- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Jereo Ny Akanjo Nanaovan'ireo Solontena Tibetana Tamin'ireo Fivorian'ny Kongresy Roa Tany Shina Tamin'ity Taona Ity

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara
“Leader pins” belonging to Tibetan delegates at the Two Congresses. Image shared widely on social media.

“Pins an'ireo filoha” nanaovan'ireo solontena Tibetana tamin'ireo Kongresy roa. Sary nozarazaraina be tamin'ny media sosialy.

Nanomboka ny Asabotsy 5 Martsa ny herinandron'ny fandraisana fanapahankevitra mikasika ny politika nasiônaly nataon'ireo sampana lehibe ao amin'ny mpanao lalàna sy filankevitra ao Shina, ny Kongresy Nasiônalim-bahoaka ary ny Fivoriana Filankevitra Ara-politikan'ireo Vahoaka Shinoa. Eo ambanin'ny rafitra ara-politikan'ny firenena, ny Antoko Kaominista ihany no misolo tena ny vahoaka Shinoa, ary eken'ny parlemanta ny ankamaroan'ireo fanapahankevitra raisin'ny Kaomity Maharitry Birao Politikan'ny antoko.

Amin'ny tsy fananana loatra fahafahana ny handray anjara mivantana ara-politika, manao fanatanjahantena amin'ny fitetehana ary matetika manadrohadro ireo fanambaràn'ireo mpanao lalàna ao amin'ilay kaoferansa nasiônaly ireo Shinoa mpampiasa Aterineto. Amin'ity taona ity, niompana tamin'ilay “pins” (bokotra mipaingotra) misy ny sarin'ny Filoha Shinoa Xi Jinping izay hita eny amin'ny tratran'ireo solontena Tibetana ny saina sy mason'ny rehetra. Maro ireo mpampiasa Aterineto milaza fa mampahatsiahy azy ireo ny kolontsainan'ny fanompoana ny filoha izay nahazo an'i Shina nandritra ny Revolisiôna Koltoraly ilay pins, ny 1966 ka hatramin'ny 1976, fony Mao Zedong niezaka ny hanambatra ny fahefàny sy nanao anjorom-bala ireo “mpamerina mijery ny politika” tao anatin'ny antoko.

Qin Feng, mpanao gazetin'ny Hong Kong Star TV, nahatsikaritra ireo solontena Tibetana nanao pins roa eo an-tratran'izy ireo rehefa niditra tao amin'ny Efitra fanaovana ny Kongresy izy ireo. Ny iray amin'ireo pins misy ny sarin'i Mao Zedong, Deng Xiaoping, Jiang Zeming, Hu Jintao, ary Xi Jinping. Ireo hafa mampiseho ny sarin'i Xi Jinping fotsiny. Ny solontena Tibetana ihany no hany nanao ireo zavatra ireo.

Navoakan'i Qin Feng tao amin'ny kaontiny afaka jeren'ny rehetra tamin'ny WeChat ireo sary ireo, ary niparitaka haingana tany amin'ireo sehatra media sosialy hafa, lasa fihetsehampo niely be tamin'ny Aterineto tao anatin'ny ora vitsy monja.

Nobahanana ela ny kaonty WeChat an'ilay mpanao gazety ary lasa tsy azo karohana tao amin'ny  Sina Weibo ny teny hoe “pin an'i Xi”.

Nanana fahazarana ny mananihany arahana eso ny vaovao ireo mpampiasa Aterineto mahavita naneho hevitra amin'ireny sary ireny fony mbola afaka notsidihana be izy ireny. Nahavita nitahiry sy namerina [1] ireo valiny maro ny China Digital Times, tao anatin'izany ireo:

@北外乔木:西藏团给所有代表委员和随行人员配发胸章,这个做法应该全国推广。中华民族的这个优良传统已经失传30多年,不能让朝鲜一枝独秀。

@”Bei-Wai-Qiao-Mu”: Nasaina nanao ireo pins ireo solontena Tibetana sy ireo mpikambana miaraka aminy. Tokony aparitaka manerana ny firenena ny fanao toy izany. Nanjavona tato anatin'ireo telopolo taona lasa izany fomba nentim-paharazan'ny firenena Shinoa izany ary tsy tokony avelantsika higoka ny fifantohan'ny sain'ny rehetra i Korea Avaratra.

@巴楚渔樵: 像章应该别到肉里,才能表达忠诚。五人像章分散忠诚,不符合核心概念,文革中绝不允许五人这样的事情发生。

@”Ba-chu yu-qiao”: Tokony atsatony ao amin'ny nofony mihitsy ireo pins ireo mba hanehoan'izy ireo ny tsy fivadihany. Miparitaka loatra ilay zalahy manana bokotra dimy ary manohitra ny fotokevitry ny fihazonana ny tena fotony. Nandritra ny Revôlisiôna Koltoraly, tsy azo nozarazaraina ny karazana pins sahala amin'ireny.

@相尋夢里花:嗯,天安门上也该挂起。

@”Searching for flower in dream / Eo am-pitadiavana voninkazo ao anaty nofy”: Eny, tokony ahantona ao amin'ny Kianja Tiananmen ireo sary miavaka ireo.

@火石 :翻身农奴到北京开两会,胸前两个像章,毛泽东,邓小平,江泽民,胡锦涛在一个像章里,习近平独占了一个像章,岂不是说习近平比前任的几任领导人都伟大?

@”Fire rock”: manao pins roa eo an-tratrany ireo diera nafahana [Nafahan'ny Tafi-Panafahan'ny Vahoaka tamin'ny rafitry ny fanandevozana ireo Tibetana, ny taona 1950, araka ny bokin'ny tantaran'i Shina]. Ny iray misy ireo sarin'i Mao Zedong, Deng Xiaoping, Jiang Zeming, Hu Jintao [ary Xi JInping] ary ny iray hafa misy an'i Xi irery. Milaza ve izy ireo fa i Xi no lehibe indrindra amin'ireo filoha rehetra?

@賈葭:看着国内又是大字报大批判,又是红像章劝进表,又是表忠心站队列,就不免有些侥幸。感谢这么多年来的朋友和读过的书,让我还能像个正常人,保持了一些基本的原则。

@Jia Jia: rehefa mijery ny zava-mitranga ao amin'ny tanibe Shina, miverina indray ny kolontsainan'ny sariben'ny toetra amam-panahy Lehibe sy tsikera lehibe. Ankehitriny miverina ny pins mba hanehoana ny tsy fivadihana. Mahatsapa tena ho tsara vintana aho [hoe nandao ny firenena izy]. Mankasitraka tanteraka ireo namako sy ireo boky novakiako ihany koa aho, nanampy ahy hijanona ho olona ara-dalàna tsara ary hiaina mifanaraka amin'ireo fotokevitra fototra sasantsasany ireny rehetra ireny.