- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sarin-Dasopy Tatsinanana, Sakafo Ianohan'i Japan Niaka-Danja Ho Zavakanto Voakaly Fatratra

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Mediam-bahoaka, Sakafo, Saripika, Zavakanto & Kolontsaina
ラーメン肉3枚(味濃い目、もやし抜き)@のろし。By uka0310 [1]

“Lasopy shinoa miaraka amin'ny didin-kenan-kisoa telo.” Sary avy amin'i uka0310 mpisera Flickr [1], CC BY 2.0

Raha mahazatra kokoa an'izao tontolo izao ny sushi, ny sakafo tian'i Japan kosa indray dia ny paty ikarakarana ny antsointsika malagasy hoe lasopy shinoa [tatsinanana].

Ny paty iray baolina, misy hena sy legioma voatetika, atolotra miaraka amin'ny ro mahamay dia sady sakafo atoandro no fomba mahomby indrindra hanalana makafoka raha nandany ny alina tany amin'ny fisotroan-toaka.

Efa miaka-daharana amin'ny zavakanton'ny hanim-py ao Japan ny lasopy [shinoa] tatsinanana. Ireharehan'ny firenena ny karazan-dasopy [2] mifototra arakaraky ny fomba ikarakarana na izay faritra ao Japan niavian'ilay [paty] lasopy tatsinanana — samy manana ny endrika mampiavaka azy amin'ny Sapporo [3] raha any avaratra ary Fukuoka [4] raha any atsimoandrefana ny faritra tsirairay.

Maro dia maro tokoa ny karazana bilaogy [5] sy famoaham-boky aman-gazety natokana ho an'ny lasopy ao Japan.

Ramen Walker [6], gazetiboky iray nanokatena amin'ny fakana santionany sy amin'ny fanasokajian-javatra aza dia nanangana sarintanin'ireo hotely japoney fihinanan-dasopy [7] manerana ny firenena.

Matetika ihany koa ilay gazetiboky mamoaka sary sy todika fohy amin'ireo hotelin-dasopy ao amin'ny kaontiny Twitter.

Nanandrana lasopy akoho tao anaty ro masira tamin'ny vidiny $6 amerikanina izahay tao amin'ny  “Paty Bishomenten & Trano Fihinanana.” (Tanànan'i Hino, Tokyo)

Lasopy masira amin'ny vidiny $6,50 amerikanina Tao amin'ny tranon-dasopy varimbazahamainty “Seosan” (Asaka, Saitama)

Lasopy amin'ny vidiny $6,50 amerikanina tao amin'ny toerana vaovaon'ny lasopy Yoshikawa ao Kawagoe (Saitama)

Ny aingitraingitra amin'ny fihinanan-dasopy dia mety miainga amin'ny toeram-pihinanana mitsangana ao anaty garan-damasinina ka hatramin'ny toeram-pihinanana mipetraka manana tolotra maro sy toy ny any anatin'ny toeram-pihinanana avo lentan'ny shinoa.

Maro koa ny tanàna ao Japan no manana kolontsain-tsakafo an-dalambe mavitrika, ary ao anatin'izany ny lasopy tatsinanana.

Ny sasany amin'ireo mpikarakara lasopy dia mamelatra ny varotra isan'alina ao aorian'ireo kamiao kely nasaiam-panamboarana, tahaka ity kamiao iray mandeha an-dalana ao Tsuruga ity:

Ao amin'ny kamiaon-dasopy “Iked-ya Gonchan” ao Tsuruga, Fukui  (*´﹃`*)   [#JR Tours Shizuoka]

Miorina ao Japan ihany koa ny Mozean-Dasopy Yokohama. Ankilan'ny fijery ankapoben'ny tantaran'ny lasopy ao Japan [17], dia noforonin'ny Mozean-Dasopy ao Yokohama indray i Japanan'ny taona 1958. Taon-dehibe tokoa io, satria tamin'ny taona 1958 no namarotan'ny orinasa Nissin ny paty masaka eo noho eo voalohany indrindra manerantany [18].

Miteraka fahatsiarovana mampanembona amin'ny fiainana tsotra kokoa tao Japan ihany koa ny taona 1958 izay voatsangana taorian'ny ady lehibe faharoa ary nanomboka nisitraka ny fanambinana ara-materialy.

Tsy tahaka an'i Ramen Walker, fa tsy hita loatra amin'i Twitter ny Mozean-Dasopy Tokyo, saingy namoaka sary tokotokony ho telopolo teo ho eo tao amin'ny kaonty Instagram ry zareo.

昭和33年の街並。レトロでノスタルジック! #ラーメン#ラーメン博物館 #レトロ #昭和30年代 #shouwa #retoro [19]

A photo posted by 新横浜ラーメン博物館(ramen museum) (@ramenmuseum) on

Sehatra an-dalambe iray ao Japan araka ny tokony ho endriny tany amin'ny taona 1958 tany ho any. Fahiny mampanembona!

Raha nandranitra ny hanoananao ity resaka lasopy tatsinanana ity ary te-hamakivaky ny tontolon'ny chukamen (中華麺) — na paty shinoa — ianao, Ny All About Japan kosa nanangona lisitry Bilaogera an-tampon'i Japan amin'ny lasopy tatsinanana [20].