Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Fandriampahalemana ao Kolombia, Faran'izay Akaiky Indrindra

El proceso de paz fue uno de los temas tratados por el Presidente Juan Manuel Santos en la reunión que sostuvo este martes con oficiales y suboficiales de la Primera División del Ejército con sede en Santa Marta. Foto: Presidencia de Colombia.

Ny Talata 16 Febroary, noresahan'ny Filoha Juan Manuel Santos ny olana momba ny dingana mankany amin'ny fandriampahalemana, nandritry y fihaonany tamin'ireo manamboninahitra sy manamboninahitra lefitra ao amin'ny Diviziona Voalohan'ny Tafika, tao Santa Marta. Sary: Lapam-panjakana ao Kolombia.

[Fanamarihana: ankoatry ny lahatsoratra, dia saiky mitondra ho amin'ny fiteny Espaniola daholo ny rohy ato anatiny ]

Be fanantenana ny governemanta Kolombiana ny amin'ny mety hisian'ny fiarahana manao sonia ny fifanarahana hisian'ny fandriampahalemana amin'ny Tafika Revolisionera Kolombiana (FARC), ny tranainy indrindra amin'ny mpanao ady anaty akata ao Amerika Latina, ka hampitsahatra araka izany ny fifandonana mitam-piadiana mampivoa-drà ny firenena efa ho maherin'ny antsasaka taonjato iray.

Olona 220 000 raha kely indrindra no namoy ny ainy, 25.000 nanjavona ary 4 744 046 no nafindra toerana teo anelanelan'ny 1958 sy 2012, araka ny tatitra naroson'ny Centre National de Mémoire Historique (CNMH) ary navoakan'ny gazety mpiseho isanandro El País.

Ary tamin'ny 2012 indrindra, tao La Havane, no nanomboka ireo fifampiraharahàna momba ny fandriampahalemana teo amin'ireo solontenan'ny governemanta kolombiana sy ireo mpikambana avy amin'ny mpihoko.

Vao haingana dia nisy mpifanolo-tànana iray vaovao tonga handray anjara amin'ny resaka momba ny aorian'ny fifandonana, hatramin'ny nihaonan'ny filoha Juan Manuel Santos tamin'ny filohan'i Etazonia, Barack Obama, ho fankalazàna ny faha-15 taonan'ilay Drafitra Kolombia nampiady hevitra be sy hametrahana ny dingana faharoa amin'ilay fanampiana antsoina hoe Fandriampahalemana Kolombia.

Navoakan'ny Trano Fotsy tao amin'ny tranonkalany ilay antontan-taratasy  : “Fampitambaovao: Fandriampahalemana Kolombia : Vaninandro vaovao amin'ny fiarahana miasa eo amin'i Etazonia sy Kolombia”, ka tao anatin'izany no nomena tamin'ny antsipirihany ny fametrahana ilay fiarahamiasa.

(…) esta iniciativa de varios años aumentaría el apoyo catalítico de EE. UU. para ayudar a Colombia a “lograr la paz”. Paz Colombia centrará la futura asistencia de EE. UU. en tres pilares: 1) consolidación y expansión del progreso alcanzado en seguridad y operaciones antidroga y al mismo tiempo, reintegración de la FARC a la sociedad; 2) expansión de la presencia del estado y las instituciones para fortalecer el estado de derecho y las economías rurales, especialmente en previas zonas de conflicto; y 3) promoción de la justicia y otros servicios esenciales para las víctimas del conflicto. Como parte de ese marco y para apoyar la implementación del acuerdo de paz, el Presidente solicitará más de $390 millones para el año fiscal 2017 de asistencia extranjera bilateral. La Administración también solicitará fondos para el año fiscal 2017 para otros programas en curso que contribuirían con los objetivos de Paz Colombia tales como asistencia humanitaria para las poblaciones vulnerables y programas para operaciones antidroga del Departamento de Defensa que, de ser aprobados por el Congreso, aumentarían nuestro nivel de esfuerzo total a más de $450 millones.

(…) hampitombo ny fanohanan'i Etazonia an'i Kolombia mba “hanana fandriampahalemana” ity hetsika maharitra taona maro ity”. Ao anatin'ny “Drafitra Kolombia”, ny fanampian'ny amerikana amin'ny hoavy dia hifantoka aminà teboka telo : 1) fanamafisana sy fanitàrana ireo tanjona efa tratra amin'ny resaka fiarovana sy ny ady atao amin'ny zavamahadomelina, no sady mamerina ny FARC ho ao anatin'ny fiarahamonina indray ; 2) fanitarana ny fijoroan'ny Fanjakana sy ireo andrimpanjakana mba hanamafisana ny tany tàn-dalàna sy ny toekarena ambanivohitra, indrindra fa any amin'ireo faritra manokana misy fifandonana tany aloha ; ary 3) fampiroboroboana ny fitsaràna sy ireo sampandraharaha hafa tena ilaina ho an'ireo niharan-doza tamin'ny fifandonana. Ao anatin'io sy mba hahafahana manohana ny fampiharana ilay fifanarahana fandriampahalemana, hangataka fanampiana fiarahamiasa avy any ivelany mitentina maherin'ny 390 tapitrisa dolara ny filoha ho an'ny taon-ketra 2017. Ny Fitantanana dia hangataka ihany koa famatsiambola ho an'ireo fandaharanasa hafa efa misy, izay handray anjara amin'ny fanatratrarana ireo tanjon'ny Fandriampahalemana Kolombia, toy ny fanampiana noho ny maha-olombelona ho an'ireo vahoaka marefo ary ho an'ireo hetsika fanenjehana ny zavamahadomelina ataon'ny Departemantan'ny Fiarovana. Raha eken'ny Kaongresy ireny famatsiambola ireny, ho tafakatra haherin'ny 450 tapitrisa dolara ny haavon'ny ezaka manontolo ataontsika.

Naelin'ny governemanta kolombiana tao amin'ny Twitter ity filazana ity:

Midika fiovàna ho an'ny Kolombiana rehetra ny fandriampahalemana. Hanana firenena mendrika isika.

Olmedo Ramírez kosa somary kely fanantenana manoloana ny anjara andraikitr'i Etazonia, tao anaty lahatsoratra iray navoakan'ny tranonkala Ciudadano en la Red:

‘Mucho ruido y pocas nueces’ es la percepción de muchos colombianos frente al proyectado fondo de USA por un valor de US$450 millones ¿por año? para financiar la paz, más allá del conflicto -que todavía está en veremos- y como sustituto del ‘Plan Colombia’ por un valor cercano a los US$5000 millones, de tan profundo impacto en la modernización de nuestras fuerzas militares y el progreso de nuestra ya larga batalla contra la subversión y el narcotráfico que también le compete a los consumidores por aquello de “es la demanda la que crea la oferta”, apenas morigerado por el gran significado político que este hecho reviste, de la mano del involucramiento unánime del Consejo de Seguridad de la ONU en la vigilancia del desarme de la guerrilla en el posconflicto.

“Resabe tsy mankaiza”, izany no fahatsapan'ny Kolombiana marobe manoloana ilay tetibola 450 tapitrisa dolara (isantaona ve?) atokan'i Etazonia hamatsiana ny fandriampahalemana- izay mbola mila hamarinina koa aza – sy ny aorian'ny fifandonana. Io fandaharanasa io no hisolo ny “Drafitra Kolombia” izay nandaniana 5 lavitrisa dolara tany ho any ary nisy fiantraikany tena faran'izay lalina teo amin'ny fampiroboroboana ny tafika teto amintsika mba ho maoderina , ary ny fandrosoan'ny adintsika, izay indrisy efa ela loatra, hanoherana ireo mpikirakira zavamahadomelina ary mahasaringotra ihany koa ireo mpanjifa azy satria ny filàna no mamorona ny tolotra, miteraka filàna politika mivelatra amin'ny sehatra midadasika be. Io fanampiana ara-toekarena ataon'ny amerikàna io dia hiara-dàlana amin'ny fandraisana anjara tsy misy fepetran'ny Filankevi-pilaminan'ny Firenena Mikambana, izay hanisy maso ny fametrahan'ireo mpanao ady anaty akata ny  fiadiany aorian'ny ady.

Ho an'ny maro, midika fanavaozana ny Lalàm-panorenan'ny firenena ny fandriampahalemana. Izany rahateo no azo vakiana ao amin'ny tranonkala Pacifista:

Sectores dispares parecen ahora encontrarse en la necesidad de que, ya sea para la etapa de refrendación o de implementación de los acuerdos con las Farc, se convoque a una asamblea nacional constituyente que tenga a su cargo moldear una constitución acorde con el escenario que se abriría con la terminación del conflicto.

Na ho fanalavàna na ho fampiharana ireo fifanarahana niarahana tamin'ny FARC, toa toy ny mifanantona ankehitriny ireo sehatra niparitadritaka tany noho ny filàna manangana antenimiera mpamolavola handrafitra lalàm-panorenana iray mifandraika amin'ny vanimpotoana aorian'ny ady.

Any ambadiky ny tsy fitoviana hevitra, irain'ireo Kolombiana ny hiafaran'ny fifandonana mitam-piadiana, araka izay nosoratan'i Alfonso Ojeda Awad ao amin'ny tranonkala Kien Yke,  :

Para alegría de todos los colombianos, amantes de la Paz y la Reconciliación, en el año de 2016 se firmará por fin, el esperado documento que ponga fin a la guerra fratricida que por más de cincuenta años ha ensangrentado todo el territorio nacional. Los significativos esfuerzos realizados por las delegaciones oficiales, tanto del gobierno nacional como de las Farc, indican que van llegando a conclusiones posibles y factibles que permitirán darle un ejemplo al mundo de cómo se solucionan contradicciones que en determinados momentos y circunstancias se consideraron insuperables y solo se veía la guerra como el único camino existente.

Fifaliana lehibe ho an'ireo Kolombiana rehetra naniry Fandriampahalemana sy Fampihavanana, fa hosoniavina ny 2016 ilay antontan-taratasy nandrandraina fatratra hanpitsaharana ilay ady ifandrotehan'ny mpirahalahy sy nampisy rà nandriaka tao amin'ny firenea efa ho dimampolo taona mahery. Ireo ezaka goavana vitan'ireo iraka ofisialy, na avy amin'ny governemanta izany, na avy amin'ny FARC, dia milaza fa efa miha-manakaiky ny vahaoloana azo tsapain-tànana sy azo tanterahana, mampiseho aminì'izao tontolo izao fa azo atao ireo olana izay toa tsy afaka nihoarana tany aloha tany ary tsy noheverina ho nisy valinkafatra hafa azo nasetry azy ankoatry ny ady.

Raha voahaja ny tetiandro ka ho voasonia amin'ny Martsa ilay fifanarahana, “dia ho antsika hiatrika fifidianana ny Kàolombiana rehetra ato anatin'ny enimbolana voalohany amin'ny taona 2016 mba hanamafisana na handàvana ireo fifanarahana fandriampahalemana vita niarahana tamin'ny FARC”, hoy ny gazety El Tiempo.

Tao amin'ny Twitter, naneho ny fanohanany ny fitsapankevibahoaka i Jeisson Zubieta Díaz, ary nilaza fa manohitra ny fananganana antenimiera mpamolavola :

Lazain'ireo FACR fa “hadisoana politika” ilay Fitsapankevibahoaka momba ny Fandriampahalemana. Ny tena hadisoana politika, dia angamba ilay sosokevitra hanangana antenimiera mpamolavola.

Luis Fernández nilaza ho mankasitraka ny hisian'ny fandriampahalemana :

Juan Manuel Santos, manohana ny ezaka ataonao hisian'ny fandriampahalemana eto Kolombia izahay, izay ho fandriampahalemana ho an'ireo mponina rehetra ary Amerika Latina sy Karaiba.

Etsy ankilany, i Nerita Versicolor nahatsiaro ireo rehetra mpisehatra ho amin'ny fisian'ny fandriampahalemana:

Fotoana ihany koa izao hisaorana ireo rehetra niasa mba hisian'ny fandriampahalemana aty Kolombia, tsy mitandro hasasarana, ary niasa mangina tsy nisehoseho

Nangatahan'i Luis Alberto ny mba tsy hanadinoana ny singa fototra iray hahatongavana amin'ny fandriampahalemana sy hitehirizana azy :

Raha tsy misy ny rariny, ny fitoviana ary ny fandravàna ny hery ivelan'ny tafika, ary raha tsy atao ny ady mivantana amin'ny kolikoly, dia tsy afaka ny hisy fandriampahalemana aty Kolombia.

Efa an-dàlana ny dingana farany ary, enga anie, tsy iverenana amin'ilay zotra ho amin'ny fandriampahalemana, taorian'ny fifanarahana momba ny “fampandrosoana ny eny ambanivohitra, ny fandraisana anjaran'ireo mpanao ady anaty akata fahiny amin'ny resaka politika, ny olan'ny zavamahadomelina atao an-tsokosoko sy ny rariny ho an'ireo niharan-doza”. Io teboka farany io no tena saropady indrindra ho an'ireo FARC.

Araka ny lazain'ny tranonkala Público,misy sehatra efatra ao anatin'ny rafi-pitsaràna : ny fanekena ny zavamisy marina, ny fandraisana andraikitra, ny zavanisy sy ny fitondrantena, ny famotsorankeloka na ny famelàna, ny “famaritana ny toerana manoloana ny resaka lalàna” ary ny fanadihadiana sy ny fanamelohana. Araka izany dia tsy ireo mpikambana tao anatin'ny mpiady ananty akata ihany fa koa ireo rehetra nanohana sy namatsy vola ireo vondrona mitam-piadiana ivelan'ny tafika mbola amperinasa ao amin'ny firenena ary mbola loza goavana mitatao ho an'ire mpiady anaty akata, no tsy maintsy mandray ny valin'asany.

Mbola miandry ny ho faritana ihany koa ny anjara ho an'ireo vondrona hafa mpihoko, toy ny Tafi-Panafahana Nasionaly (Ejército de Liberación Nacional -ELN) sy ny Tafi-Panafahan'ny Vahoaka (Ejército de Liberación Popular – EPL) izay tsy tafiditra tao anatin'ny fifampiraharahàna.

Na izany aza, efa miroso sahady mankany amin'ny aorian'ny ady ny governemanta sy ireo andrimpanjakana hafa, noho ny amin'ireo vovonana sy fikambanana mitolona hisian'ny fandriampahalemana, no sady manao fampielezankevitra fanentanana any amin'ireo akany fibeazana, any amin'ireo fihaonana sy toerana natao ho an'ny daholobe.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.