
Eny amin'ny fitsarana ny ‘Heathrow13′ noho ny fibodoana ny lalambe fitodiana avaratr'i Heathrow tamin'ny jolay lasa teo. Saripika: Plane Stupid
Ity lahatsoratra ity dia niainga avy amin'ny sombin-dahatsoratr'i Melanie Mattauch ho an'ny 350.org, fikambanana iray manangana hetsika ara-toetrandro, ary navoaka eto amin'ny Global Voices indray noho ny fifanarahana fifampizarana votoaty.
Tamin'ny 24 Febroary lasa teo dia noheverina ho alefa am-ponja ny olona miisa 13 nanao barazy tamin'ny fanitarana ny lalambe fitodian'ny fiaramanidina amin'ny seranam-piaramanidina Iraisampirenena ao Heathrow, London, saingy sazy mihantona enina herinandro ihany no azon-dry zareo tamin'ny farany. Efa nanomana ny valiziny sy nametrapetraka ny hafatra imailaka ho ‘tsy ao amin'ny birao’ ry zareo ho fiomanana amin'ny mety ho mpikatroka voalohany momba ny toetrandro hahazo sazy higadra.
Raha ny momba ny lazaina ho raharaha Heathrow 13, dia toy izao ny zava-nitranga: Tamin'ny jolay tamin'ny herintaona dia nametraka ny hanitarana an'i Heathrow ny vaomiera iray najoron'ny governemanta britanika. Roa herinandro taty aoriana, nisy olona 13 avy amin'ny tambajotran'hetsika mivantana Plane Stupid nibahana tamim-pilaminana ny lalambe fisidinan'ny voromby iray tao Heathrow ho fanoherana ny fanitarana ny indostrian'ny fiaramanidina noho ny fandraisana anjaran'izy io amin'ny fandotoana ny rivotra sy ny fikorontanan'ny toetrandro. Naharitra enina ora ny fibodoan'izy ireo ary nanemorana na nanafoanana zotram-piaramanidina am-polony.
Anisan'ny nandray anjara tao anatin'ny vondrona i Danielle Paffard, dokotera atmôsferika 68 taona sady mpanentana ho amin'ny fialana amin'ny fampiasam-bola ao amin'ny 350.org Fanjakana Mitambatra. Teo amin'ny fitsarana ry zareo nandresy lahatra fa mahatsapa ho manana andraikitra ara-maoraly ry zareo hanao hetsika amin'ny maha-olompirenena rehefa tsy nahomby tamin'ny famahana ny olana apetraky ny indostrian'ny fiaramanidina amin'ny fikorontanan'ny toetrandro sy ny fahasalamam-bahoaka ny paika ara-demokratika, ny paika eny amin'ny antenimiera ary ny paika ara-politika.
Nanambara toy izao i Melanie Strickland, 32 taona, mpikambana ao amin'ny Heathrow 13, ary miasa ao amin'ny fikambanana mpanao asa-soa ara-pahasalamana ao London:
When the political system is so fundamentally flawed that it is unresponsive to an issue of colossal international importance, such as climate change, then every citizen has a responsibility to act. There is a basic human, moral and social duty to take action to prevent this disaster and to wake people up.
Rehefa lò ny rafitra ara-politika ka tsy manao na inona na inona manoloana ny resaka goavana manerantany, toy ny fikorontanan'ny toetrandro, dia manana andraikitra ny olompirenena tsirairay hihetsika. Misy ny andraikitra fototra amin'ny mahaolombelona, ara-maoraly ary ara-piarahamonina tsy maintsy atao isorohana ny ity voina ity sy hanairana ny olona.
Miteraka ny 2-5% fandotoan-drivotra ankapobeny manerantany ny fifamoivoizana an'habakabaka, fa mety hampitsambikina azy ho any amin'ny 22% alohan'ny taona 2050 ny fivelaran'ny indostrian'ny voromby haingana dia haingana, hoy ny vokatry ny fanadihadian'ny Parlemanta Eoropeana. Io no iray amin'ny mpiteraka fandotoan-drivotra haingana dia haingana indrindra, nefa dia mbola tsy terena hampihena ny fandotoan-drivotra aterany sady misitraka fampihenan-ketra koa fanampin'izany mba hahatonga ny saran-dalana ho ambany dia ambany tsy araka ny tokony ho izy.
Nisy fizaran-dahatsoratra momba ny famoahan'eton'ny fiaramanidina sy ny sambo mbola amin'ny endrika drafitra nivoaka tamin'ny avy amin'ny Zaikaben'ny Firenena Mikambana momba ny Toetrandro tao Paris tamin'ny Desambra 2015 noesorina tamin'ny lahatsoratra navoaka farany, ary malefaka loatra ny lalàna vaovao napetraky ny Fikambanana iraisampirenena misahana ny fiaramanidina sivily avy amin'ny Firenena Mikambana hampisy fiantraikany goavana na misy dikany manoloana ny fandotoan-drivotra. Ankilan'ny fikorontanan'ny toetrandro aterany, amin'ny taona 2030 dia mety hiteraka fahafatesan-jaza 150 isan-taona aloha loatra ny setroka avoakan'ny fametrahana lalam-pitodiana fahateo ao Heathrow, araka ny fanombanan'ny MIT.
Na dia manaiky aza ny mpitsara fa “olona manana fotokevitra sy manam-pikirizana” ny Heathrow 13 ary nanitsakitsaka ny fepetran'ny famoahan-tsetroka napetraky ny Vondrona Eoropeana ny Heathrow, dia hitany ho “mihoam-pefy tafahoatra” ry zareo ary nampitandrina fa mety higadra avy hatrany ry zareo raha vao miverina any amin'ny fitsarana.
Ny fihoaram-pefy tafahoatra dia heloka bevava nampidirina tamin'ny fotoana nitondran'ny governemantan'i Margaret Thatcher (1979-1990) ary nokendrena hampihenana ny fhetsiketseham-panoherana. Tamin'ny 2013, ny manampahaizana manokana iray tao amin'ny Firenena Mikambana dia nandrisika ny ijeren'ny Fanjakana Britanika indray ny lalàna momba ny filaminam-bahoaka, indrindra fa “mampanahy dia mampanahy tokoa ny fampiasana ny fihoaram-pefy tafahoatra amelezana ny olona manao fihetsiketsehana ara-drariny”. manampahaizana iray momba ny lalàna ady heloka bevava namariparitra ny mety amoahana didy famonjana ho “hahatalanjona dia hahatalanjona tokoa”. Tsy mbola niatrika fitsarana ny 10 amin'ny vondron'ny Heathrow 13 hatramin'izay.

Ny ‘Heathrow 13′ ivelan'ny Lapan'ny Fitsarana ao Willesden. Saripika: Plane Stupid
Mandritra izany fotoana izany ao Frantsa…
Misy hetsika manohitra ny sidina an'habakabaka hafa ihany koa mihamahazo vahana ao Eoropa. Ao Frantsa, mihahenjana ny fifanandrinana maharitra 40 taona eo andalam-pifanarahana ao Paris amin'ny drafitra hananganana ny seranam-piaramanidina eoropeana goavana indrindra ao Notre-Dame-des-Landes (NDDL), tokony ho 25 kilometatra miala an'i Nantes. Misy fanangona-tsonia iray manindry fa tsy mifanaraka amin'ny CPO21 momba ny toetrandro notanterahina tao Paris ity seranam-piaramanidina ity ka nandrisika ny governemanta frantsay hiditra an-tsehatra nahangona sonia mihoatra ny 11000 tao anatin'ny 24 ora monja.
Lasa tolona malaza indrindra eo amin'ny tolona frantsay ara-toetrandro sy ara-drariny ara-piarahamonina ity fifanenjanana amin'ny fanorenana ny seranam-piaramanidin'ny Notre-Dame-des-Landes ity. Maro no mahita ity tetikasan-tseranam-piaramanidina ity ho endriky ny fampivoarana tsy dia ilaina loatra fa natao ho amin'ny tombontsoan'olombitsy nefa manimba ny fiarahamonina ifotony, ny fiainan'ny tantsaha, ny tontolo iainana ary ny toetrandro.
Anjatony ny olona nibodo ny toerana tao anatin'ny taona maro. Vao haingana teo nisy fianakavian'ny tantsaha 11 nanambara fa hijoro ry zareo hanohitra ny didy fandroahana amin'ny tany ary mivonona ny higadra. Roa alina ny isan'ny olona nanao barazy tamin'ny lalana fihodinana an'i Nantes tamin'ny janoary ho fanoherana ity tetikasa ity. Misy hetsika hafa nomanina tamin'ny 27 Febroary.
Tantaran'ny Eoropa Andrefana farany
-
30 Desambra 2020Angletera
Noely COVID : Tena tsy nisy toa azy tokoa va re?
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...