- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ravàna na Tsia, Mila Asa be Ny Lapa Manatantara ‘Mille Fleurs’ ao Trinite & Tobago

Sokajy: Karaiba, Trinite sy Tobago, Fampandrosoana, Mediam-bahoaka, Tantara
Mille Fleurs @ Port of Spain, Trinidad. Photo by Li Tsin Soon, used under a CC BY-NC-ND 2.0 license. [1]

Mille Fleurs @ Antseranan'i Espaina, Trinite. Sary avy amin'i Li Tsin Soon, lisansa CC BY-NC-ND 2.0.

Taorian'ny tsy firaharahiana nandritra ny taona maro, mety hirodana tsikelikely i Mille Fleurs [2] (voninkazo arivo), antsoina koa hoe Prada House. Ity tranobe fonenana tsara tarehy (mansion) ao Trinite ity no fahatelo amin'ireo fonenana norafetina tamin'ny endrika maritrano niangaliana fatratra ary naorina nandritra ny vanim-potoanan'ny fanjanahantany. Fantatra ho anisan'ireo Fito Mirentirenty, manamorona ny morontsiraka andrefana ao amin'ny Queen's Park Savannah ao an-drenivohitra, Antseranan'i Espaina, ireo trano fonenana lehibe ireo , ary manintona ny mponina ao an-toerana sy ny mpitsidika.

Efa mampahonena na izany aza ny endrik'i Mille Fleurs – noho ny gorodona lò sy tafo fanitso vonjimaika – ka mety ho tsy voaavotra intsony. Tranobe manatantara hafa mila fanavaozana faran'izay haingana ao amin'ny firenena ny Tranon'ny Filoha [3], ny Trano Mena [3](toeran'ny Parlemanta taloha), ny Whitehall [4] (nampiasaina ho Biraon'ny ny Praiminisitra fahiny) ary ny Manda-Lapan'i Stollmeyer [5], izay samy handanian'ny governemanta volabe an-jatony tapitrisa dolara, araka ny tatitra vao haingana [6].

Hatramin'ny 2013, nampanantena hanamboatra an'i Mille Fleurs ny fitantanam-panjakan'ny antoko Fiarahamiasam-Bahoaka [7] nitondra teo aloha rehefa nohadihadin'ny olompirenena ny fahasimban'ity trano fonenana amin'ny endrika voalohan'ny Renaissance Frantsay ity. Tamin'izany fotoana izany, nankatoavin'ny Kabinetra ny “fanarenana vonjy taitra” ny trano mitentina 700.000 dolara TT (tokotokony ho 110.000 dolara amerikana), araka ny filazan'ny Minisitry ny Fahamaroam-pirenena sy ny Fampidirana Ara-tsosialy teo aloha [8], Clifton De Coteau. Nisy mihitsy aza ny daty napetraka fa hahavitan'ny asa, tamin'ny Martsa 2015, kanefa, toa miha-simba hatrany i Mille Fleurs.

Raha nahafantatra ilay mpanao gazety Judy Raymond fa mety ho arodana [9]ilay trano, dia hoy ny siokany:

Mahaontsa. Tsy azo leferina. Nahoana no niandry ela ny governemanta maro nifanesy?

Araka ny tatitra an-gazety [6], “nilaza ireo mpitantana ny tetikasan'ilay tranobe fa mila amboarina tanteraka ilay izy.” Saingy nilaza tamin'ny lahatsoratra vaovao tao amin'ny pejy Facebook-ny kosa ny Olom-pirenena Mpitandro an'i Trinite sy Tobago [12], fikambanana manao fandresen-dahatra ho fiarovana sy fitandroana [13]ireo endrika maro amin'ny vakoka maritranon'i Trinite sy Tobago fa:

I wish to correct a statement made recently that Mille Fleurs may have to be demolished. The statement is extremely misguiding as Mille Fleurs’ demolition has never been discussed, neither is it considered warranted. The main structure is generally sound, but there may be parts of it that will need to be re-built.

Te-hanitsy fanambarana iray natao vao haingana amin'ny mety tsy maintsy handrodanana an'i Mille Fleurs aho. Tena mamitaka loatra ny fanambarana satria ny fandrodanana an'i Mille Fleurs dia tsy mbola niadian-kevitra mihitsy, na noheverina fa azo atao. Mbola tsara ny firafitra ankapobeny, saingy mety misy ny ampahany mila hatsangana mihitsy.

Ilay mpanao trano malaza George Brown no nanorina an'i Mille Fleurs [14]tamin'ny taona 1904. Niova tompo indroa na intelo izy hatramin'izay, mandrapahatongan'ny fotoana nividianan'ny governemanta azy tamin'ny vidiny manodidina ny iray miliara dolara TT (154.000 dolara Amerikana eo ho eo amin'ny tahan'ny fifanakalozana ankehitriny) tamin'ny taona 1979. Tsy nipetrahana na nohavaozina ny trano nandritra izay 20 taona mahery izay ary tsy mbola nisy ny fanapahan-kevitra noraisina momba azy ity raha harodana izy na tsia.

Na dia nandalo fitotonganana ara-toekarena [15] aza ny firenena tamin'ny herintaona, dia nilaza [6] i Camille Robinson-Regis, Minisitry ny Fandrafetana  fa “efa niomana handany vola hanamboarana ireo fanorenana manan-tantara ny governemanta” ary nitsikera ny fitantanana teo aloha ho manao tsinontsinona ny andraikitr'izy ireo mikasika izany. Na izany aza, nahita izany ho tsy fandre ny mpiserasera Facebook raha milaza fa manam-bola hamatsiana ity tetikasa ity ny governemanta. Chris Arshad Hosein naneho hevitra ary nanontany hoe [16]:

I thought they say the treasury empty and that's why they can't utilize the Children's Hospitals or give laptops or scholarships? How they finding money to do all this? It's either they're lying about the treasury being empty or their priorities are way WAY off.

Nihevitra aho fa nilaza izy ireo fa foana ny tahirim-bola ary izany no mahatonga azy ireo tsy afaka mampiasa ny Hopitalin'ny Ankizy na manome solosaina finday na vatsim-pianarana? Koa ahoana no ahitan'izy ireo vola hanaovana izany rehetra izany? Na ry zareo mandainga amin'ny fahafonganan'ny vola na lavitra be ny laharam-pahamenan'izy ireo

Manohitra i [17]Colin Providence:

what a sad state of affairs. Here it is we have a brand new hospital that we cannot occupy and our historic buildings are left to dilapidate. So focused was the last gove[r]nment on buying our favour that they neglected our legacy.

Mampalahelo ity raharaha ity. Manana hopitaly vaovao tsy azo ampiasaina isika ary navela ho simba ny tranobentsika manatantara. Ka ny ifantohan'ny saina dia ny governemanta farany nanararaotra ny fitiavantsika ary nanao tsinontsinona ny lovantsika.