- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nisy Namono Tao Honduras i Berta Cáceres Mpikatroky Ny Zon'Olombelona Sy Mpitarika Teratany

Sokajy: Honduras, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Politika, Teratany, Tontolo_iainana, Vaovao Mafana, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona
Photo: Berta Caceres in interview with the media Venas Abiertas. Screenshot taken from the video, available on Youtube. [1]

Berta Caceres nandritra ny antsafa nifanaovana tamin'ny fampitam-baovao Venas Abiertas. Sary: Youtube.

Taona maro nitolomana hiarovana ny tontolo iainana sy ny vondrom-piarahamonina teratany no namonoana ilay tompondakan'ny zon'olombelona Berta Caceres tao Honduras tamin'ny 3 marsa, araka ny notaterin'ny  SOAWatch [2]:

At approximately midnight last night, the General Coordinator of COPINH, Berta Caceres was assassinated in her hometown of La Esperanza, Intibuca. At least two individuals broke down the door of the house where Berta was staying for the evening in the Residencial La Líbano, shot and killed her.

Tokony ho misasakalina tany ho any no namonoan'ny sasany tany an-tanindrazany tao La Esperanza, Intibuca an'i Berta Cáceres mpandrindra ankapoben'ny COPINH. Olona roa farafahakeliny no namaky ny varavaran'ny trano nipetrahan'i Bertha tao amin'ny Residencial Líbano ka nitifitra sy namono azy.

Nalaza manerantany tamin'ny fikatrohana nataony ka nahazo ny Loka Goldman Misahana ny Tontolo Iainana [3] i Caceres tamin'ny herintaona noho ny nahombiazany tamin'ny fanajanonana ny fananganana tohodrano lehibe hakana herinjiro tamin'ny reniranon'i río Gualcarque. Niaraka tamin'ny voninahitra azony ny karazana fandrahonana ho faty natao taminy, araka ny nasongadin'ny fanambarana an-gazety [4] navoaka tamin'ny filazana ny fanomezan-doka:

What [hasn’t] stopped are death threats to Cáceres. Her murder would not surprise her colleagues, who keep a eulogy—but hope to never have to use it. Despite these risks, she maintains a public presence in order to continue her work. In a country with some of the highest murder rates in the world, Cáceres hopes the victory in Agua Zarca will bring hope to activists fighting irresponsible development in Honduras and throughout Latin America.

Tsy nitsahatra ny fandrahonana ho faty nahazo an'i Cáceres. Tsy nahagaga ireo mpiara-miasa taminy namonoan'ny sasany azy. Izay efa nivonona tamin'ny kabary ho atao (na dia nanantena ny tsy hampiasa izany mihitsy aza). Na dia teo aza ny risika dia mbola nitozo tamin'ny fisehoana imasom-bahoaka hatrany izy hanohizany ny asany. Ao amin'ity firenena anisan'ny manana taha ambony indrindra amin'ny famonoan'olona manerantany ity no nanantenan'i Berta Cáceres ny fandresen'i Agua Zarca hitondra fanantenana ho an'ireo mpikatroka miady amin'ny fampivoarana tsy tompon'andraikitra ao Honduras sy manerana an'i Amerika Latinina.

Nofintinin'ny [5] fikambanana “Witness for Peace” ireo hery toherin'i Caceres raha nanohitra ny fananganana ny tohodrano izy:

Following the US-backed coup in Honduras in 2009, the floodgates for selling off Honduran land and natural resources to transnational and national corporations blew open. For example, the coup government granted 47 hydroelectric dam concessions with a single law, without consulting the communities that would be directly impacted and thereby violated international conventions including the International Labor Organization’s (ILO) convention 169 that requires the Honduran state to defend indigenous land and natural resources and prevent their forced displacement.

Taorian'ny fanonganam-panjakana notohanan'i Etazonia tamin'ny 2009 tao Honduras, dia nisasasasa ny fivarotan-tany sy loharanon-karena voajanahary tamin'ny vondron'asam-pirenena sy iraisampirenena. Neken'ny governemanta nanongam-panjakana avy hatrany tamin'ny lalàna tokana, ohatra, ny fanomezana alalana hananganana tohodrano 47, tsy nisy fanontaniana ireo vondrom-piarahamonina mety iharan'izany mivantana, ka manitsakitsaka avy amin'izany ny fifanarahana iraisampirenena ao anatin'ny Dinan'ny Fikambanana Misahana ny Asa Manerantany (OIT) laharana 169 izay nankatoavin'ny Honduras, izay manery azy hiaro ny harena voajanahary sy ny tanin'ny teratany ary misoroka azy ireo amin'ny famindran-toerana ankaterena.

Tao anatin'ny andro vitsivitsy monja dia notabatabain'ny fikambanan'i Caceres, COPINHHONDURAS [6], ny fangejana nahazo ny vondrom-piarahamonina teratany, ary nozarainy ny porofo fanesorana amin'ny taniny ny vondrom-piarahamonina Lenca:

Fizotran'ny fanesorana ny tompony amin'ny taniny: norombahina amin'ny vondrom-piarahamonina Hôndioranina Lenca ny taniny

Nosoritan'ny Mpitatitra Manokan'ny Firenena Mikambana misahana ny zon'ny vahoaka teratany ihany koa ny fihoaram-pahefana mahazo ny vondrom-piarahamonina Lenca sy ny tolony hanana tontolo iainana tsara kokoa. Nanamarika [10] toy izao izy tamin'ny fitsidihana nataony vao haingana tao Honduras :

In the course of the visit and my examination of the situation of indigenous peoples, I observed the critical situation faced by them regarding their rights on their lands and natural resources, violence, impunity and corruption, access to justice and lack of adequate social services including in education and health.

Nandritra ny fitsidihako sy ny famotopotorako ny toe-draharahan'ny vahoaka teratany no nahatsikaritra ny manjò azy ireo aho eo amin'ny zony amin'ny taniny sy ny harena voajanahary, ny herisetra, ny tsy fisaziana sy ny kolikoly, ny fahafahana mankeny amin'ny fitsarana sy ny sampan-draharaha sosialy tokony ho azy ireo ka tafiditra amin'izany ny fanabeazana sy ny fahasalamana.

Honduras, izay efa raiki-tapisaka ny kolikoly, dia mitana ny tompondaka eo amin'ny isan'ny famonoana vehivavy sy mpiaro ny tontolo iainana [11]. Mandrisika ny governemanta hôndiorana ny fikambanana manerana izao tontolo izao handray fepetra avy hatrany hamahana ny olana nanokanan'i Caceres tena nandritra ny androm-piainany. Mandrisika ny firenena hafa ihany koa ny mpikatroka hanery ny manampahefana hôndiorana, izay vao avy nanangana ny Vaomiera Hôndiorana Miady Amin'ny Tsimatimanota [12].

Misy ny fanantenana fa mety ho fanararaotra ny vaomiera hanaporofoan'ny governemanta ny faniriany ara-politika. Fa amin'izao fotoana izao, ny hany mazava hatreto taorian'ny namonoan'ny sasany an'i Caceres dia ny tsy maintsy ametrahan'ny firenena karazana mpanetsika hanakanana ny onjan'ny herisetra, ny kolikoly ary ny tsi-fisaziana.