- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mitohy Ny Tolona Amotsorana Ireo Mpianatra Ambony Amerikana Tafovoany Migadra Ao Etazonia

Sokajy: Amerika Avaratra, Etazonia, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifindràmonina, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona
Families plead for release of their loved ones. Photo from the Alerta Migratoria NC Facebook page. [1]

Fianakaviana miangavy ny hamotsorana ny olon-tiany. Tompon-tsary: Alerta Migratoria NC. Nahazoana alalana.

Na dia teo aza ny fiangavian'ny mpampianatra, ray aman-dreny, mpikatroka, eny fa na dia ny Ben'ny Tanàna lehibe indrindra ao North Carolina aza, dia tsy mbola nihemotra tamin'ny fisamborana ireo mpianatry ny sekoly ambony eny an-dalana hianatra ihany ny Departemantan'ny Fiarovana ny Tanindrazana US (DHS) sy ny sampana misahana ny lalàna ao aminy: ny Immigration and Customs Enforcement (ICE), na ny Mpampihatra ny Fifindramonina sy ny Fadintseranana.

Ireo mpianatra sekoly ambony ireo dia anisan'ny mpianatra Amerikana Tafovoany nirohotra [2] nangataka fialokalofana teo amin'ny sisintany Meksikana sy Etazoniana tamin'ny 2014, ary mihamiatrika hatrany ny fisamborana ataon'ny manampahefana federaly US. Noho ny firoborobon'ny herisetra sy ny heloka bevava mandravarava an'i El Salvador, Honduras ary Guatemala, dia maro ny tanora no mandositra ny tanindrazany, ary tafiditra amin'izany ireo tsy ampy taona maro dia maro tsy miaraka amin'ny ray aman-dreny na mpiantoka, ka mitady fialokalofana ao Etazonia. Tanora fito niezaka ny hamonjy ny fianakaviany ao North Carolina no very fanantenana rehefa nolavina ny fangatahany hialokaloka.

Niteny i Jennifer Roberts, ben'ny tanànan'i Charlotte (NC), fa niantso ny Trano Fotsy izy ary nihaona tamin'ny manampahefanan'ny DHS sy ny ICE [3] tamin'ny 17 Febroary hiangavy azy ireo tsy hihazakazaka ho amin'ny fisamborana mpianatra eny am-piandrasana bus, na farafaharatsiny hampihemotra izany fisamborana izany mandra-pifaranan'ny taom-pianarana.

Nitsipaka ho tsy manohintohina mpianatra ny DHS ary namerina niteny ny toerana misy azy ireo manoloana ireo tsy ampy antontan-taratasy. Notsiahivin-dry zareo tamin'izany ny tadidy an-tsoratra nivoaka tamin'ny 4 janoary [4]mikendry ireo fianakaviana Amerikana Tafovoany sy ireo tsy ampy taona tsy misy mpiantoka hampodiana azy ireo any an-tanindrazany.

Afaka herinandro sy taorian'ny fisamborana mpianatra iray hafa, dia namoaka fampitandremana farany ny fikambanana Alerta Migratoria NC (Immigration Alert NC) [5], mitaky ny famotsorana avy hatrany ireo tanora fito ao North Carolina hiala ao amin'ny foibem-pitazonana sy fibedesan'ny DHS noho ny tsy fanarahan-dry zareo ny toromarika “tsy handany ny volam-pitazonan'olona” amin'ny mpifindramonina tsy mampatahotra na mampididoza amin'ny ankapobeny. Nampanantena ny Alerta fa  hanangana fihetsiketseham-panoherana raha tsy afahana alohan'ny zoma 26 febroary ireo tanora fito ireo.

Free the #NC7

Fanambarana navoakan'ny Alerta Migratoria NC mitaky ny hamotsorana ny #NC7.

Tsy nisy tamin'ireo mpianatra fito ireo voarakitra tao amin'ny polisy ho nanao heloka, ary izy rehetra ireo dia teo am-piatrehana sekoly sy nonina niaraka tamin'ny fianakaviany, ary izy rehetra ireo dia nilaza avokoa fa mety idiran-doza na mety ho lasibatra raha mody any an-tanindrazana.

Tamin'ny teny espaniola no nitenenan'ny Ben'ny tanàna Roberts tao amin'ny fampahalalam-baovao ao an-toerana  Qué Pasa hoe:

Los jóvenes que están haciendo las cosas buenas, que están en la escuela, que están viviendo en la casa con sus padres, no es de prioridad en mi opinión.

Araka ny hevitro tsy laharam-pahamehana [amin'ny fisamborana] ny ankizy manao zavatra tsara, mianatra any an-tsekoly, ary monina an-trano miaraka amin'ny fianakaviany.

Nanatrika ny fivoriana ihany koa i Rosalba Talolini avy ao amin'ny fikambanana Comité de inmigración de Charlotte [6] (Komitim-Pifindramonina ao Charlotte) ary nilaza izao tsikera manaraka izao:

De la reunión me quedó claro que los agentes de ICE están esperando que los muchachos de Centroamérica, que llegaron en 2014 como teenagers (adolescentes) cumplan 18 años para detenerlos, y sacar la desculpa que ya son adultos.

Nazava tamiko tamin'ny nanatrika ny fivoriana fa miandry ny faha-18 ny taonan'ireo ankizy avy any Amerika Afovoany tonga tamin'ny 2014 ny mpiasan'ny ICE, ahafahany miala tsiny fa efa ampy taona izao ry zareo.

Nahazo alalana ao amin'ny Foibem-Pitazonana Stewart ao Lumpkin, Georgia, ahitana ny roa amin'ireo tanora fito nosamborina ny fahitalavitra miteny espaniola Univisión . Samy tsy nahatana ny ranomasony na i Yefry (tononina hoe Jeffrey) na i Pedro, izay samy mahiahia no sady manao lavavolo mifatotra aoriana, rehefa tafahoana tamin'ny mpanangom-baovao ry zareo. Notantarain'i Pedro ny nahaverezany lanja hatramin'ny 10 kilao sy ny fanaintainany tamin'ny hazon-damosina. Raha nanontaniana izy hoe notsaboina ve izy, ny navalin'i Pedro dia hoe nojeren'[ny dokotera] izy fa tsy nomena fanafody.

Naverimberin'i Yefry ny fomba nandrahonan'ny andian-jiolahin'ny tanindrazany azy sy ny fianakaviany miaraka amin'ny fampijaliana ara-batana raha vao tsy manaraka izay lazainy ianao.

Dijeron que si no aceptaba, iban a lastimar a mi familia, e iban a lastimar a mí.

Nilaza ry zareo fa rehefa tsy manaiky aho dia hamely ny fianakaviako sy hamely ahy ry zareo.

Lasa tanàna ahitana ny tahan'ny famonoan'olona ambony indrindra eto ambonin'ny tany [7] i San Salvador, renivohitr'i El Salvador, ao Amerika afovoany. Ary efa nanaovana fihetsiketseham-panoherana noho ny fihoaram-pahefana nataony tamin'ireo olona fonjainy ny Foibem-Pitazonana Stewart, izay ny Vondrom-Panarenan'i Amerika, fikambanana mitady tombontsoa no tompony.

Manameloka ny famelezan'ny ICE ny manampahefana sy ny mpitarika ao Georgia