Fombandrazana Tsy Maty Ao Singapore Ve Ny Filalaovana Baolina Any Amin'ny ‘Void-Deck’? Tsia.

A typical void deck in a Singapore residential apartment building. Photo from the Flickr page of jeremyfoo. (CC License)

“void deck” fahita mahazatra any amin'ireo trano fonenana avobe ao Singapore. Sary : jeremyfoo / Flickr. CC 2.0.

Ao Singapore, antsoina hoe “void deck” ny toerana malalaka any amin'ny farany ambany amin'ny  trano avobe natao ho toeram-ponenana. Toerana ifampizaràn'ny rehetra izy io ary matetika no anaovan'ny olona lanonana fampakarambady, fandevenana, lalao, na famoriam-bahoaka hafa. Tamin'ny Febroary lasa teo, nametrahan’ireo manampahefana fefy vy ny trano avo marobe, ho valin'ny fitarainan'ireo mponina sasany momba ny lalao baolina be tabataba atao any amin'ireny “void decks” ireny. Maro anefa ireo mpisera amin'ny aterineto no namaly, tamin'ny filazàna ireo zavatra vao napetraka ireo (ny sasany azo afindra ary ny hafa miraikitra tanteraka) ho tsy misy ilàna azy ary fandaniana fahatàny ny volan'ny mpandoa hetra.

Toa avy aminà lahatsoratra iray niely be tao amin'ny Facebook no nanombohan'ilay valifaty momba ny fefy vy. Nesorina io lahatsoratra io taty aoriana, saingy mbola mitondra ampahany avy amin'ilay lahatsoratra ny tranonkala Mothership.sg :

Ho an'izay rehetra nieritreritra azy ity: henatra ho anareo. Vahaolana ratsy io ho anà zavatra iray izay tsy olana akory, no sady fandanindaniana foana ny volan'ny mpandoa hetra. Ampiasainareo indrindra ny volanay mba hanakanana anay tsy hampiasa ireo toerana malalaka azonay ampiasaina, sy efa nampiasainay. Ambonin'ireo kamerà CCTV miely patrana napetraka manerana ireo ‘void decks’ ity.

Fefy vy any anatin'ireo ‘void decks’ mba hanakanana ny filalaovana baolina

Asehon'ity saripika ity ny fomba ahafahanao mamono amin'ny fomba mahomby ny ‘void deck’ iray

Ireo mpisera amin'ny aterineto ao Singapore tezitra tamin'ny fisian'ireo fefy vy dia nilaza fa fitaovana iray manandanja amin'ny fikolokoloana fifamatorana sosialy akaiky kokoa eny anivon'ny vahoaka ireo ‘void decks’. Lazain'ireo mpanakiana fa manohintohina izay hevitry ny fiarahamonina ireo sakana vy ireo.

Nosoratan'ilay bilaogera “Everything Also Complain” (Mitaraina daholo koa ny zavatra rehetra), fa “Namboarina ho fandravana ireo rindrina nanasaraka antsika rehetra ny ‘void decks’, nefa ankehitriny dia atsangantsika indray izy ireny.”

Niantso ny manampahefana ny sasany tamin'ireo mpisera ety anaty aterineto mba hanorina fotodrafitrasa misimisy kokoa hanaovan'ny tanora fanatanjahantena, fa tsy hanimba ny ‘void decks’ an'olona. Ny hafa nihanihany nanosoka hevitra hoe azo ampiasaina ho fametrahana bisikilety ireo fefy vy, hanahàzana lamba, ary hanaovana ‘parkour‘.

TMG ! FELAKA EO AFOVOANY : Fomba atao hahitàna fahafinaretana aminà ‘void decks’ misy fefy vy

Ny hafa mampahatsiahy ny governemanta hoe efa noheverina ho ampahany amin'ny lova ara-kolontsaina ao Singapore ny ‘void decks’. Raha ny marina, matetika no misy fikarakaràna seho ho fankalazàna ny lanjan'ireo ‘void decks’. Ohatra, indray andro i Jinghui, mpanoratra ao amin'ny  photojournalist-tgh.tv, dia nanangana fampidirana iray manontolo natokany ho an'ny fampirantiana hizaràna ny tantaran'ny kolontsaina ‘void deck’ ao Singapore.

…ny ‘void deck’, an'i Singapore manokana io, zavatra izay afaka ireharehantsika, ny maha-isika antsika, toerana iray, marika amantarana noforonintsika ho antsika ihany.  Tsy isalasalàna fa ny ‘void deck’ dia toerana iraisan'ny daholobe izay itambaran'ny toerana ara-tantara, ara-kolontsaina, fialàna sasatra, lova ary an'ny fiarahamonina, ho an'ireo Singaporeana rehetra avy amin'ny lafim-piainana rehetra.

Nanamarika i Kirsten Han,mpanoratra, fa tato anatin'ny taona vitsy, ny fironana dia nankany amin'ny fianakiviana ny fampiasàna ny ‘void decks’ sy ireo fotodrafitrasa hafa misy toerana malalaka tsy ho ampiasaina aminà fivorivoriana sosialy tsy ofisialy/tsy nahazoana alàlana. Io fivoaran-draharaha io dia ampifandraisiny amin'ny politika an-tanàndehibe misy any amin'ireo firenena hafa izay nametrahan'ireo manampahefana any an-toerana ny rafitra, hanoherana ireo tsy manan-kialofana  any anatin'ireo  toerana ho an'ny daholobe :

Izay indrindra, somary manelingelina ihany ny mahita baolina manidintsidina eny amin'ny manodidina eny indraindray. Somary mahasorena ihany koa ny mahita ireo diany mitankosona eny amin'ny rindrina. Ary tena traikefa tsy mahafinaritra mihitsy ny mahita olona tsy manana hialofana na sahirana ka matory eo ambony dabilio eo. Saingy misy fomba hafa azo iatrehana ny olana — ohatra, fandinihana ny antony mahatonga ny olona tsy hanana fialofana sy ho sahirana ka mikatsaka fialokalofana any anaty ‘void decks'—izay tsy misy idiran'ny fanaovana ny tontolo iainantsika ho lasa tsy mamokatra kokoa hatrany.

Mandritra izany fotoana izany, Carlton Tan avy amin'ny Asian Correspondent, manakiana ny “fanjakàna be saritaka” izay mikatsaka ny hifehy ny fitondrantenan'ny olompireneny:

Misy toerana bitika banga ao Singapore, na ara-batana io na ara-tsaina, satria ny tahotra mafy manjo ny fanjakàna amin'ny resaka fikorontanana sosialy (voamarina na tsia) dia mamorona ao anatiny ao antso tsy hay tohaina hitondra ny zavatra rehetra ho eo ambany fanarahamaso. Ao anaty sain'ny fanjakana be saritaka, tsy azo leferina ny fanjavozavoana, na dia midika ho tanjon'ny tenany manokana ihany aza.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.