pifidianana) no hany afaka milaza ny zava-misy

Raha vao nohamafisina ny voka-pifidianana, mailaka avy hatrany ny mpaneho hevitra sy ny mpanara-baovao nanao fandinihana mikasika ny faharesen'ny Antoko Nasionalim-bahoaka [17] (PNP) sy ny anton'izany.

Nizara ny fijeriny ilay mpamakafaka an-gazety sady mpaneho hevitra amin'ny media sosialy Michael Abrahams [18], raha nibilaogy [18]kosa i Kelly Ogilvie Katharin mpisera Twitter mavitrika amin'ny maha-mpikambana azy ao amin'ilay antsoina hoe #ArticulateMinority [19]:

I am eagerly anticipating the elector analysis that will be published in a few weeks as promised by the Electoral Office of Jamaica. I could be wrong, but I think that the record low voter turn out would have been worse had it not been for the youth vote and the #articulateminority. I think that naturally larger base of PNP supporters, unable to vote for the PNP in the face of their display of arrogance, opted to stay home, as they would rather die than vote for the JLP. My assumptions only. We'll see once the data is published.

The defeat of the PNP in this particular election signals a change that will forever shift the paradigm that defines politicking in Jamaica. And it's for the better methinks. It is a little harder to bamboozle the electorate, Guys. We have information. We spread information. WE determine what is important. WE tell you what we want to discuss. IGNORE US AT YOUR PERIL!

My own 20 year old daughter voted for the first time, and so did many of her friends. I scrolled her Twitter timeline with keen interest and many ‘Ohhhhhhs’ realising that our very own millennials had strong views about the PNP, JLP and voting.

Mailaka aho manombana ny fandinihan'ny mpifidy izay hivoaka ao anatin'ny herinandro vitsivitsy araka ny nampanantenain'ny Vaomieram-pifidianan'i Jamaika. Mety ho diso aho, saingy mihevitra fa ny taham-pahavitrihana ambany dia mety mbola ho ratsy ratsy kokoa raha tsy nisy ny vaton'ny tanora sy ny vitsy an'isa. Mino aho fa maro kokoa ny mpanohana fototry ny PNP, tsy naharotsa-bato ho an'ny PNP manoloana ny fireharehana nasehon'izy ireo, no nisafidy ny hijanona ao an-trano, satria aleon'izy ireo maty toy izay hifidy JLP.  Fiheverako manokana. Ho hitantsika eo rehefa mivoaka ny lahatahiry

Ny faharesen'ny PNP tamin'ity fifidianana manokana ity no maneho fiovana hanova tanteraka ny sokajy mamaritra ny fanaovana politika eto Jamaika. Ary ho amin'ny tsaratsara kokoa izany araka ny eritreritro. Sarotsarotra kokoa ny hamitaka ny mpifidy, ry zalahy. Manam-baovao isika. Mampiely vaovao isika. Mamaritra izay zava-dehibe IZAHAY. Milaza aminareo izay tianay horesahana IZAHAY. TSINOTSINOAVO IZAHAY MBA HAHAVOA ANAREO!

Sambany nifidy ny zanako vavy 20 taona, ary tahaka izany koa ny ankamaroan'ny namako. Liana tanteraka aho namakivaky ny zava-misy ao amin'ny Twitter-ny ary ‘Ohhhhhhs’ marobe no mahita fa manana fomba fijery lehibe momba ny PNP, JLP sy ny fifidianana ny taranaka arivo taonantsika.

Nanoratra am-pahafinaretana [20]ireo fahadisoana natao nandritra ny fampielezan-kevitra ilay mpanohana malaza ny PNP sady mpisera Twitter mavitrika, ka namehy hoe:

Right now Jamaica’s elite are already cackling with delight and rejoicing over the fact that they won’t have to rub shoulders with so many hurry come ups made rich by the PNP government. The party needs to get back to [late Prime Minister] Michael Manley’s principles and stop kissing up to people who will only smile in our faces and laugh behind our backs. We need some introspection as a party.

Amin'izao fotoana izao, efa mitabataba fahafinaretana sy fifaliana sahady ny sangany ao Jamaika noho ny zavamisy fa tsy voatery hiaraka amin'ireo maika marobe nanankarena tamin'ny governemanta PNP. Mila miverina amin'ny fitsipik'i Michael Manley [Praiminisitra efa maty] ny antoko ary mitsahatra manoroka izay olona mitsiky eo anoloantsika fa mikakakaka ao ambadika. Mila fandinihan-tena isika amin'ny maha antoko.

‘Aza mitaraindraina amin'ny olana, manaova zavatra tsara’

Mijery ny ho avy, mitohy ao amin'ny media mahazatra sy ny media sosialy ny adihevitra mafana momba ny lalana hodiavin'ny fitondrana vaovao. Mitosaka ny soso-kevitra, tolo-kevitra, faniriana sy ny fanantenana, miaraka amin'ny marimaritra iraisana fa tsy maintsy manao zavatra amin'ny fomba hafa ny governemantan'ny Praiminisitra vaovao voafidy, Andrew Holness izay nanao fianianana [21]tamin'ny Martsa 3, mba hiantoka ny fitokisan'ny vahoaka Jamaikana.

Nisioka ny tompon'andraikitry ny fitantanana ny rano, Geoff Marshall:

Mila mifantoka tanteraka amin'ny fitantanana ny tontolo iainana ny fitondranao. Tsy malaza amin'izany ny JLP ary mila miova

Mpanolotra fandaharana malaza Emily Shields kosa nanontany ireo mpanjohy azy amin'ny Twitter (manondro ny Praiminisitra voatendry, Andrew Holness i AH):

Ny eritreritrareo ry mpisioka?

Isan-karazany ny valinteny tamin'ny siokany, manomboka amin'ny filàna fandraisana andraikitra goavana sy ny mangarahara ka hatramin'ny fandrisihana ny fanafoanana ny kolikoly sy ny fandaniam-poanan'ny governemanta ary ny fanentanana ho amin'ny fitomboana ara-toekarena sy ny fampandrosoana maharitra. Nanipika ny filàna fampitam-baovao tsara kokoa – amin'ny alalan'ny media sosialy – avy amin'ireo mpikambana ao amin'ny governemanta rehetra i Shields tenany.

Ahiahy manokana amin'ny olana ara-pitantanana. Dahlia Harris, olo-malazan'ny media,  nisioka resaka mampiadihevitra iray:

Manontany tena aho raha ho anisan'ny hampitsahatra ny fanenjehana mpiasam-panjakana noho ny fironana ara-politika i Mas Andrew.

Mpanao gazety momba ny sakafo, Jacqui Sinclair, kosa nilaza ny fanirian'ny Jamaikana maro amin'ny governemanta mba hametraka ny olona ho voalohan-daharana, ary nanandra-teny ho amin'ny fandraisan'anjaran'ny olom-pirenena bebe kokoa:

Jamaika aloha. Aza be taraindraina amin'ny olana, manaova zavatra tsara ary manonòna fitahiana amin'ny firenena mba tsy hisian'ny voina sy ny loza.

Tamin'ny herinandro teo, nahatsapa ny fiantraikan'ny fanentanan'ny JLP tamin'ny media sosialy i Holness [31] tenany. Mavitrika amin'ny Twitter sy Facebook [32]izy, miaraka amin'ny Instagram [33] sy ny fantsona Youtube [34] ao amin'ny pejy Facebook-ny. Nisioka izy vantany vao vita ny fifidianana:

Ho an'ny mpanjohy ahy rehetra. Mino tanteraka aho fa afaka manova ny resadresaky ny firenena amin'ny alalan'ny fampitam-baovao sosialy isika. Manàna hambo. Fa aza misolelaka!

Nampiasa Twitter sy Facebook [36] ihany koa ny fitantananany mba hanasongadinana ny fiomanana [36] ho ataon'ny governemanta vaovao hoavy. Dodona ny Jamaikana hijery raha hitohy ny ezak'izy ireo amin'ny media sosialy rehefa tafapetraka ny rivo-baovao ara-politika.