Lahatsary Vaovao Anantenana Ny Hamoram-Panahin'ny Thailandey Hanampy Ny Mpitsoa-ponenana Myanmar

A Thai soldier stands guard at a camp for Karen refugees on the Thai/Myanmar border. Image and caption from the Flickr page of Rusty Stewart (CC License)

Miaramila Thailandey miambina ny tobin'ny mpitsoa-ponenana Karen ao amin'ny sisintany Thai-Myanmar. Sary: Rusty Stewart / Flickr. CC 2.0.

Namokatra lahatsary mandrisika ny Thailandey mba hanampy ny mpitsoa-ponenana Myanmar mivelona manamorona ny sisintanin'i Thailandy sy Myanmar ny Firenena Mikambana misahana ny Mpitsoa-ponenana (UNHCR) .

Mitondra ny lohateny hoe “Ny Fiainan'i Pa Thu,” manasongadina ny toe-javatra iainan’ ny ankizy mpitsoa-ponenana ny lahatsary ary anisan'ny fanentanana “Namjai ho an'ny Mpitsoa-ponenana”, izay mikendry hanome fanampiana ny mpitsoa-ponenana Myanmar 106.000 ao amin'ny toby sivy ao anatin'i Thailandy. Ny teny hoe “namjai” dia midika hoe “fahamoram-panahy” amin'ny teny Thailandey. Kinendrin'ny hetsika ny hanitatra ny kolontsaina tia manome ho an'ny mpitsoa-ponenana monina ao amin'ny faritra avaratry ny firenena.

Mampiseho vehivavy mpilalao sarimihetsika Thailandey milaza tantaran'ankizy mpitsoa-ponenana iray amin'ny mpijery mbola tanora mpianatra ny lahatsary. Ao amin'ny lahatsary dia ankizy nonina tany ambanivohitra miaraka amin'ny ray aman-dreniny i Pa Thu, indray andro anefa, nalain'ireo “bandy maditra” an-keriny ny rainy, ary nahatery azy sy ny reniny handositra any anaty ala. Tonga tany amin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana izy ireo nony farany. Mampiseho an'i Pa Thu te-hiverina any an-trano sy hahita indray ny rainy ihany koa ny lahatsary. Miafara amin'ny fandrisihana ny Thailandey mba hanampy ny mpitsoa-ponenana amin'ny alalan'ny fanohanana ny asan'ny UNHCR ny lahatsary:

Tao anatin'ny 60 taona, feno mpitsoa-ponenana ny faritra noho ny ady teo amin'ireo vondrom-poko isan-karazany sy ny fitondram-panjakan'i Myanmar. Ny ankamaroan'ny mpitsoa-ponenana ao Thailandy dia foko Karen sy Karenni nafindra toerana niala ny tanindrazan'izy ireo raha nihanaka tao amin'ny faritanin'izy ireo ny ady, efa 30 taona mahery lasa izay.

Mitaky fanomezana mba hanampiana ny mpitady fialokalofana ao Thailandy ny UNHCR :

They had no choice but to seek asylum and safety in Thailand. Most are children, women and the elderly. All are struggling to rebuild their lives while coping with the trauma of the past and the hardship of the present.

We can’t change their past experience but, together with your Namjai, we can help them to create a better future.

Tsy nanan-tsafidy afa-tsy ny mitady fialokalofana sy fiarovana ao Thailandy izy ireo. Ankizy, vehivavy sy zokiolona ny ankamaroan'izy ireo. Miady mafy ny rehetra mba hanorina fiainana vaovao sy miatrika ny ratram-pon'ny lasa sy ny fahasarotana ankehitriny.
Tsy afaka manova ny zava-niainan'izy ireo taloha isika, saingy miaraka amin'ny Namjai-nao, dia afaka manampy azy ireo mba hanorina hoavy tsara kokoa isika

Nizara manokana tantara mampatahotra momba an ‘i Nor Mu, ankizy mpitsoa-ponenana iray ny Firenena Mikambana:

My village was full of armed people. If they found anyone, they would slit their throat or shoot with gun. We also were forced to be their laborers. Women were not an exception. My family was shot dead. I was left with my grandmother.

Feno olona mitam-piadiana ny tanànako. Raha mahita olona izy ireo, dia tapahin'izy ireo ny tendany na tifirin'izy ireo amin'ny basy. Noterena ho lasa mpiasan'izy ireo ihany koa izahay. Iharan’ izany koa ny vehivavy . Maty voatifitra ny fianakaviako. Velona niaraka tamin'ny renibeko aho.

Manantena ny maro ao amin'ny faritra fa azo velomina indray eo amin'ireo vondrona ara-poko isan-karazany sy ny antokon'ny fitondrana vaovao ao Myanmar, tarihin'ilay nahazo ny Loka Nobel Aung San Suu Kyi ny fifampiraharahana momba ny fandriampahalemana. Raha tonga amin'ny marimaritra iraisana ny roa tonta, dia mety hamarana ny iray amin'ireo ady an-trano maharitra indrindra manerantany amin'izao fotoana izao izany.

Ankoatra ny toby sivy manamorona ny sisintany Thailandy-Myanmar, dia misy ihany koa ireo olona nafindra toerana ao amin'ny sisintany Shina-Myanmar, [mg] mbola enjehina ao Myanmar Andrefana ny vondrona ara-poko  Rohingya, ary misy Myanmar mpitsoa-ponenana koa any Malayzia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.