Netizen Report: Nosamborina Tao Brezila Noho Ny Tsy Nanomezany Hoan'ny Polisy Ny Lahatahiry WhatsApp Ny Filoha Lefitry Ny Facebook

Avy amin'ilay mpisera Flickr Jan Persiel. Navoaka tamin'ny 22 Septembra 2013. CC BY-SA 2.0

Manome topi-maso iraisampirenena momba ireo fanamby, fandresena, vaovao malaza momba ny zo an'aterineto ny Netizen Report an'ny Global Voices

Nosamborin'ny polisy Breziliana ny filoha lefitry ny Facebook ao Amerika Latina, Diego Dzodan noho izy tsy nety nanome ny lahatahirin'ny WhatsApp ho fampiharana lalàna fanadihadiana heloka bevavan'ny trafikan-java-mahadomelina. Izao hetsika izao dia fiitaran'ny ady mitohy eo amin'ny orinasa sy ny manampahefana Breziliana. Naaton'ny mpitsara iray tany Brezila nandritra ny 48 ora ny WhatsApp tamin'ny volana Desambra noho ny fandavàna mitovy amin'izany tsy nety nanome ny lahatahirin'ny mpiserasera iray tamina raharahan-keloka bevava iray. Tamin'ny 2 Martsa, nasaina navotsotra i Dzodan taorian'ny fanambaran'ny mpitsara ambony iray izay nilaza ny fepetra fampidirana am-ponja natao “maimaika ho tafahoatra.

Mandritra izany fotoana izany, nanolo-kevitra hifehy ny tambajotra sosialy ny Filoha Boliviana Evo Morales, satria mihevitra izy fa “mety hanozongozona ny governemanta ny vaovao diso miely ao.” Nisy fiantraikany tamin'ny fanapaha-kevitry ny mpifidy tamin'ny fitsapan-kevi-bahoaka fanitsiana ny lalàm-panorenana vao haingana amin'ny fahafahany mirotsaka hofidiana indray ny fampanginana ny adihevitra tamin'ny media sosialy, nilaza i Morales fa “manimba ny soatoavin’ ny taranaka vaovao” ny tambajotra sosialy.

Nanome baiko ho an'ny Sina sy ny Tencent ny Fitantanan-draharahan'ny Tontolon'ny aterineto ao Shina mba hanakatona ny kaontin’ilay mpandraharaha matanjaka amin'ny sehatry ny fivarotana tany aman-trano Ren Zhiqiang, miampanga azy ho “mandefa hafatra tsy ara-dalàna mankany amin'ny fiantraikany ratsy.” Maro no mihevitra fa voasazy i Ren noho ny fanehoan-kevitra nataony mihaika ankolaka ny fijerin'ny Filoha Shinoa Xi Jinping amin'ny tokony hanompoan'ny fampahalalam-baovao miankina amin'ny fanjakana.ny Antoko Komonista. Taorian'ny zava-mitranga, kaonty media sosialy maherin'ny 580 no nakaton'ny CAC noho ny “famitaham-bahoaka” na “fandikàna fitsipika”, anisan'izany ny an'ireo bilaogera malaza marobe.

Facebook: Tsy ho leferina ny lahatenim-pankahalana atao amin'ny mpifindra-monina

Nilaza tamin'ny vondrona mpianatra tao amin'ny lapan'ny tanànan'i Berlin ny Tale Jeneralin'ny Facebook, Mark Zuckerberg fa mila manatsara ny fepetrany ny orinasa hanenjehana araka ny lalàna ny fanehoan-kevitra mankahala mpifindra monina. Nahazo tsikera avy amin'ny Minisiteran'ny Fitsarana Alemà ny orinasa noho ny tsy nahombiazan'ny politikany manoloana ny lahatsoratra manavakavaka sy mankahala mpifindra-monina tahaka ny ataony amin'ny fanehoana an-tsary vetaveta. Nilaza i Zuckerberg fa “tsy toerana ho an'izany karazana votoaty izany ao amin'ny Facebook”, ary nitondra fanovana amin'ny fomba fijeriny momba ny lahatenim-pankahalàna ny lalàna sy ny kolontsaina Alemà.

Fandravahana ratsy endrika sa fanarahamaso amin'ny alalan'ny fandravahana?

Nahita ireo mpikaroka tao amin'ny Citizen Lab fa fampiharana an'arivony mampiasa kaody novokarin'ny Baidu orinasan'ny aterineto Shinoa no manangona sy mamindra ny tahiry manokan'ny mpiserasera any amin'ny  orinasa, ary amin'ny fomba tsy voaaro ny maro amin'izany. Nantsoin'ny talen'ny Citizen Lab Ron Deibert ho “fandravahana ratsy endrika na fanarahamaso amin'ny alalan'ny haibika izany.”

Nameno ny pejy Facebook-n'ny mpitarika ao Hong Kong ny Emoji tezitra

Nizatra avy hatrany ny sarim-pihetseham-po vaovaon'ny Facebook” ny Hongkongkey, mampiasa ny emoji “tezitra” mba hamenoana ny pejy Facebook-n'ny Lehiben'ny Mpanatanteraka, Leung Chun-ying, izy ireo. Tao anatin'ny ora vitsivitsy namoahana ny lahatsoratra, feno emoji tezitra maherin'ny 54 000 ny pejin'i C.Y. Leung. Manaporofo ny fetran'ny tsy nahazo mametraka afa-tsy ny “ekeko” ao amin'ny pejy ny zava-misy. Hatramin'izay, ny “ekeko” sy ny fanehoan-kevitra tsara ihany no nasehon'ny pejin'i CY Leung, saingy noho ny fisian'ny sarim-piontanana (emoticône) vaovao izay tsy azon'ny tompon'ny pejy fehezina, dia niseho ny endrika ratsy amin'ny lazany, araka ny filazan'ny Hong Kong Free Press.

Nanampy tamin'ny fanoratana ity lahatsoratra ity i Marianne Diaz, Weiping Li, Hae-in Lim, ary i Sarah Myers West.

Misorata anarana amin'ny Netizen Report amin'ny alalan'ny imailaka

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.