Poyais, Famitahana Tamin'ny Taonjato Faha-19 Mitoetra Ho Anisan'ny Miavaka Indrindra Tamin'ny Tantara

Grabado de Costa del Mosquito en el territorio de Poyais. Imagen de Wikipedia, dominio público.

Kisoritsoritry ny Moron'ny Moka ao amin'ny lazaina ho sisintanin'ny Poyais. Sary avy amin'ny Wikipedia, azon'ny rehetra ampiasaina.

Raha nieritreritra ianao fa an'ny jiolahy sy ny governemanta amin'izao fotoana izao izany fahatafintohinana nateraky ny kolikoly izany dia ho anao ity tantara ity. Nanodidina ny taona 1820 tany ho any, Ny Jeneraly Ekaosey Gregor MacGregor, manamboninahitry ny tafika izay niasa tamim-piavahana tamin'ny Adim-Pahaleovantena Venezoelana, dia nanonona ny tenany ho mpanjaka teratanin'ny Poyais, firenena sandoka iray ao Amerika afovoany noforonin'ny tenany hanaovana famitahana, ka tafiditra amin'izany ny fivarota-tany tamin'ireo Ekaosey hafa.

Ity no fehin'ny tantaram-pamitahana nolazainy, araka ny lazain'ny blaogy El hombre lobo (IIay Lehilahy Amboadia):

MacGregor era un militar condecorado en los ejércitos Ingleses, Portugués y Venezolano. Tras varias acciones militares, llegó a una zona de las costa Nicaragüense dominada por los indios Poyais, con los que firmó un acuerdo de “colonización” […y sobre la] base a los supuestos recursos naturales del Poyais, comenzó a emitir bonos que daban intereses del 6%, garantizados por el Reino de Poyais.

Manamboninahitry ny tafika nanangona voninahitra avy amin'ny tafika britanika, paortigey ary venezoelana i MacGregor. Rehefa nanao asa miaramila maro izy dia tonga tao amin'ny faritra morondranomasina Nikaragoiana iray anjakan'ny vahoaka teratany Poyais izay nanaovany fifanarahana “fanjanahantany”  […ary] tamin'ny fianteherana amin'ny lazaina ho loharanonkarena voajanahary avy amin'ny Poyais, dia nanomboka namoaka taratasin-trosa manana zanabola 6%, iantohan'ny Fanjakan'ny Poyais izy.

Nohazavain'ny mpanoratra ny bilaogy ihany koa ny toe-javanisy tamin'izany fotoana izany sy ny nahatonga ny olona maro ho tratran'ny vela-pandriky ny fisolokiana:

Hay que situarse en el momento histórico en el que estamos. Hablamos de 1822, donde las ex-colonias Españolas estaban apareciendo en el panorama mundial como nuevos países con enorme potencial, donde muchos países con increíbles recursos necesitaban dinero para financiar sus infraestructuras y donde los rendimientos que ofrecían eran mucho mayores que los ofrecidos en Europa.

Tsy maintsy mametraka ny tenantsika ao anatin'izany fotoana iray amin'ny tantara izany isika. Taona 1822 no resahantsika, raha vao miana-mandeha eo amin'ny sehatra manerantany amin'ny maha-firenena vaovao azy ireo ny firenena zanatany espaniola teo aloha, izay mbola manana otrikarena goavana ary nila vola hananganana fototrafitrasa ny firenena maro manana loharanon-karena mahatalanjona ary ny tombontsoa nampanantenaina dia avoko kokoa noho izay natolotra tany Eoropa.

Tranonkalam-baovao Hondioranina iray El Heraldo nisintona ny tantara avy ao:

ilay lazaina fa toerana misy ny Poyais tao Amerika afovoany. Sary avy amin'ny Wikipedia, namboarin'ny mpanoratra. Azon'ny rehetra ampiasaina.

En septiembre de 1822 un curioso fenómeno ocurría en el puerto de Londres: el barco Honduras Packet levaba anclas con 70 colonos, incluyendo doctores, abogados y un banquero, rumbo al Reino de Poyais […].
Pero cuando arribaron a la costa atlántica de Honduras lo que hallaron fue una selva inhóspita que ofrecía más enfermedades que oro, al reverso de cómo les había prometido Gregor McGregor, un timador brillante autotitulado cacique de Poyais y a quien el “rey” misquito Frederik Augustus le había cedido en 1820 inmensas áreas de tierra (12 500 millas cuadradas) para que fundara allí un vasto Estado monárquico que al fin acabó siendo la mayor estafa internacional del siglo XIX. De los 240 colonos llegados a Poyais murió la mitad, otros volvieron a Londres o radicaron en Belice.

Tamin'ny Septambra 1822, nisy zavatra nahavariana nitranga tao amin'ny seranan'i London: nampakatra ny vatofantska ny sambo Honduras Packet niaraka tamin'ireo ho voanjo 70, izay ahitana dokotera sy mpahay lalàna vitsivitsy ary mpanao banky iray, ka nitodi-doha tany amin'ny Fanjakan'i Poyais […].

Saingy rehefa tonga tany amin'ny morondranomasin'i Atlantikan'i Honduras ry zareo, ny hitany dia ala tsy maha-te-honina izay mitondra aretina kokoa fa tsy volamena, izay tena nifanohitra indrindra tamin'izay nampanantenain'i Gregor McGregor [sic] azy ireo. Nanambara ny tenany ho mpanjaka teratanin'ny Poyais ity kingalahin'ny famitahana ity, rehefa nanoloatra tany midadasika dia midadasika ho azy (sahabo ho 32.000 km²) hahafahany manorina fanjakana entin'olon-tokana ny “mpanjaka” Miskito Frederik Augustus tamin'ny 1820, nefa ny tena marina dia ity no soloky iraisampirenena goavana indrindra tamin'ny taonjato faha-19. Tamin'ireo voanjo 240 tonga tao Poyais, dia maty ny atsasany, ny hafa niverina nody tany London na nidina nankany Belize.

Fandinihana sy fijerena ireo lasibatra: Lakilen'ny fandraharahana vaventy

Escudo de armas de Poyais. Imagen de Wikipedia. Dominio público.

Marika Ampingan'ny Poyais. Sary avy amin'ny Wikipedia. Azon'ny rehetra ampiasaina.

Toa tsara loatra raha marina ny fampanantenan'i MacGregor, toy ny hoe mora mandray olona ireo teratany, lonaka dia lonaka ny tany, ary maro dia maro ny volamena, saingy niezaka hatrany izy ny hamitaka ireo manamboninahitry ny tafika tsy maharitra, dokotera maromaro ary mpanao banky iray. Ahoana ny nanaovany izany? Nanandrana nitady valiny iray ny gazetiboky The Economist :

Mety hanome ny ambangovangon'izany ny Fikarohana nataon'i Tamar Frankel tao amin'ny Oniversiten'i Boston:

Frankel studied hundreds of financial cons, looking for recurring patterns. A set that pops up time and time again describes the traits of the victims. They tend to be excessively trusting, have a high risk tolerance, and—especially the more educated victims—have a need to feel exclusive, or part of a special group. […] Some feel envious of their economic neighbours, which can lead to greedy, risky investing.

Nohadihadian'i Frankel ireo mpamitaka ara-bola anjatony, itadiavana izay tranga mpiverimberina. Ny zavatra iray mpitranga hatrany dia mamelabelatra ny momba ireo lasibatra. Matetika izy ireo no matoky loatra, manana fahazakàna ambony dia ambony, ary ireo lasibatra nahita fianarana ambony kokoa- dia te-hiavaka hanana samirery, na anatin'ny vondron'olona iray manokana. […] Mialona amin'ny toekaren'ny manodidina azy ny sasany, ka mahatonga azy ireo ho any amin'ny fampiasambola be sy sahisahy loatra.

Ny firenena noforonin'i MacGregor io aza dia manana ny volany manokana ara-dalàna. Tamin'ity vola taratasy tsy misy ilaina azy ity no namitana ny fifampiraharahana ary ireo nitady harena ampitan(ny ranomasimbe dia nandoa izany tamin'ny vola britanika.

Bank_of_Poyais-1_Hard_Dollar_(1820s)_SCAM

Vola taratasy iray dôlara an'ny Bankin'ny Poyais, nampiasain'i McGregor hanaovana fifanakalozam-barotra amin'ny vola britanika. Sary nalaina avy amin'ny Wikipedia. Azon'ny rehetra ampiasaina.

Roanjato taona latsaka taty aoriana, mbola miresaka momba ny Poyais ihany ny olona manerana ny glaoby. Mijery indray ny tantara ireo sehatra mpampita vaovao.

Gregor MacGregor, “printsin'ireo Poyais”: maherifon'ny fahaleovantena sady mpisoloky.

Soloky feno fahasahiana indrindra teo amin'ny tantara

Misy aza moa ny mpiseraseran'ny aterineto mampifandray an'i MacGregor amin'ny ankehitriny, tahaka ity sioka miresaka momba an'i “JOH”, na Juan Orlando Hernández, izay filohan'i Honduras amin'izao fotoana izao:

Poyais angamba ilay Honduras amidin'i JOH… azo itokisana fa taranak'ilay Ekosey mpamitaka iny izy.

Niezaka ny handositra ny fanasaziana azy noho ny fitaka nataony i MacGregor. Nodimandry tao Caracas izy tamin'ny 4 Desambra 1845, ary nalevina araka ny fanomezam-boninahitra feno ny miaramila tao amin'ny Katediralin'i Caracas.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.